FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Andrianilaina Gina (Gazety Taratry ny Famonjena) no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
Ny perikopa voalahatra hovakiana androany : Mika 5 : 1-5 ; Lioka 12 : 32-40 ; I Korintiana 15 : 24-28.
Ratavao Sitraka (SAMPATI) no namaky ny Testamenta Taloha, ary Rahajanirina Michelle (STKZo) no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny hira FFPM 225 : 1-5 “Aty an-tranonao izao” no niarahan’ny Fiangonana niredona mialoha ny toriteny.
TORITENY
Razanamparany Clément no nitondra ny hafatra. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Lioka 12 :32-34 no nisintonana ny hafatra sy nanaovana ny fampianarana ho an’ny mpianakavin’ ny finoana.
Ny hafatra nataon’ny Tompo tamin’ny mpianany dia ny fifantohana sy ny fanankinan-doha amin’Andriamanitra hatrany ary ny fananana fo mahay mandanjalanja mandrakariva.
1 – Ny zavatra ataon’ny mpino no manamarika ny maha mpianatry ny Tompo azy
Misy toetra tsy maintsy tokony ho hita eo amin’ny fiainana maha kristiana, hamantarana ny maha mpianatr’ i Jesoa antsika. Voalohany, ny fitiavana satria Andriamanitra dia fitiavana ary ny fitiavana dia ny fananana fifaliana mizara ho an’ny hafa. Faharoa, hisy fiantraikany eo amin’ny toe-panahintsika izany. Harena ho lovain’ny mpino any an-danitra no ao amin’izany fanjakana izany, satria tsy an’izao tontolo izao intsony izy.
2 – Takin’i Jesoa ny mpino hiomana sy hiambina mandrakariva
Zavatra tsy maintsy ataon’ny mpino ny miomana sy miambina mandrakariva. Isika dia olona efa niova fo, isika no tompon’ny familiana, ka mahita ny lalana tokony haleha : Be ny sampanan-dalana sy ny zavatra maro mety hanenligelina. Ny Soratra Masina no mametraka ny « panneaux de signalisation » manazava ny lalana. « Aoka hisikina ny valahanareo » Fitondrantenan’ny mpanompo izany. « … sy hirehitra ny jironareo » Izany no fijoroana ho vavolombelona, fanehoana ny maha an’Andriamanitra, Ilay fahazavana izay tsy maintsy hisongadina hanala ny aizina mandrakotra ny fisainan’ ny tontolo izao eo am-piandrasana ny Tompo.
3 – Ny fitiavan’Andriamanitra mamaly soa ny mpino miandrandra Azy
Ho avy hamaly soa ny mpanompony mahatoky Izy, koa dia fifaliana ho an’ireo ny fahatongavany. Vita izay nasain’ny tompony natao, ka dia faly hanompo azy ireo indray ny tompony. Ary ianao, moa azonao antoka ve izao asanao izao ? Tsy efa naniraka anao va Andriamanitra ? (Matio 21 :28)
Fehiny : Ny andrasan’ny Tompo amintsika dia ny hialana amin’ny fanaon’izao tontolo satria ny tena sy ny asan’i Kristy no fahombiazan’ ny Filazantsara.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.