ALAHADY 16 OKTOBRA 2022 “HAVAOZY NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA”
ALAHADY FAHA XVIII MANARAKA NY TRINITE – ALAHADY ITONDRANA AMIM-BAVAKA NY MASERA MAMRE FJKM – ALAHADY IVOM-BOKATRY NY SAMPANA MPIANGALY ZAVA-MANENO (SMZM)
“ Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia. ” Salamo 150 :6
Ny SMZM no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Fotoana miavaka nanasan’ny Sampana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany Fitaizana any Tangaina (AKAFITA) izay manana antoko mpihira ka nandray anjara hira.
Alahady ahatsiarovana amim-bavaka ny MAMRE na ny Masera protestanta eto amin’ny sahan’ny FJKM
Alahady mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe : “Havaozy ny fanompoan’ny Fiangonana”.
Randriamasimanana Hanta, Diakona, sady mpikambana ao amin’ny SMZM no nitarika ny fotoana. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no narahina.



FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Taorian’ny feon-javamaneno, dia nanao ny Fiarahabana apostolika ny mpitarika ary nanolotra ny Teny Fiderana sy Fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny famakiana ny Salamo 150 :1-6 : “Haleloia, miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny. Miderà Azy noho ny asany lehibe. Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny. Miderà Azy amin’ny fitsofana anjomara. Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin’ny amponga tapaka sy ny dihy. Miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno. Miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofon’aina samy hiera an’i Jehovah. Haleloia.» ” Amena !
Natao ny hira FFPM 539 :1, 4 “Faly dia faly” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra.
VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Izao no vavaka nentin’ny Fiangonana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra :
« Midera Anao izao rehetra izao Andriamanitra Ray. Midera Anao ny olonao, midera Anao amin’ny feonay izahay. Midera Anao amin’ny fo sy fanahinay. Eny, midera Anao amin’ny zavamaneno tendrenay. Fa tsara Ianao ary lehibe sy mahagaga indrindra ny fitiavanao anay. Fa z’inona moa izahay no mba nantsoinao hanana anjara amin’ny fanompoana sy fiderana Anao toy izao? Misaotra noho izao Alahady ivom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno izao ka nahafahanay manana anjara manokana amin’ny fanompoana Anao. Hifonanay izay rehetra vitanay tsy nankasitrahanao. Mamindrà fo aminay. Mibebaka Aminao izahay ankehitriny, mandohalika am-panahy eto anatrehanao, koa dia mba raiso re izao fifonanay izao ary havaozy ny toe-po amam-panahinay, ahitsio ny fomba fisainanay sy ny fijerinay hifanojo amin’ny Anao, ka mba ho fomba fijery tsara sy vaovao araka ny sitraponao indray no hoentinay manatanteraka ny fanompoana Anao manomboka anio. Koa dia mitariha ary manatreha izao fanompom-pivavahana tanterahinay izao. Ho voninahitrao Irery ihany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zoky Malalanay». Amena !




FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rambeloson Mitsoa, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 9 no nanatanteraka ny fotoana.Taorian’ny vavaka, ny Teny araka ny Deotoronomia 6 : 18a « Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’i Jehovah » no nentina nisintonana ny fampianarana sy ny fametrahana ny fanontaniana ary nanomezana safidy ny valiny izay tokony hatao sy harahana. Fanontaniana efatra (4) no naroso :
Fanontaniana efatra (4) no naroso :
- Inona no lazain’ny Soratra Masina ?
- Ary ataovy
- Ary tsy aza ataovy
2– Inona no asaina hatao ?
- Izay mahitsy sady tsara
- Izay fanao ratsy
- Ahoana izany hoe « mahitsy sady tsara » ?
- Izay sitrapoko rehetra
- Izay voalazan’ny Baiboly
- Ny hoe « imason’i Jehovah » dia hoe :
- Izay hevitry ny olona no zava-dehibe
- Izay hevitr’Andriamanitra no zava-dehibe
Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady namerina ny andinin-tSoratra Masina, ary ny vavaka izay notononin’ny mpitarika manao hoe : « Tompo ô, misaotra Anao izahay fa nampahatsiahy Ianao androany ny tokony hanaovanay izay mahitsy sady tsara araka ny fihevitrao fa tsy ny fihevitry ny olona. Ataovy mazoto mianatra ny sitraponao izahay. Izay hitanay ao amin’ny Baiboly ihany. Amin’ny Anaranao Jesoa kristy. Amena. »
Notanterahina ny HF 1 :1 “Fantatrao izao ” mialoha ny vavaka sy ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Rakotomalala Harizo, Diakona, mpikambana SMZM, no nitari-bavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
Ny perikopa voalahatra hovakiana androany : Malakia 3 : 13-24 ; Lioka 2 : 36-38 ; Romana 7 : 5-13.
Raharijaona Nantenaina no namaky ny Testamenta Taloha, ary Randrianonimandimby Lanto sy Rakotondramboa Hanitra, samy Diakona ireo, no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny hira FFPM 226 “Tompo o ! mba te hihaona” no niarahan’ny Fiangonana niredona mialoha ny toriteny.




TORITENY
Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Lioka 2 :32-38 no nisintonan’ny Mpitandrina ny hafatra sy nanaovana ny fampianarana ho an’ny mpianakavin’ ny finoana. Toriteny amim-peon-kira no natao.
Vehivavy antitra iray no noresahina eto mba ho hitan’ny rehetra, ary ho tahafin’ny rehetra ihany koa. 7 taona no nanambady, 84 taona izy no tokantena. Raha raisina hoe 20 taona izy no nanambady dia eo amin’ny 111 taona eo ho eo izany ity ramatoa ity. Amin’io taonany io izy no nandeha nankao an-tempoly. Tahaka ny zanak’Israely io ramatoa satria dia dia niandry ny teny fikasan’Andriamanitra dia ny fanavotana izany firenena izany.
Inona no nataon’ilay ramatoa ? Zavatra roa no aseho eto angalantsika ny hafatra.
Ny fananany fiharetana sy faharetana izy ary nampantajaka ny finoana ny faharetana.
Nanana faharetana izy
Nivavaka sy nifady hanina io ramatoa io. Tsy nitsahatra niantso an’Andriamanitra izy ary nanao ihany koa ny fifadiankanina andro aman’alina mihitsy. Matoky izy ilay efa nampanantena azy dia ilay fanavotana.
Nanao ny hira voalohany ny Smzm « Rindram-peo, noforonin’i Noël Rakotoarivony ». Nasain’ny mpitandrina ny mpiakavin’ny finoana mba samy handinitena ny amin’izany fiharetana nataon’ity mpanompony ity izany raha mahavita manao toy izany ihany koa.
Hianao ve, mahatsiaro nanana teny fikasana efa nomen’ny Tompo anao ? Raha mahatsiaro tsy manana izany hianao dia mangataha hoy ny mpitandrina ahafahanao manana izany faharetana izany ihany koa.
Nanao ny anjara hira faharoa ny Smzm « Antsan-kira » na Antsam-peo. Ny « Antsa » dia fanaovana hira rehefa hidera an’Andriamanitra raha avy niady ka nahazo fandresena. Raha manao ny mozika « Antsa » izany izy izy ireo dia tokony mahatsapa hianao fa ady ity fiainana ity, hianao nefa olon’ny fandresana, dia misy Antsam-peo ataon’ny olona ho anao mba hihobiana ilay Jesoa Kristy izay efa nandresy ny fahavalo farany dia ny fahafatesana.
Nangataka tamin’ny mpianakavin’ny finoana ny mpitandrina mba samy hisaina fa raha ny teny fikasana izay nomen’ny Tompo no ivoahana mpandresy dia ahatsiaro tena ho afaka sy voavonjy tokoa.
Nampatanjaka ny finoana ny faharetana
Ana, raha niditra tao an-tempoly dia nampahery ireo namany mba hanana izany tena fikasana izany.
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny kosa dia avy amin’i Kristy. Ity mpaminany vavy ity, noho ny finoana izay nananany dia niaritra ary izany teny fikasana izany dia nampatnjaka tokoa ny finoany.
Nanao ny hira « Finoana » indray ny Smzm manaraka izany. Nofaran’ny ny mpitandrina tamin’ny vavaka izany hafatra izany.




