ALAHADY 19 JONA 2022
“MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO”
Alahady I manaraka ny Trinite – Ivombokatry ny Sampana Vokovoko Manga (SVM)
“Matokia, anaka; voavela ny helokao.” Matio 9:2
Alahady voalohany manaraka ny Trinite ity alahady ity. Alahady mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : Mampanjaka ny fahefany ny Tompo.
Alahady ivom-bokatry ny Sampana Vokovoko Manga (SVM) sy ny Rantsana Fanantenana eto amin’ny Fitandremana ary nitondrana tamim-bavaka ny SVM eto amin’ny sahan’ny FJKM.
Alahady miavaka satria andro natokana hahatsiarovana ny raim-pianakaviana rehetra koa noho ny Fetin’ny ray.
Razafimbelo Holy, Diakona, Filohan’ny Sampana Vokovoko Manga no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina Ramaholimihaso Solofo, Mpitandrina misotro ronono avy ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno no nitendry nandritra ny fanompoam-pivavahana manontolo.
Ny litorjia endriny fahatelo no notanterahina.
Feon-javamaneno teo am-pidirana.



FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Taorian’ny Fiarahabana apostolika nataon’ny mpitarika dia ny Salamo 15 no niaraha-novakiana teo am-pitsanganana, ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. : “ Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; Tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.” Amen !
Ny hira FFPM 12:1, 2, 5 “Jehovah ô, derainay Ianao!” no niarahan’ny Fiangonana niredona
sy niray fo tamin’ny fiderana an’Andriamanitra.




VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Midera mankalaza fa Andriamanitra velona ambonin’ny Andriamanitra rehetra, Tompon’ny fahefana rehetra, Ray mandrakizay. Misaotra Azy noho ny tombon’andro ary misaotra noho ny fitahiany ny SVM sy ny Rantsana Fanantenana. Misaotra koa noho ny fahatsiarovana ny ray, ho lehilahy mendrika hanjakan’ny voninahitr’Andriamanitra anie. Mangataka mba ho feno ny Fanahy Masina ny fotoana manontolo.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NYTANORA
Feon-javamaneno mialoha ny nitsanganan’ny tompon’anjara. Rakotozafy Tinà, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 5, no nanantanteraka ny fotoana ho an’ny Sekoly Alahady.
Nanao vavaka izy teo am-panombohana ary rehefa vita izany dia nasainy nosokafana ny Baiboly ka niaraha-novakiana ny Jeremia 15:16b:“… ny Teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko”
Tokony hahatsapa izany daholo ny kristiana rehetra, hoy izy. Nanontany izy raha misy mahafantatra ny antony hitangoronan’ny olona eny amoron-dalana ny maraina. Mijery gazety ireny olona ireny ary vaovao mampahatahotra sy loza matetika no tena hita sy mahasarika.




Androany kosa dia mampirisika Jesoa hoe ny Teniny no vakiana, ny Teniny no loharanon’ny fifaliana.
Tantaran-dRainibary no nentiny nanehoana fa ilaina ny manana an’i Jesoa, manana ny Tenin’i Jesoa.
Manana aretina mitaiza Rainibary, noho ny fifohana sigara, fiaretan-tory, fijerena horonantsary mampatahotra sy mampitaintaina. Ny dokotera mihitsy no milaza fa ireo no antony mankarary an-dRainibary, ka tsy hisy fahasitranana raha tsy miova ny fomba fiainany.
Mila manana an’i Jesoa izy, miresaka amin’i Jesoa amin’ny alalan’ny vavaka sy famakiana Baiboly. Rehefa izany dia ampianarin’i Jesoa izy. Isika koa dia mila izany.
Teo am-pamaranana dia nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady nanao ny hira FFPM 770:5 “Hajain’ny saiko, Fototry ny aiko”.
Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra dia notanterahina ny hira FF 18: 1 , 2 “Afafazo”.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Razafimbelo Muriel no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
Ravokatra Angela kosa no namaky ny Teny tao amin’ny Testamenta Taloha ary Randrianarisoa Rado Navalona ny Testamenta Vaovao.
Ireto ny perikopa androany : Habakoka 2 : 15-17 ; Matio 9: 1-8 ; Apokalypsy 12: 7-12.
Nohiraina teo am-pitsanganana ny FF 42:1, 2 “Moa misy va?” mialoha ny Toriteny.
TORITENY
Nivavaka aloha ny mpanompon’Andriamanitra ary tamim-pifaliana no niarahabany ny Fiangonana sy ny SVM ary ny Mpitandrina mivady.
Ny Filazantsaran’i Matio, izay efa novakiana, no nakany ny hafatra nandokoina ny lohahevitra FJKM hoe “Mampanjaka ny fahefany ny Tompo” :
Tantaran’ilay lehilahy paralytika nobataina tao an-tranon’i Jesoa tao Kapernaoma.



