Atoa ANDRIANARIVO JAOSOA no nanatanteraka izany ka ny teny ao amin’ny Romana 6: 23b izay teny filamatra rahateo ho an’ity rafitra ity no nentiny niarahaba ny mpiakavan’ny finoana.
Teo ny asa anatiny izay nahitana ny famoahana ny lahatsoratra tamin’ny gazety TAFA nanehoana ireo fanomezam-pahasoavana tamin’ny mpianakavin’ny finoana. Santionany tamin’izany ny lahatsoratra mikasika ny fambolena ara-natoraly, ny fahasalaman’ny biby fiompy, ny fikojana ny fiara, ny hira sy ny fahasalamana , ne vehivavy sambatra sady ambinina ets… Teo ny fandraisana anjara tamin’ny alim-bavaka paska, ny fotoana’ny fetin’ny ray sy ny fetin’ny reny ary ny fandraisana anjara tamin’ireo famangian’ny Fiangonana. Teo amin’ny asa ivelany dia voamarika manokana ny famangiana sy ny fanampiana ny TPM any Manditsara, teo ny asa fanatsarana ny sekoly FJKM teny Ambohidratrimo. Ny fanaovana ny Tafika masina niarahana amin’ny AFF, ny famangiana ny toby eny Tangaina. Misy ny asa miandry toy ny “mise à jour base de données” ny listry ny mpianakavin’ny finoana manana ny fanomezam-pahasoavana.
Nanatanteraka ny herinandrom-bokatra, ny rafitra tamin’ity herinandro ity androany alahady no ivon’izany. Nisy moa ny famelabelaran-kevitra notanterahina nandriatra iny herinandro iny ka singanina amin’izany ireto lohahevitra ireto : “Mankalazà an’Andriamanitra noho ny fanomezam-pahasoavana nomeny” , “ Ny tokatrano vanona sy sambatra”, “ ny mpivady Mankato”
Taorian’ny tatitra dia nataon’ny mpikambana VMFP ,ny hira faneva : “FANOMEZAM-PAHASOAVANA” ary dia niroso tamin’ny raharahan’ny fiangonana, ny mpianakavin’ny Finoana.