Ny fanokafana ny saina dia asan’Andriamanitra feno . Eo amin’izay sakana mety tsy ahafahantsika mahatakatra ny Soratra Masina dia Izy Kristy mihitsy no manala izany. Eto ny Tompo dia toy ny manome fahefana ireo mpianatra mba ahatakarany izay voambaran’ny Soratra Masina dia izay voambara momba an’i Kristy(and. 46-47).
Ahoana ny hoe: “Mahalala ny Soratra Masina” ? Isika eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena izao, dia efa nampianarina ka mahalala ny momba ny Tendry Mialoha Roa Sosona na ny “double prédestination” . Araka izany, na samy mamaky ny Soratra Masina aza dia misy ny mahalala fa misy kosa tsy mba nahalala toa ireo fariseo sy ny Mpanora-dalàna izay namaky mandrakariva ny Soratra Masina nefa tsy nahalala akory ny momba an’i Jesoa Kristy.
Ny mahalala dia tsy mijanona fotsiny amin’ny fahaizana ilay andinin-tsoratra masina fa:
- Mahazo tsara izay tondroin’ny Soratra Masina dia i Jesoa Kristy
- Hendry ka manaraka izay voalazan’ny Soratra Masina
- Mametraka ho laharam-pahamehana ao amin’ny fiainany, izay voalazan’ny Soratra Masina.
Ho antsika Fiangonana Reformé dia mametraka mandrakariva ny hoe SOLA SCRIPTURA sy ny hoe TOTA SCRIPTURA izay midika fa ny Soratra Masina irery ihany ary ny Soratra Masina Manontolo no hifotoran’ny fampianarana sy ny foto-pinoana.
Ho fampiharana dia aoka isika hiaina ny fahalalana tsara ny Soratra Masina, Tsy ho voavilivilin’ny fampianarana samihafa ary amin’izany dia hamirapiratra tahaka ny kintana isika .