- Aza atao tazan-davitra Jesoa
Ny Marka 2:3-4-5 no synoptika.
Hita ao amin’ny and. 4 fa be olona ka tsy afaka nanakaiky Azy ilay mararin’ny paralysisa. Faly nahatazana fa tsy afa-po nitazan-davitra. Nitady lalana hanivatsiva ho eo akaikin’i Jesoa. Rehefa teo izy dia tsy bedy fa hoy Jesoa :“Anaka, voavela ny helokao”. Nanononan’i Jesoa ny votoaton’ny Filazantsara ity lehilahy ity. Izany no ambarany voalohany amintsika Fiangonana. Raha tsy mbola nahare izany isika dia mbola manao tazan-davitra izany.
Jesoa miantso hoe “Manatona !”
Ny Salamo 103 :1-5 miresaka ny fitahiana rehetra. Ny fitahiana voalohany dia ny famelan-keloka, izay vao manasitrana, ary izay vao mamoky soa. Raha toa ka sitrana ny marary nefa tsy nahazo famelan-keloka dia toy ny fery tsy afa-tsilo izay manindrona foana.
Koa manakekeza an’i Jesoa hahenoana Azy milaza hoe “Anaka, voavela ny helokao”.
- Mamela heloka ny Tompo
Mampanjaka ny fahefany ny Tompo. Ny fahefany dia mamela heloka. Ny heloka no mampisaraka amin’i Jesoa.
Voalaza ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:2 fa misy zavatra telo ao amintsika : fanahy, aina, tena.
Zava-dehibe ary maika ny famelan-keloka. Misaraka amin’Andriamanitra, tsy tafaray amin’Andriamanitra ny fanahy, raha misy heloka tsy nibebahana. Ny fanahy, rehefa tsy mahazo ny Tenin’Andriamanitra isan’andro dia maty. Koa mila mibebaka mba ho velona ny fanahy.
Ny aina atao hoe “âme”, ny fanahy atao hoe “esprit”. Ny aina dia mila sitranina. Rehefa andevoizin’ny fahotana mantsy dia manao ny tsy fanao ka manana “émotion” sy “passion” isan-karazany. Mila sitranin’i Jesoa io. Andriamanitra manasitrana ny aina sy ny fanahy ary ny tena rehefa mandray ny famelan-keloka.
Aoka ny tsy fahasalamanao rehetra hampahatsiaro anao hoe izaho ve efa voavela heloka ?
Rehefa voavela heloka ianao dia fantatr’Andriamanitra ny manafaka anao.



- Ny olona voavela heloka dia manana fankatoavana Azy
Zava-dehibe ny fankatoavana. Tokana ny fankanesana any an-danitra dia ny manao ny sitrapon’ny Ray izay any an-danitra. Hoy ny fiteny hoe “1 gramme d’obéissance vaut mieux qu’1 tonne de connaissance.”
Mila mankatoa ianao ary manova ny hafa koa. Ampisehoy ny fiainam-pankatoavana anananao hanovanao ny hafa. Tsy ny fahaizana mandahatra akory no inona fa ny fahitana hoe mankatoa ianao, niova ianao.
« Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao ». Niova fo ianao ? Asehoy izany.
Nanova antsika ny Tompo mba ho fitaovana hanova ny hafa. Ny Tompo anie homba antsika.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.
Taorian’ny toriteny dia nanao feon-javamaneno ny SMZM.



VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Andriamanitra mbola mitaona antsika hanatona Azy ka hanetry tena. Tsy tokony hanao tazan- davitra isika fa hanakaiky Azy, mba handre ny feony. Hampanjaka ny fahefany ny Tompo ka te hamelona ny fanahintsika Izy, mba hahazoana famelan-keloka. Ny olona manaiky ny fahefan’ny Tompo dia feno ny fankatoavana.
Ny Teny rehetra renay anie tena hiasa ao anatinay hakanay fanapahan-kevitra, hafahanao Tompo mampanjaka ny fahefanao ary hanampianao anay hahay hijoro ho vavolombelona.
Raha miaiky ny fahotanay izahay dia mamela heloka ianao Tompo.
Avy eo dia natao ny hira FFPM 412:2 “Jehovah Tompo ô!”
TENY FAMELAN-KELOKA
Apokalypsy 3:10-11 « Satria efa nitandrina ny Teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao ».
Izany no Teny famelan-keloka noraisana teo am-pitsanganana.
Natao ny hira FFPM 489:1 “ Tena sambatra sy maha te ho tia ” ary nambaran’ny Fiangonana ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo.
Feon-javamaneno



TATITR’ASAN’ NY SAMPANA
Rakotoarisoa Meva no nanantanteraka izany. Nampahafantariny fa Sampana iray amin’ireo valo misy eo anivon’ny FJKM ny SVM eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena.
Amin’ny maha Tempolin’Andriamanitra ny tena dia manampy ny olona hitandrina izany ny Sampana.
Ny Sampana Vokovoko Manga sy Rantsana Fanantenana dia Sampana velona mitaiza hahay handa sy hifady ny zava-mahamamo sy mahadomelina. Mirongatra amin’ny endriny maro izany ankehitriny, ka hifanome tanana hiady amin’izany. Mandritra ny herinandrom-bokatra, ny Sampana rehetra niara-nidera ny Tompo araka ny talentany avy.
Tsy ho an’ny mpifady ihany ny Sampana fa ho an’ny rehetra.
Nanolotra fisaorana manokana ho an’ny SMZM amin’ny fiaraha-miasa.
Hafatra Foibe : « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » Jaona 8:36.
Miombona amin’ny vina FJKM : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara
Misy ny gazety “Mpanarato” izay mivoaka isan-3 volana.
Ampahatsiahivina ny Malagasy fa azo atao tsara ny mankalaza fety tsy misy zava mahamamo sy mahadomelina. Atao izao fampahatsiahivana izao mialoha ny fankalazana ny 26 jona.
Rehefa vita ny tatitra dia nanao ny anjara hirany ny Sampana
“Indro Andriamanitra manambara”
Indro Andriamanitra manambara
Ny zava-dazainy mba henoy tsara
Ho tena lalana ho antsika vahoaka
Ny tsy hisotro divay na ny toaka
Raha izany no hisy dia hita tokoa
Divay sy ny toaka dia tsy mahasoa
Manimba ny tena, ny saina, fanahy
Koa ndeha hajanony izany ry lahy
Tsarovy f’ianao no tempolin’ny Ray
Koa indro manentana anao izahay
Ialao ny fiainana ratsy taloha
Dia hohamasinina ilay Ray Tsitoha
Ny Lioka 12:35 “Aoka hirehitra ny jironareo” sy ny Teny Faneva hoe : “Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.” 1Korintiana 3:17b no namaranany izany.



RAHARAHAM-PIANGONANA
« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »
Razafimaharo Mamy, Biraom-piangonana no nanantanteraka izany.
Toy izao no nisongadina ka tsara ho fantatra :
Avy any ivelany
Sampana Fifohazana : Fiofanana ny 23 jona manomboka amin’ny 9 ora sy sasany
24-25 jona : Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 185 taonan’ireo maritiora protestanta. Tsenaben’ny maritiora eo an-tokotanin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.
TPM Ivato : fanasana varotra fampirantina hahitana asan-tanana maro.
Anatiny
Fizarana taratasy kely mikasika ny fitoriana an-tokantrano (Fitoantoka).
Ankatoky ny Fandraisana, famangiana manjo mialoha izany.
Mitohy ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.
26 jona : Alahadin’ny taranaka sy Hetsika gasigasy.
9 jolay amin’ny 5 ora sy sasany maraina : Didipoitra faobe karakarain’ny VFL
Nanao fanentanana ireo Rafitra dimy manantanteraka fankalazana amin’ity taona ity : STKZo, STK, AFF, Gazety Taratry ny Famonjena sy ny SAMPATI. Nantsoin’ny mpanentana hiakatra teny amin’ny alitara ny Filohan’ireo Rafitra ireo.
Fanentanana momba ny alahady 26 jona : Hetsika gasigasy
Mizara 2 ny fotoana
-Fanompoam-pivavahana ao an-tranom-piangonana
Marihana fa Alahadin’ny taranaka koa io alahady io : “Taranaka Kristiana malagasy, Malagasy kristiana”
Samy manao fitafy malagasy
-Hifety, hisakafo eo an-tokotanim-piangonana
Ny SMZM mitendry, ny Sampana manan-talenta hifandimby hiaka-tsehatra. Hisy fifaninanana dihy sy hira ary fitafy.
Ny sakafo : kafe, dite, mofo gasy, ramanonanaka, kompoze, vary sy laoka loko malagasy (ravitoto sy henakisoa sy lasary votabia). Misy koa ny masikita sy koba Talata Volonondry.
Aleo hoe mahita toa izay tantaraina.
Momba ny vary sy laoka, misy tapakila efa hamidy 7000 Ar amin’ity alahady ity.
Tenin’ny Mpitandrina :
Nisaotra ny mpanentana. Tena fety amin’ny maha Malagasy tokoa ny amin’ny alahady 26 jona.
Alahady manga ity alahady ity hoy ny Mpitandrina satria Solofo x 2 no mijoro eto.
Nanentana izy ny hihainoina ny fandaharana “Mandeha miendrika ny fiantsoany” ao amin’ny Radio Vaovao Mahasoa ny talata maraina, tontosain’ ny Mpitandrina Ramaholimihaso Solofo.
Nanao fisaorana izy amin’ireo izay efa nahatontsosa sy ireo mbola hanatontosa anjara Voka-dehibe.
Nanentana izy ny hifanotronan’ny rafitra rehetra araka ny Tondrozotra. Nanamafy ny fiomanana ny amin’ny alahady 26 jona, Hetsika gasigasy, sady Alahadin’ny taranaka.
Tsy hohadinoina ny sabotsy hariva manomboka amin’ny 6 ora hariva : hetsika hataon’ny RFF, fitondrana amim-bavaka ny firenena sy ny hanala fanadinana.



RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Ralaindimby Haja no nanolotra ny voady sy ny raki-pisaorana. Fisaorana an’Andriamanitra sy fangataham-bavaka : Nisy ny nahazo asa sahaza, nahatratra fitsingerenan’ny taona nahaterahany, hanao “soutenance”.
Ireto no hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana tamin’izany: ny FF 53, FFPM 731:2, FFPM 731:4.
Novakiana ireo anjara Voka-dehibe voaray.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanolorana ny rakitra ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny hira vavaka FFPM 275:1 “Raisonao, ry Tompo soa”.
ASA VAVOLOMBELONA
FETIN’NY RAY
Notarihan-dRamatoa Raharijaona Bodo ny fiarahabana ireo raim-pianakaviana,.
Natsangana avokoa ny raim-pianakaviana rehetra. Noraisiny dikan-teny hebreo iray hoe “Jakara” izay hoe : mahatsiaro, mahatadidy, mamerina an-tsaina, mahatsiahy. Izany no firariana ho an’ireo ray ; dia notolorana fanomezana kely sy hira : Dada (Mialy Rakotomamonjy).
Nofaranana tamin’ny vavaka izany.
Nanao ny anjara hirany ny S.T.K.



VAVAKA FANGATAHANA
Fisaorana noho ny Teny sy hafatra nampitondraina ny mpanompony no nanombohan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny vavaka fangatahana. Mila manatona ny Tompo isika satria Izy no manome famelan-keloka.
Nivavaka ho an’ny Fiangonana, mpitondra Fiangonana, Mpitory Filazantsara, ho an’ny Toby masina sy akany fanabeazana . Tsy nohadinoina ny Foibe tarihan’ny Filoha FJKM sy Birao SP rehetra. Mivavaka manokana ho an’ny SP misy ny Fitandremana.
Ny Kristiana rehetra eto Amparibe Famonjena anie tsy ho olona mihaino dia manadino, fa mampihatra amin’ny fiainany manontolo ny Tenin’Andriamanitra. Ho an’ny am-pielezana eto an-toerana sy any Ampita koa izany.
Mivavaka ho an’ny Sampana, Sampan’Asa sy Asa mba hahefa be sy izay nanokanana fotoana miavaka (SVM) hahavita soa.
Mahatsiaro manokana ny Mpitandrina nampita ny hafatra. Ny asan’ny Tompo tsy vita raha tsy efa miala eto an-tany koa tafio hery hatrany izy.
Mivavaka ho an’ny Firenena sy ny mpitondra ny Firenena ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantena. Mivavaka ho an’ny Malagasy rehetra ho feno fifaliana ka Kristy ho an’i Madagasikara ary Madagasikara ho an’i Kristy.
Mivavaka ho an’ny Voka-dehibe mandritra ity volana jona ity. Ho tratra anie ny tanjona.
Ho an’ny ankizy efa nanala sy ny mbola hiatrika fanadinana. Ho an’ny sahirana, marary, manan-manjo, voafonja, very asa, traboina, ireo hiaranan’ny fahasahiranana, ireo tratran’ny kere. Ho levona tanteraka anie ity aretin-dratsy coronavirus ity.
Mivavaka ho an’ireo mpanompo izay manana hataka manokana, ho an’ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina.
Nakambana izao vavaka izao ka natao amboara tokana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo “Rainay Izay any an-danitra…”
FAMARANANA NY FOTOANA
Natao teo am-pitsanganana ny hira 28:2 ( Fihirana Vokovoko Manga )
Asehoy ny fanekena
Aza menatra tokoa
Mba ho hitam-pirenena
Izany fanekena soa
Fiv.: Mitandrema ! Miambena
Tovy ny adidinao, adidinao
Novakiana ny Tondrozotra 2022 ary natolotra ny Tsodrano.
Nofaranana tamin’ny hira 28:4 (Fihirana Vokovoko Manga)
Tontosay ny fanekena
Mandrese sy mandrosoa
Aza mba matoky tena
Iankino Jesoa soa
Fiv.: Mitandrema ! Miambena
Tovy ny adidinao, adidinao
Natao ny vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinite masina.



IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Randriamasimanana Andrianavalona
Nikirakira fanamafisam-peo : Rova Harentsoa/ Rabiazamaholy Hery Lanto
Naka sary : Ramahery Hasina – Robel Hanitra
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy