ALAHADY FAHA 20 JONA 2021
ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA
ALAHADIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA SY NY RANTSANA FANANTENANA
“Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako...” Ohabolana 23: 26-35

Ny fotoana androany dia niarahana niombom-bavaka tamin’ny Sampana Vokovoko Manga.
Ivom-bokatry ny SVM rahateo ity fotoana ity ary nentiny ihany koa nanamarihana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 30 taona niorenany teto amin’ny Fitandremana.
Alahady natao ho fankalazana ny Fetin’ny ray ihany koa .
Ny Lohahevitra izay banjinin’ny Fiangonana ao anatin’ity volana Jona ity dia ny hoe : “ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA” .
FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Rehefa avy niarahaba ny Fiangonana tamin’ny fiarahabana Apostolika ny mpitarika ary nanambara ireo teboka manamarika ity fotoana androany ity dia nampahatsiahy ihany koa ny lohahevitra izay banjinina mandritra ity volana jona ity.
Ny Ohabolana faha 3 and. 16 no nentin’ny mpitarika niarahaba manokana ny ray noho izao fanamarihana ny Fetin’ny ray izao..
Nentina nisaotra sy nidera an’Andriamanitra kosa ny Salamo faha 121: “Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy
Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ny an-kavananao.
Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ny Hira FFPM 36:1 ,3 “Moa ho haiko tantaraina” no nohiraina taorian’izany ary avy eo dia niroso tamin’ny vavaka fisaorana ny mpitarika araka izao vavaka izao :
“ Ry Andriamanitra Ray , Zanaka ary Fanahy masina o! Midera sy mankalaza ny Anaranao izahay, noho ny famirapiratan’ny voninahitrao sy ny fiandriananao. Tsy takatry ny sainay ny fahalebiazanao sy ny famonjenao. Moa ho hainay tantaraina tokoa ve ry Tompo ny fahasoavana izay narotsakao taminay isan’andro indrindra ny amin’ny nitehirizanao ny Sampana Vokovoko Manga nandritra izay 30 taona izay ka nahafahanay niasa sy nijoro ho vavolombelonao. Koa indreto izahay vahoakanao izay narovanao tamin’ny areti-mandringana sy ny endrim-pahafatesana maro. Tsy navelanao ho solafaka ny tongotray, niaro anay tamin’ny ratsy rehetra Ianao. Niambina ny alehanay Ianao. Izany no ahatsapanay ny fiarovanao sy ny fitiavanao tsy misy fetra. Misaotra Anao izahay fa nangoninao ho eto amin’izao fitoerana masina izao, mba ho iray fo, iray saina, iray fanahy Aminao. Misaotra Anao ihany koa izahay ry Tompo raha mbola afaka mahatsiaro ny raim-pianakaviana rehetra nahatratra indray izao Fetin’ny ray izao, mba ho tena ho ray andry iankinan’ny fianakaviana, iankinan’ny Fiangonana, iankinan’ny firenena anie ny ray eto amin’ny Fitandremana ary hazoto amin’ny fanompoana Anao. Ankehitriny Fanahy Masina o! Hatreo feno izao fotoana izao ka mamenoa anay ary mampifantoha anay mba ho voninahitrao Ray, Zanaka ary Fanahy Masina anie izao fanompoana masina tanterahanay izao ka hanovozanay hery sy aina vaovao entinay manompo anao sy hiatrika ny ampitso sy ny androm-piainana izay mbola omenao anay. Amin’ny Anaranao Jesao Kristy Tompo sy Mpamonjy anay no hanandratanay ny vavakay. Amena!


FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Taorian’izany dia nohiraina ny hira FFPM 242 and. 1,4 “Misaotra Anao Izahay ry Ray”
FIAIKEN-KELOKA
Ny hira FFPM 444 : 2 “Mivezivezy aho, nitady zava-tsoa” no nohiraina ho fifonana amin’ny Tompo.
FAMELAN-KELOKA
Taorian’ny fandraisana ny famelan-keloka dia nohiraina ny hira FF 34 and. 1, 3 “Tompo malala” ary rehefa izany dia natao ny fanekem-pinoana laharaha fahatelo.
FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY

Zoky RAKOTOARISOA Dina , mpampianatra K4 no nanatanteraka izany .
Nivavaka izy ary avy eo nanao tantara kely nentiny nanazavana izay voalaza araka ny Hebreo 10 and. 39 :
“ Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.”
Taorian’izany dia mbola nivavaka ny tompon’anjara.
TATITRY NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA SY NY RANTSANA FANANTENANA.

Nizara roa ny tatitra ka teo ny fanambarana ny asan’ny Sampana nandritra ny herintaona.
Teo koa ny fanatanterahana ny hetsika Gasigasy tamin’ny volana Jona 2020; ny fanatanterahana fifampizarana, ny fandraisana anjara tamin’ny Krismasy hafakely. Nandray anjara tamin’ny tafika masina miara-mandroso natao teny Anjanamasina.
Ny volana febroary 2021 izy ireo no nanokatra ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 30 taona niorenany, niaraka tamin’ireo Sampana manatanteraka ny taom-pankalazana sy ny komity ny faha 160 taonan’ny Fiangonana.
Tao anatin’izao ivombokatra izao dia nisy ny famelabelaran-kevitra nalefa tamin’ny FaceBook, nandinihana lohahevitra maro mahakasika indrindra ny fihemorana ara-panahy sy ny vaha-olana amin’izany, ny fandraisana ny andraikitra.
Nisy koa ny hafatra avy amin’ny Vokovoko manga Foibe, izay manentana indrindra ny Fitandremana amin’ny fandraisana anjara fanohanana ny fananganana ny tsangambaton’ny faha 50 taonan’ny Sampana Vokovoko manga .
Ny fihaonam-be dia hotanterahana any Antsirabe ny faha 26-29 aogositra ho avy izao.
Taorian’ny tatitra dia nanatanteraka hira hoe : “Asa mahasoa, ny antsika re” ny SVM.
RAHARAN’NY FIANGONANA

Ny Biraom-piangonana (BP) RAZAFIMAHARO Mamy no nanatanteraka izany. Ny Teny araka ny 1 Kor. 3: 17b no nentiny niarahaba ny Fiangonana mialoha ny nanambarana ny raharaha.
• Hisy ny famelabelaran-kevitra hotanterahana noho ny faha 25 taona naha Mpitandrina an’Andriamatoa RANAIVONIARIVO Tiana ny alakamisy 01 jolay amin’ny 05.30 ora hariva ao amin’ny FJKM Ambatonakanga
• Misy ireo fotoana tanterahan’ny Synodam-paritany amin’ny herinandro io dia ny ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina ho fankalazana ny faha 25 taona nitandreman’ny Mpitandrina, eo koa ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina any amin’ny FJKM Ebenezera.
RAKITRA SY VOADY




Ny hiran’ny Hasin’ny Famonjena : “Tsy mbola nisy” no nangatahan’ny mpianakavy ny finoana androany.
Ny hira FFPM 307:5 “Iza no hazoto mba hiasa moa” no nanolorana ny fanatitra.
FAMAKIANA NY SORATRA MASINA




RAVOKATRA Eddy, no nanatanteraka ny vavaka mialoha ny vakiteny ary RASOLONDRAIBE Sarobidy kosa no namaky misesy ny perikopa voalahatra hovakiana androany. Ny Testamenta Taloha dia araka izay hita ao amin’ny Ohabolana 23: 26-35. Ny Testamenta Vaovao kosa dia araka izay hita ao amin’ny Matio 23: 1–12 ary ny Epistily dia ny I Petera 4:1-6.
TORITENY

Tamin’izany no nilazany fa mbola ao anatin’ny fanohizana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : “ANORENANA NY MAHA KRISTIANA NY FINOANA “ isika ankehitriny. Notsiahivany fa ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 160 taona niorenan’ny Fiangonana isika. Ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 30 taonan’ny sampana SVM ihany koa ary ivom-bokany rahateo izao fotoana izao.
Ity fotoana ity dia Fetin’ny raim-pianakaviana ihany koa ka dia faly miarahaba ny ray isika. Ankatoky ny Fetim-pirenena ihany koa izao fotoana izao koa dia hotsarovantsika miaraka ireo fotoana rehetra ireo anio.
NY KRISTIANA MARINA DIA MIARO NY TENANY AMIN’NY RATSY.
Misy zana-kevitra telo ao anatin’izany :
1- TSY MANAO NY FANAON’NY JENTILISA (1 Pet. 4 :1-6).
Ny olona manana ny fanahin’ny jentilisa dia be fanirian-dratsy, tia fisotroana ary mbola mandala fanompoan-tsampy.
Araka izany, ny Kristiana raha miaro ny tenany amin’ny ratsy dia mandà ireo voalaza ireo. Rehefa ny olona no midoroka dia tsy mahafehy ny tenany intsony. Rehefa milona ao anatin’ny ota ny olona dia alonan’Andriamanitra amin’izany tokoa ahalalany fa tena mpanota izy ary meloka eo anatrehan’ny fahamarinan’Andriamanitra tokoa.
Ny teny fanevan’ny SVM dia ny hoe : “Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”.
2- MAHAY MANETRY TENA (Matio 23: 1-12)
Ny fiainan’ny Tompo manontolo manomboka amin’ny fahaterahany ka hatreo amin’ny fahafatesany dia manambara ny fanetren-tena avokoa.
Ny Tompo araka ity perikopa ity dia mitaona ny olona tsy hatoky tena . Rehefa matoky tena mantsy ny olona dia mitarika fialonana ao anatiny izany. Ohatra amin’izany ny toetran’i Myriama izay anabavin’i Mosesy.
Rehefa tsy manetry tena ihany koa ny olona dia lasa manambaka ny namany.
Ny Salamo 33 : 12 “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” dia maneho fa ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny dia matahotra an’Andriamanitra izy. Ny fahatahorana an’i Jehovah no voaloham-pahendrena. Raha olona te hijoro amin’ny fahendrena izany dia matahotra an’Andriamanitra ka mifady izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa izany no mitranga dia milamina ny tanàna, tsy misy korontana fa fahasambarana no mitranga.
3- MAHATANA TSARA NY FAHENDRENA AVY ANY AMBONY
“Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana; Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady,…” Ohabolana 24:5-6
Ny Ohabolana 23:26-35 araka ny perikopa dia mitaona ny hifadian’ny lehilahy hendry ireto zavatra telo ireto:
• Mandositra ny fahajejojejoana . • Mankahala ny tia fahamamoana. • Mihataka lavitra amin’ny fikotranana.
Raha olona hanorina ny maha Kristiana antsika tokoa isika noho ny finoana dia tazomy ny Teny fanevan’ny SVM izay hasandratra ankehitriny manao hoe: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.”
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Tao arinan’ny feon’orga dia nanao ny anjara hirany ny STK.




ASA VAVOLOMBELONA
FAMARANANA NY FOTOANA




NY TOMPON’ANJARA
- Nitendry orga : RANAIVOSON Jacky sy ny SMZM
- Nikirakira ny fanamafisam-peo: RABIAZAMAHOLY Hery Lanto
- Nandray an-tsoratra : RABAKO Tovohery
- Naka ny sary :ANDRIAMAMPIANINA Faneva