ALAHADY 17 OKTOBRA 2021
Alahady fahatelo
“MIORENA AO AMIN'NY TOMPO AMIN'NY FANASANY”
« Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. »
Matio 22:14
Alahady faha XX manaraka ny Trinité ity alahady ity, alahady fahatelo amin’ny volana oktobra izay mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanasany ». Alahady koa hitondrana am-bavaka ny MAMRE (Fikambanan’ny Masera FJKM).
Ny Diakona Rambeloson Mitsoa, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra.
Litorjia endriny fahatelo no notanterahina.
Noho ny fotoam-bavaka eny Antsonjombe, fametrahana ireo Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM amin’ny taom-piasana 2021-2025, dia niditra tamin’ny 7 ora sy sasany ny fanompoam-pivavahana teto Amparibe Famonjena.



FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika dia niaraha-namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 117 ho fiderana an’Andriamanitra.
Natao ny hira FFPM 18: 1-2-4 “Ny feonay rehetra izao” taorian’izany ary nanao ny vavaka fiderana ny mpitarika.
Feon-javamaneno fohy no nanohizana ny vavaka.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Ny mpampianatra ao amin’ny K8, Randrianarisoa Ravelonandrianina, no nanatanteraka izany.
Ny Tenin’Andriamanitra noraisiny hitondrany tantara sy hafatra dia tao amin’ny Salamo 119:37a ka niaraha-namaky: « Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana ».
Tantara: Handeha hianatra Sekoly Alahady ireto mpirahalahy zoky sy zandry. Betsaka ny zavatra teny an-dalana mety nandrebireby nahasarika azy mirahalahy (fikoranana, laolao baolina…), saingy nanohy ny lalany foana izy ireo. Efa akaikikaiky ny ho tonga dia nisy namana niantso hoe: hijery film vetivety fotsiny. Ilay zandriny nandeha nanohy, fa ilay zokiny nijanona, variana.
Hafatra: Ny maso dia fitaovana ampiasain’ny satana hamiliana antsika koa tandremo. Naverina novakiana ilay andinin-tSoratra Masina « Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana ».
Nitsangana ny mpikambana Sampana Sekoly Alahady ary nanao ny hira FFPM 809: 4 “Jesoa ô, ampianaro izahay”. Nofaranana tamin’ny vavaka ny fotoana.




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Natao avy hatrany ny hira FFPM 240: 1, 2: “Alahady andro tsara” mialoha ny vakiteny.
Razafindrakoto Voahangy, no nivavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina ary Rakoto Hajaniaina Ginot no namaky misesy ny perikopa voalahatra. Samy Diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana ireo tompon’anjara ireo.
Ny perikopa: Isaia 56: 6 – 8; Matio 22: 1- 14; Apokalypsy 5: 6 – 10.
Natao ny hira FFPM 268: 1-2: “Jesosy no Mpiandry”, mialoha ny toriteny.
TORITENY
Ny Matio 22:1-14 no Teny sy hafatra nentin’ny Mpitandrina.
Nampahatsiahy ny lohahevitra banjinina izy: « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanasany ».
Raha ampifandraisina ireo, hoy izy, dia hita ny fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ny hoe: avy aiza ny fahefana sy fanatanterahana fahagagana.
Raha miresaka momba ny fanasana dia io no fanehoana ny Fanasan’ny Tompo atao rehefa alahady voalohany, alahady Fandraisana.
Ny Fanasan’ny Tompo dia sakramenta. Ny atao hoe sakramenta dia misy baiko mivantana avy amin’ny Tompo: Atao izao ho fahatsiarovana; ary misy marika: ny mofo sy ny divay (divay voadio). Io sakramenta io dia sakafom-panahy, sakafom-piainan’ny kristiana.
Eo no hilazana fa izany fanasana izany dia raisintsika ety fa ny tena izy dia rehefa tonga ny Tompo. Ny firaisana latabatra amin’ny Tompo dia manamafy sy mampitohy ny firaisana lalina amin’ny Tompo. Izay maharira hatramin’ny farany no hovonjena.
Mila faharetana ny fiarahana amin’ny Tompo. Ny satana dia tsy mamela ny olona hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ka manao izay mahalavo ny olon’Andrimanitra. Koa izany no hitaizana antsika amin’ny Fanasan’ny Tompo.
Lahitokan’ny Mpanjaka io hampaka-bady io. Noho izany, dia olona voafantina ny olona omena fanasana, olona mendrika. Kanjo sendra ireo izay misetratsetra sy tsy miraharaha no nasaina ka tsy nisy tonga ary dia nantsoina daholo ny olona rehetra tsy ankanavaka na ny ratsy na ny tsara.
Sarotra ny mahafantatra ny fihevitr’Andriamanitra. Ny fihevitr’Andriamanitra dia efa hatramin’izay ka ho mandrakizay. Misy efa voatendry nefa tsy tafiditra ary misy tsy voatendry nefa tafiditra. Fa nahoana?



Andriamanitra efa manendry mialoha ny olona ao anaty Fanjakany. Izy mandinika ny voa sy ny fo. Fantany daholo ny momba ny rehetra.
Jeremia mbola tsy tonga teto an-tany dia Andriamanitra efa nifidy azy ho mpaminany. Efa tao aminy hatramin’izay ary ho ao aminy mandrakizay.
Nisy lehilahy ratsy fiakanjo tonga nanatrika ny fotoana fampakaram-bady. Ahoana no nahatonga azy teo? Misy fombafomba arahina rehefa hiditra. Ampiakanjoana raha tsy manao ny fanamiana tokony ho izy. Nahagaga anefa ilay lehilahy tafiditra nefa tsy niakanjo fanao amin’ny fampakaram-bady. Tafiditra antsokosoko ve izany? Maniratsira izany io lehilahy io, tsy mankatoa, manao tsinontsinona ny fampakaram-badin’ny zanaky ny Mpanjaka.
Mampitodika antsika ny amin’ny Fanasan’ny Tompo izany. Andriamanitra no manasa, miantso. Koa mendrika ve isika? Mila manana fahamendrehana ny amin’izany raha tsy izany dia mihinana sy misotro amin’ny fanamelohana.
Aza manao tsinontsinona fa miomana tena, fo, saina, fanahy ao anatin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo fa mbola hiaina ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra
« Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. »
Manana fahamendrehana
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.
Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny.



VAVAKA FIFONANA
Nisaotra ny mpitarika noho ny Teny mba hanitsy sy nampianatra ny amin’ny Firaisana Latabatra amin’ny Tompo. Mba samy hanana fandinihan-tena ka amin’ny fo sy fanahy mendrika no hanatanterahina izany, fa tsy amin’ny fitafy ihany.
Mangataka ny famindram-pon’Andriamanatra ny amin’izay tsy tanteraka ka omeny ny Fanahy Masina hiasa hanoro lalana mba ho mendrika hitondra ny Anarany masina.
Natao ny hira FFPM 408:1-2: “Jehovah, Ray mahari-po”.
TENY FAMELAN-KELOKA
1 Petera 1:18-19 « Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana, fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina ; »
Jeremia 33:8 « Ary hodioviko ho afaka amin’ ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko. »
Jer 31:3b « Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. »
Rehefa avy nandray ny Teny famelan-keloka dia natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 642:1-2: “Hitako izao, sakaiza tsara”, avy eo dia niaraha-nanonona ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo. Narahina feonjavamaneno fohy izany.