VAVAKA FIFONANA
Taorian’ny feon-javamaneno nataon’ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno, dia natao ny vavaka fifonana sy ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra:
« Ray o, henonay teo ny Teny manambara ny sitraponao taminay. Ampianaro izahay hahay hitandrina ny teninao sy hankamamy ary hitahiry izany ao am-ponay, mba ho amin’ny fifaliana sy fahasambarana no hiainanay ny Teny, izay notorian’ny mpanomponao taminay teo. Hifonanay hatrany ny tsy fahaizany manatanteraka ny Teny fikasana avy Aminao
Hifonanay ny fahalemenay ka nanalaviranay Anao noho ny fahotana vitanay. Fa Ianao kosa ilay Tompon’ny hery sy fahefana rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra, Ianao ilay mahay mamantatra ny voa sy ny fo no irinay indrindra hamela heloka anay ka handrakitra ao anatinay tsirairay avy izay sitrakao ho anjara vatsim-panahinay, araka izay tokony ho anay anio. Dia hiasa amin-kery aminay ny teninao, hamolavola anay, hanavao indray ka dia hitafy toe-po amam-panahy vaovao izahay manomboka eto ary hihavao ihany koa amin’ny fanompoana Anao. Misaotra Ray noho ny amin’ny sitraponao izay nampahafantarinao anay indray. Misaotra noho ny amin’ny famelan-keloka atolotrao anay. Koa dia tefeo izahay ho tonga olo-mendrika Anao. Amin’ny anaran’i Jesoa ilay nisolo heloka anay. Amen ».
Niarahan’ny Fiangonana nohiraina taorian’ny vavaka ny FF 39 :1 « Faniriako ».



TENY FAMELAN-KELOKA
Taorian’ny famakiana ny andinin-tSoratra Masina Ezekiela 36 :25-27 : « Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio ; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy ». Amena
Nohiraina ny hira FFPM 37 :2 « Mihainoa ry Ziona, o ! » ary novakiana ny Fanekem-pinoana apostolika laharana fahatelo.
TATITRA SAMPANA MPIANGALY ZAVA-MANENO
Raboanarijesy Liantsoa no nanao ny tatitry ny sampana.
« Miderà Azy amin’ny zavamaneno tendrena sy ny sodina » Salamo 150 : 4b.
Toy izao ireo teboka nasongadiny tamin’izany :
- Lafiny fiainan’ny sampana
- Lafiny aim-panahy sy fitendrena
- Lafiny asa vavolombelona
- Lafiny teknika sy fananan’ny sampana
- Lafiny fifandraisana sy asa iombonana eto anivon’ny Fiangonana
- Asa ivelan’ny Fiangonana
- Herinandrom-bokatra
Taorian’ny tatitra dia nanao ny anjara feon-kira « Grand Final » ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno.




