Ny fotoana faharoa tamin’ny 10 ora no tanterina amintsika izao. Razarasoa Josie (SIHOTSY Tabia) no nitarika ny fotoana. Razafiarisoa Tiana, Mpitandrina no nitondra ny hafatry ny Tompo. Rasoanarivo Koloina no nitari-bavaka sy nanao ny vakiteny ao amin’ny Testamenta Taloha. Rakotomavo Mirana sy Radimimanana Rivo Itokiana (FILOALA Milefitra) no nanohy ny vakiteny tao amin’ny Testamenta vaovao.
Ny Matio 20:29-34 no tenin’Andriamanitra nangalana ny toriteny. Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no nanatanterahina izao fanompoam-pivavahana izao.
Fotoana ivon’ny herinandrom-bokatrany SAMPATI androany alahady 15 novambra 2020. Mbola ny lohahevitra » Miandrandra famonjena ny mino » no banjinina amin’izao volana Novambra izao.