Alahady 17 janoary 2021
Fanompoam-pivavahana itondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM ANDRIAMAHAZOSOA Irako Ammi, Mpitandrina sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2021.

Fanombohana ny fotoana
Vavaka fiderana
ndriamanitra ô, midera sy misaotra ary mankalaza Anao izahay. Fifaliana ho anay ny fahatanterahan’izao fotoana izao. Manatre anay ry Tompo. Avaozy izahay amin’ny fanatonana Anao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.
Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra: Eksodosy 20 : 2-17
Hira FFPM 241: 2,3
Vavaka fifonana
Filazan-draharaha
-Nolazaina ireo fihaonam-be amin’ity taona ity
-Nambara fa hotanterahina any Sambava ny 11 aogositra ka hatramin’ny 18 aogositra ny Synôda lehibe.
-Nisaorana ny Fitondram-panjakana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra noho ny fanomezan-dalana sy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana.
-Nisaorana ireo nifanome tanana tamin’ny fanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
-Nisaorana ihany koa ireo rehetra izay nanotrona ny fotoana ; ny solontena avy amin’ny Fitondram-panjakana, ny solontena avy amin’ny FFKM ary ny mpino rehetra izay tonga maro.
-Nisaorana ihany koa ireo haino aman-jery sy mpikirakira tambazotran-tserasera sy tranokala ary fifandraisan-davitra izay mampita ny fanompoam-pivavahana.
-Notononina ireo Fitandremana nahatontosa ny adidiny.




Rakitra
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra & Fotoana ho an’ny ankizy
Hira FFPM 788: 1, 2
Vavaka: Tompo ô, mampianatra anay ny sitraponao Ianao. Mitenena Tompo ô fa mihaino izahay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.
Hafatra : ny Lioka 8 : 17 no nangalana izany : “Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.”
Tantara fohy: Nisy mpifankatia nividy pizza, rehefa natolotra azy ireo ilay pizza dia vola azon’ilay mpivarotra nandritra ny tontolo andro no tao anaty baoritra fa tsy pizza. Niverina izy roa ka nomeny ilay mpivarotra ilay baoritra sy volabe tao anatiny. Faly ilay mpivarotra, ary ho fankasitrahany ny fihetsik’izy roa dia notolorany pizza iray fanampiny izy ireo.
Nangataka azy roa mba hijoro vavolombelona eny amin’ny haino aman-jery ilay mpivarotra. Tsy nanaiky izy roa. Teo vao fantatra fa hay izy ireto samy efa vadin’olona ary izany no antony tsy nanekeny hangalana mpanao gazety.
Aoka isika hanao ny marina hatrany satria hitan’Andriamanitra avokoa izay ataontsika.
Vavaka: Misaotra Tompo ô fa mbola mampianatra anay Ianao. Indreto izahay vonona hijoro tsara na aiza na aiza toerana misy anay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.
Hira: FFPM 207: 1,2
Vavaka mialoha ny vakiteny




toriteny
Vavaka setrin’ny toriteny
Asa vavolombelona




Vavaka
HAFATRA

famaranana ny fotoana
amindrà fo aminay ry Tompo, mangataka Aminao izahay mba hanafoananao ny loza misy eto aminay toy ny valanaretina sy ny mosary. Androtsahy ranonorana sahaza azy ry Tompo ity firenena ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amen
Natao ny hira: Mijoroa ; FF 9 ary natolotra ny Tsodrano.
reo tompon’anjara :
Nitarika ny fotoana: ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina (Filoha mpanampy Mpitandrina Birao Mpiandraikitra Foibe na BMF)
Nitory ny Teny: ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina (Mpanolotsaina BMF))
Nilaza ny raharaha: RADIMISON Jonah, Mpitandrina, Sekretera Jeneraly
Namaky ny Teny:
-Testamenta taloha: RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina (TDF)
-Filazantsara: RAKOTONDRANAIVO Domoina (TDS)
– Apokalypsy: VELOSOA Andry Nirina (TDMV)
Nanao tatitra an-tsoratra : ZANAHARITSIMBA Toky
Raki-tsary : Facebook