Tsy mampanenina ny manao skoto. Ny fanabeazana izay ataon’ny mpiandraikitra dia asa masina sy miavaka hijerena ny maha-izy azy ny tsirairay, manomana ny hoavy, hanompo an’Andriamanitra hiasa ho an’ny tanindrazana, ny hahatonga ho vavona eo anivon’ny fiarahamonina : fanahy, vatana, saina, fa mbola misy ny fihetsehampo (miomàna mandrakariva amin’ny fahadisoam-panantenana). Tsy mora ny fanabeazana fa isaorana Andriamanitra nampisy ny mpanazava sy tily eo amin’ny Fiangonana, soatoviana skoto mihitsy ny fanajana. Pasteur Ramino Paul dia nilomano tamin’izany skotisma izany, ataovy ho zava-dehibe izany fanabeazana izany, ianao no toy izany dia ny fanabeazana noho izany aza atao tsinontsinona izany, ampanadrosoy ny SAMPATI ho fampandrosoana ny Fiangonana sy ny firenena;
Ho avy ny Tompo : mahereza, handresy ianao, mifalia, ataovy ho zava-dehibe ny fanabeazana.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena!
Nisy feon-javamaneno narahin’ny hiran’ny Sampana Tanora Kristiana. Rehefa izay dia niroso tamin’ny vavaka fangataham-pitahiana ny efa niomana tamin’izany.