RAHARAHAM-PIANGONANA
Rakotomanana Andrimbazotiana, Sekreteram-piangonana, no nanatanteraka izany. Ny Tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Malakia 3 :18 :“Ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” no nanombohana izany.
Alahady natokana ho an’ny Masera FJKM MAMRE androany. Mamre dia tanàna iray, araka ny Genesisy 18, nisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Saraha. Efa nijoro nandritra ny 26 taona ny Masera MAMRE teto anivon’ny FJKM. Fikambanana roa no ahitantsika ny Masera FJKM dia eny Ambavahadimitafo sy eny Sabotsy Namehana.
Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:
Raharaha ivelany :
-FJKM-Radio Fahazavana : Fanasana noho ny Jobily fisotroan-drononon’ ny Mpitandrina Randrianarivo Njaka Michel mivady : FJKM AvaratrAndohalo, sabotsy 22 oktobra 2022, 8ora30.
– Seminera Ambatobevanja : Fanasana Jobily fisotroan-dronono sy faha 25 taona maha Mpiasa iombonana an’Andriamose Lisiarisoa Veromalala, Mpitandrina : sabotsy 22 oktobra 2022, 9ora30 ao amin’ny FJKM Ankadifotsy.
-Synodamparitany Antananarivo Andrefana
FJKM Besaiky Fitahiana, Fiangonana miara-mandroso amin’ny FJKM Amparibe Famonjena eto anivon’ny SPAA I. Manasa antsika Fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 130 taonan’ny Fitandremana ny alakamisy 20 oktobra 2022, 9 ora 30mn. Hisy ny fandaminana ka solontena 1 isaky ny rafitra ihany no handeha hiaraka amin’ny Biraompiangonana amin’io fotoana io. Fiaingana : Amparibe amin’ny 7ora30 maraina.
Raharaha eto an-toerana
– 17- 23 oktobra : Herinandrombokatry ny SAFIF
– Sabotsy 22 oktobra : Fiofanan’ny Tomponandraikitra rehetra
– Alahady 23 oktobra : Fivoriana ankatoky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Haseho miaraka amin’ny ray aman-dreniny ireo katekomena horaisina amin’ny volana novambra.
-Dorkasy : Fanompoam-pivavahana sabotsy 22 oktobra 2022 amin’ny 9ora 30 ao amin’ny FJKM Ankadifotsy: Jobily fisotroan-dronono sy faha 25 taona maha mpiasa iombonanana an’Andriamose Veromalala, Mpitandrina.
– Sampana Fifohazana : Fandaharana herinandrom-bokatra : Alatsinainy miaraka amin’ny AFF: “Filazantsara manafaka ny olona rehetra” ; Talata 18 – alakamisy 20 oktobra : Fitoriana Filazantsara mitety tokantrano eto Amparibe miaraka amin’ny Mpianatra Soratra Masina ; Zoma 21 oktobra : fanompoam-pivavahana hariva ; Alahady 23 oktobra 2022 : Ivony, fanompoam-pivavahana arahina Asa sy Fampaherezana.
-Vaomieran’ny Vola : Miantso ny Rafitra rehetra : Sampana sy SampanAsa, Vaomiera, Komity ary Fikambanana, handefa ny Fiche Technique ahitàna ireo Programan’asa sy Asa mifanaraka amin’ny Tondrozotra 2023 izay efa nankatoavin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Ny alahady 30 oktobra no farany handraisana izany. Vina 2023 : Amparibe Famonjena, Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana.



RAKITRA SY FANOMEZANA
Andriamasinoro Tantely, Biraom-piangonana, no namaky ny voady sy raki-pisaorana. Nandray anjara tao anatin’ny hira voady ny AKAFITA.
Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena, dia noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka fanolorana ny rakitra FFPM 432:2 “ Mandra-piavin’ny Tompo, mivavaha ”.
Nanao ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana (STK).
Nanao ny vavaka fangataham-pitahiana ny Mpitandrina Raharijaona Solofo ary nofaranana tamin’ny vavaka « Rainay izay any an-danitra » izany
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny hira faneva faha 30 taonan’ny FJKM, FF 1 :1 “ Mitsangana ianao ry mino”.
Notononina ny Tondrozotra 2022. Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano ary noredonina ny hira FFPM 753 :1 « Tiako ny hiaraka Aminao, Jesoa ». Narahina vavaka mangina sy ny fanononana ny Trinite masina izany ary feon-javamaneno.







IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy Rajaofetra Anthonio ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno
Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tiana
Naka sary : Rakotoarisoa Falimandimby
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly