2 – SAHIA MANONDRO IZAY FOTOTRY NY RATSY
Iza moa no fototry ny ratsy raha tsy isika, ny mpitondra, ny vahiny,Andriamanitra dia tsy namorona ny firenena iray ho firenena mahantra, Tsy tafiditra ao anatin’ny toe-tsaina Kristiaina ny miandry ho tolorana fotsiny.
Raha toa ka mbola :
– misy elanelana avo eo anivon’ny mahantra sy mpanakarena
– mampanjanambola ny vahiny
– miandry ho tolorana fotsiny
dia hanjaka ny tsy fandriapahalemana, ny kolikoly,
Ny fihariana protestanta dia :
– MIASA MAFY
– MANANGONA, MANITARA NY ASANAO
– AZA MIANGINTRAINGITRA
– MANAOVA ASA SOSIALY
– HAJAO NY ZON’NY MPIASA
Izany rehetra izany dia ao anatin’ny Soratra Masina avokoa. Tsy ny tombotsoa anao no kaisainao fa an’Andriamanitra. Amen
Ho an’Andriamanitra irey ny voninahitra.
Nisy feon-javameneno taorian’ny hafatra, ary dia nanao vavaka setrin’ny toriteny sy vavaka fangatahana ny Atoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin, mpanolotsaina Birao Mpiandraikitra Foibe.