VAOVAOM-PIANGONANA
« Amparibe Famonjena : Mahatahiry ny finoana, Mifankatia, Miasa amin’ny fahazotoana »
Ny Mpitantsoratry ny Fiangonana, Razafimaharo Mamy, no nilaza ny raharaha.
« Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany » (1 Korintiana 3:17b)
Ireto manaraka ireto ny vaovao vitsivitsy ilaina fantarina:
Avy any ivelany
Foibe Aumônerie: Fihaonambe 24-27oktobra any Antsirabe
FFP: nivoaka ny boky tari-dalana mikasika ny “Franc-maçonnerie” sy ny “homosexualité”.
Anatiny
18-24 oktobra: Herinandrom-bokatry ny Sampana Fifohazana
24 oktobra: Fanombohana ny fianarana vaovao (Sekoly alahady)
24 oktobra: Seho “Diampenin’i Rado” Fankalazana ny faha 160 taonan’ny Fiangonana
30 oktobra: Kaonseritra « Ny Aim-panahy & Ny Kanto » Fankalazana ny faha 30 taonan’ny SMZM
29 oktobra-1 novambra: Fitsidihana ny Toeram-Panomanana Mpitandrina any Fianarantsoa.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Mpitantsoratry ny vola, Andriamasiniro Tantely, no namaky ireo voady sy raki-pisaorana.
“Mialoka Aminao” no hira nangatahina. Fangataham-pitahiana sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny nanaovana Batisa no voady.
Ny Vaomieran’ny Fifandraisana no tompon’anjara tamin’ny fanantazana ny rakitra.
Ny hira FFPM 445: 3: “He! manolo-tena aho” no hira vavaka natao teo am-pitsanganana ho fanavaozana ny fanoloran-tena sy fanolorana ny rakitra. Nofaranana tamin’ny “Amena”.

ASA VAVOLOMBELONA
Niroso avy hatrany tamin’ny Asa Vavolombelona (Batisa). Ny hira FFPM 808:1 “Eo an-tratranao Jesosy” no natao mandritra ny niakaran’ireo olona teny amin’ny alitara.
BATISA: ny zaza Randrianisa David Rhayan
BATISA: ny tanora: Razafimbololona Cassmira Angénie
Nanao ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana (STK)
VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Misaotra an’Andriamanitra fa tanteraka ny fanompoam-pivavahana ary afaka nandray ny hafatra. Nangataka fitahiana ho an’ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana, ny Fitandremana, ny Rafitra. Nivavaka ho an’ny kristiana rehetra, ny zanaka ampielezana; homba sy hijery azy ireo ny Tompo ka hampaharitra azy amin’ny finoana.
Nivavaka ho an’ny hetsika rehetra amin’ny fankalazana ataon’ireo Rafitra sy ny Fiangonana. Ho tomombana sy ho vita soa avokoa anie.
Nivavaka koa ho an’ny Fanompoam-pivavahana hatao eny Antsonjombe, fotoana fametrahana araka ny fomban’ny Fiangonana ny Filoha FJKM sy Mpiandraikitra Foibe voafidy, ireo mpanatanteraka rehetra voafidy.
Nahatsiaro am-bavaka ny MAMRE, tena ho manoka-tena ho an’ny Kristy ireo amin’ny fanatanterahany ny Asan’ny Tompo. Nahatsiaro am-bavaka koa an’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo mba hanana fiainana tahaka ny olona rehetra. Ho foana ny mosary misy any. Ho levona anie ity arentin-dratsy corona virus ity.
Nivavaka ho an’ny marary, ny mana-manjo, ny manana hataka manokana mba hahazo valim-bavaka. Nivavaka ho an’ireo nanao Rakipisaorana
Nangataka famelankeloka, nitaraina ary nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, niaraha-notononina, izao vavaka fangatahana izao.
Ary nisy feon-javamena fohy.
FAMARANANA NY FOTOANA
Natao ny hira FFPM 731: 1 “Enga anie ka homba anao Jesoa!” ary novakiana ny tondrozotra 2021.
Natolotra ny tsodrano.
Natao ny hira FFPM FFPM 175: 6: “Mitomoera aty”. Nofaranana tamin’ny Amena nohiraina sy vavaka mangina izany.
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Amena.
IREO TOMPON’ANJARA
Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kanto
Nikirakira ny fanamafisam-peo: Rabemananoro Jonathan
Naka ny sary : Randriamampianina Faneva
Nitendry ny orga: Rajaofetra Philippe – Rajaofetra John
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy