ALAHADY 15 MEY 2022 MANAVAO NY FANAHY MASINA
Alahady fahaefatra manaraka ny Paska
Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taonan’ny SAMPATI
“Hetseho mafy ny herinao” Nahoma 2: 2e “Tanteraho ny fanompoanao” 2 Timoty 4:5e
Isaorantsika ny Tompo noho ny nahafahana niombom-bavaka teto an-tranon’Andriamanitra androany. Fotoana manana ny lanjany manokana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny androany satria natokana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taona niorenan’ny Sampana Mpanazana sy Tily teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Alahady fahaefatra manaraka ny Paska anio ary mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : “ MANAVAO NY FANAHY MASINA”.
Eto amin’ny sahan’ny FJKM dia natokana hitondrana amim-bavaka ny Mpiasa iombonana eto amin’ny FJKM ity alahady ity.
Ramanana Alain na i “Gogo Misaina”, Filohan’ny Komitin’ny taom-pankalazana no nitarika ny fanompoam-pivavahana .
Ny Mpitandrina Rabemanandratrarivo Lanto, Filohan’ny SAMPATI Foibe no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.
Maro ireo vahiny tonga nanotrona izao fotoana izao. Singanina manokana tamin’izany ny mpikambana ao amin’ny Komity lehiben’ny SAMPATI eto Madagasikara, ny Foibe Tily sy Mpanazava eto Madagasikara, ny Faritra Analamanga afovoany, ny SAMPATI Foibe sy ny SAMPATI Synodamparitany ary ireo Fivondronana maro izay samy nahatonga solontena. Azonao henoina ato ny hafatra.



FANOMBOHAN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA
Ny litorjia fahatelo fampiasa eto amin’ny sahan’ny FJKM no nitondrana ny fanompoam-pivavahana.
Taorian’ny Fiarahabana apostolika nataon’ny mpitarika dia ny Soratra Masina araka izay hita ao amin’ny Salamo 105:1-5 no noraisina ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. : “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ny firenena ny asany. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.
Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany.” Amen !
Ny hira FFPM 16:1, 2 “Avia ry vazan-tany ô!” no niarahan’ny Fiangonana niredona
sy niray fo tamin’ny fiderana an’Andriamanitra.



VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA
Izao no vavaka fiderana nataon’ny Fiangonana ho fisaorana sy fiderana :
“Ry Andriamanitra Tompo sy Mpahary anay o! mivory eto an-tranonao izahay amin’ity alahady maraina ity, mankalaza Anao noho ny ivon’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny SAMPATI fivondronana faha 10A “Herin’ny Famonjena” . Miombom-po amam-panahy, hidera sy hisaotra Anao noho ny asanao mahagaga amin’ny fiainanay. Tafangona eto an-tranonao izahay noho ny antsonao. Notaominao izahay ka voataona, nosamborinao ka resinao. Sokafy ny molotray dia hanambara fiderana Anao ny vavanay. Vokiso zavatsoa ary izahay ary aoka ny Teninao izay inoanay no hameno anay satria Ianao efa niteny fa tsy hiverina foana Aminao ny Teninao raha tsy efa nahavita ny asa nanirahanao azy. Tanteraho aminay ary izany hahatonga anay handray ny fahafenoan’i Kristy. Ny Fanahinao anie hiasa mahery aty anatinay ka hahaizanay manolotra ny tenanay ho fanatitra velona, masina sy sitrak’Andriamanitra. Tohano izahay hahay hibanjina Anao ary tohano fanahy mazoto, hahitanay ny herinao sy ny voninahitrao amin’ny androm-piainanay, hahaizanay manaja Anao Andriamanitra, masina sy be voninahitra. Atreho sy hamasino izao fotoana izao ho voninahitrao irery ihany. Ny Fanahy Masina Mpanavao no hitarika anay. Amin’ny Anaranao Jesoa. Amen!”



FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY
Rafidison Hanitra, mpampianatra ao amin’ny kilasy faha 6 no nanantanteraka ny fotoana ho an’ny Sekoly Alahady.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny bokin’ny II Korintiana 3: 18 « Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. »
Araka izany, rehefa mitaratra ny fahatsaran’i Jesoa Kristy isika na mibanjina ny voninahiny dia ovaina hitovy endrika amin’Andriamanitra ka miaina amin’ny fahatsarana.
Ny teny fanalahidy mifandraika amin’ny hoe: “Amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra”, dia hoe “Hihatsara hatrany , hihatsara hatrany”.
Izao ary no fanekena hotanterahina :
“Ny fisainana => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”
“Ny fiteny => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”
“Ny fomba amam-panao => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”
“Ny fitafy => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”
“Ny toetra => Hihatsara hatrany, hihatsara hatrany”
Ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika anie ny voninahitry ny Tompo.
Mialoha ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra dia notanterahina ny hira FFPM 190:2 “Ry Jesosy, mitenena ”.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Andrianarimihamina James no nitari-bava mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
Ratsimba Soarilandy kosa no namaky ny Teny.
Ireto ny perikopa androany : Eksodosy 35: 30-35 ; Marka 1: 1-8 ; 1 Korintiana 2: 12-16.
Nohiraina ny FFPM 210:1,5 “Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao” mialoha ny hafatry ny toriteny.
TORITENY
Rehefa avy niarahaba ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny Fiarahabana apostolika ny Mpitandrina dia niarahaba manokana ny SAMPATI ao amin’ny Fivondronana faha10A, eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena sy nifidy manokana ny Teny ao amin’ny Nahoma 2:2e manao hoe “Hetseho mafy ny herinao” ho teny fanevan’izao taom-pankalazana izao.
Io teny io rahateo no nitondrana ny hafatra androany.
Nahoma dia iray tamin’ireo mpaminany teo amin’ny Israely, tamin’ny taonjato faha 7 talohan’i Jesoa Kristy. Naminany ny amin’ny handravana an’i Ninive, firenena lehibe tao anatin’ny Fanjakana asyriana, izay mpanitsakitsaka, mpandravarava, mpanao an-keriny ny firenena manodidina azy ary isan’izany ny firenen’i Joda. Fa araka ny faminanian’i Nahoma kosa dia anjaran’i Ninive indray no hopotehana sy horavana ary hofongorona tsy hisy intsony.
Ny fiandrianan’Andriamanitra manko dia tsy manaiky mihitsy fa mamaly ny fahavalony, tsy mamela azy ireo hanjaka mandrakizay eto an-tany, fa ho voafetra ihany ny hery sy fahefana ho an’ireo firenena mpanao ratsy ireo. Ny fahefana dia an’Andriamanitra ary Izy ihany no tompon’ny fandresena. Ny fahefan’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay no sady mahenika izao rehetra izao. Ny dikan’izany dia tsy misy mihitsy fahefan’olombelona na fanjakana eto ambonin’ny tany haharitra mandrakizay, fa mandalo ihany izany. Kristy aza efa nilaza fa efa nomena Azy ny fahefana rehetra ety an-tany sy any an-danitra.



Raha fintinina ny bokin’i Nahoma dia zavatra telo mifameno no ambaran’ny toko telo amin’izany. Ny toko voalohany dia manambara ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny faharatsiana sy ny fahotan’i Ninive. Ny toko faharoa dia milaza ny zavatra hiseho amin’ny handravana an’i Ninive. Ny toko fahatelo dia manazava amin’ny antsipiriany ny anton’ny handravana an’i Ninive.
Ao amin’ny toko faharoa dia mifangaro ao ny fanononana fiadanana ho an’i Joda sy ny filazana loza ho an’i Ninive.
Misy fampitandremana an’i Ninive fa hisy loza hanjo azy ary fiantsoana azy hanetsika ny hery rehetra izay hananany mba hanoherana ny fahavalo manani-bohitra.
Nampiomanina ny mponina tao Ninive hiambina sy hiaro ny tananany . Ho amin’izany indrindra ny teny araka ny Nahoma 2:2e hoe “Hetseho mafy ny herinao” izay noraisina ho hafatra.
Izany anefa raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hosarahana amin’ilay voalaza eo ambony manao hoe: “ ambeno ny manda ”, “ tazano ny lalana ”, “ hatanjaho ny valahana ” .
Ireo no paikady entina miady amin’ny fahavalo mpanani-bohitra.
Mila miakatra eo ambony manda ny mpiambina , harovana izay efa hananana , mila fandraisana andraikitra izany, mba tsy ho tampoka ny fiavian’ny mpanani-bohitra. Mila miakatra, miomana eo ambony manda ny mpiambina.
Fa hoy Kristy araka Lioka 21 and. 36 “ Miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ” . Manoloana ny fahavalo sy ny loza izay ho avy dia mila mandray andraikitra isika fa tsy mitazam-potsiny.
Ny mahafinaritra amin’ny SAMPATI dia ny fanomezana andraikitra ny ankizy sy ny zaza madinika ary ireny no lasa tomponandraikitra eo amin’ny Fiangonana sy ny firenena rehefa any aoriana.
Ny hoe “ Tazano ny làlana ” dia mila atao matanjaka ny andrimaso sy ny fitsikilovana. Aza sondrian-tory fa maro ny fahavalo.
Ny hoe “ hatanjaho ny valahana ” dia mila vonona mandrakariva, miomana ny hiady ary atao izay handresena ny fahavalo. Olona tsy voahozongozona izany.
Raha raisina kosa ilay teny hoe : “Hetseho mafy ny herinao” dia milaza izany fa mila hangonina avokoa ny hery rehetra izay efa misy. Tsy misy azo avela na hapetrapetraka fa ny rehetra no mila mandray andraikitra.
Mazotoa ary hangataho ny Fanahy Masina hahazoana manavao sy manetsika ny hery rehetra efa hananana hahafahana miatrika ny ho avy rehetra.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.
Taorian’ny toriteny dia nanantanteraka ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana.



VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“ Misaotra Ray noho ny amin’ny Teninao, fa sady fiainana ho anay izany no mamelombelona anay, ka irinay mba ho lasa fitaovana eo am-pelantananay, hivelomanay isan’andro, hoentinay manompo Anao. Ny Teninao izay notoriana teo dia manetsika mafy ny herinay mba ho vavolombelonao Jesoa Kristy, eo amin’izay rehetra halehanay. Mahatsapa izahay ankehitriny fa olona efa voantsonao, ary efa fantatrao izany. Manaiky izahay izay notendrenao, vonona izahay hanao ny asanao, ka hotanterahinay amin’ny fitiavana sy amin’ny fanetrentena izany. Voafetra tokoa ny fahefana sy izay hananana, fa Ianao no manana ny fahefana sy ny hery mandrakizay. Hanetsika ny hery anananay izahay mba hahafahanay mandresy ny sakana maro samihafa, hiambina sy hitazana ny làlana ary hanatanjaka ny valahanay.
Tsapanay anefa fa tsy tanteraka izahay, indraindray dia manao zara fa vita ny asanao, na mimonomonona izahay manantanteraka izany, koa mifona sy mangataka ny famindram-po avy Aminao.
Manaiky ny hiorona amin’ny asa tsara, mba ho vahoakan’Andriamanitra tsara fihavanana Aminao, ka hahay manome sy mifanampy, hanaisotra ny faharatsiam-panahy sy handray kosa ny fitahiana avy Aminao, fa indrindra izahay izay miaina amin’ny fahasoavanao, ka handray famonjena amin’ny finoana. Efa mahazo antoka sahady fa efa voavonjy izahay, satria efa nomenao ilay fanomezana sarobidy indrindra dia ilay Zanakao. Vonona ary izahay hiala amin’ny fahazaranay tsy mendrika ny sitraponao, fa hifandray Aminao tsy tapaka, mandra-pialanay ety. Irinay ny hifamato-piainana Aminao Jesoa, hifandray Aminao amin’ny fotoana rehetra, satria efa ato anatinay Ianao ka hiseho ho modely eo amin’ny lafim-piainanay rehetra izahay, dia hiteny tsy amim-piambahambana manao hoe : “ Hetsehiko mafy ny heriko, tanterahiko ny fanompoako ”. Amen.
Avy eo dia natao ny hira FFPM 403 “ Ry Jesoa Tompo Tsara ô! ”



TENY FAMELAN-KELOKA
Ny Teny famelan-keloka izay noraisin’ny mpianakavin’ny finoana niisa 1073 androany dia araka izay hita ao amin’ny Isaia 54:7-8; Romana 8:34 manao hoe:
“ Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao … Iza no manameloka? Kristy Jesoa no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika ”.
Natao ny hira FFPM 489:1,4 “ Tena sambatra sy maha-te ho tia ” ary nambaran’ny Fiangonana ny fanekem-pinoana laharana fahatelo.



TATITRA SAMPATI K60
Ny Lioka 12:35 “Aoka hirehitra ny jironareo” sy ny Teny Faneva hoe : “hetseho mafy ny herinao” araka ny Nahoma 2:2e no nentin’ny tompon’andraikitra, Ramananarivo Narindra Soa, niroso tamin’ny tatitry.
Toa izao ny fintinin’ny hetsika notanterahina tao anatin’ny taom-pankalazana:
- Ny alahady faha 21 novambra 2021: fotoam-panokafana ny taom-pankalazana.
- Nisy ny hetsika natokana ho fifampiarahabana noho ny nahatratrana ny taona vaovao
- Teo ny lasy sy ny fivoahana an-tsahan’ny Komity, nanaovana dinika santatra
- Nisy ny fizarana fanomezana ho an’ny kamboty teny Tangaina ary teo koa ny hetsika ara-panatanjahantena.
Ny fotoam-pivavahana androany no ivon’ny fankalazana ary tao anatin’ity herinandrom-pankalazana ity dia nisy ny konferansa, teo ny fanantanterahana ny fanompoam-pivavahana zoma hariva ary anio dia hisy ny fanekena mpiandraikitra.
Tsy nohadinoina ny sakafom-pifaliana izay niarahana tamin’ny mpianakavin’ny finoana sy ny sakaiza mpanohana ny SAMPATI rehetra.
Teo am-pamaranana dia naneho ny fisaorany ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana manontolo ary ny Fivondronana rehetra, izay nitondra tamim-bavaka sy nanampy tamin’ny fanatontosan’ny taom-pankalazana, Ramanarivo Narindra.
Taorian’ny tatitra dia nataon’ny mpikambana SAMPATI ny Hira faneva faha 60 taona “Hetseho mafy ny herinao”, izay Rakotonarivo Vatsy no namorona azy.



RAHARAHAM-PIANGONANA
Nialoha ny filazan-draharaha, dia nanonona ny Fiadanan’ny Tompo ho amin’ny Fiangonana, ny Sampana Tily sy Mpanazava ary ho an’ireo vahiny nasaina maro tonga nanotrona ny fotoam-pivavahana, ny Sekreteram-piangonana Rakotomanana Andrimbazotiana.
Toy izao no tsara ho fantatra amin’ny asan’ny Fiangonana:
- Alahady 15 mey 2022 amin’ny 2 ora tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana: fanantanterahana ny rindrankira nataon’ny Mpiasa Iombonana.
- Zoma 20 mey 2022 eny amin’ny FJKM Ambatolampy: lasy tselatra hataon’ny Dorkasy Foibe.
- Ny SPAA10 sampana Dorkasy dia hanantanteraka fifaninanana vakodrazana sy fanompoam-pivavahana ary handray anjara amin’izany ny Dorkasy avy eto Amparibe Famonjena.
- Talata 31 mey 2022, amin’ny 9 ora ao amin’ny FJKM Anosizato Hebrona: ny FDL SPAA10, dia hanantanteraka fifaninana sary famantarana sy hira faneva noho ny faha 25 taonany.
- Alahady 15 mey 2022 amin’ny 3 ora : Rindran-kira fankalazana an’Andriamanitra, ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, noho ny 20 taona niasan-dRamahaleo Zo teo amin’ny Tranomboky Antso Analakely.
- Ny Vaomiera Asa Vavolombelona dia hanomana fampianarana, fanomanana ho an’ny mpianatra hanala fanadinana CEPE , BEPC ary BACC. Koa izay liana dia antsoina ho tonga eto am-piangonana ny alarobia 18 mey 2022 amin’ny 2 ora mba handraisana ny fandaminana mahakasika izany.
Ny Biraom-piangonana Razafindrabe Bam John no nanentana ny Fiangonana ny amin’ny Vokadehibe Pentekositra. Ny volana jiona manontolo no hahafahana manantanteraka izany. Ny teny hifanentanana amin’izao dia araka ny Salamo 96:8 : “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany”.



RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Ranaivoson Jacky no solontenan’ny Fiangonana nanolotra ny voady sy raki-pisaorana.
Ny Salamo 50:23 no nentiny niarahaba ny Fiangonana.
Teo ny nisaotra an’Andriamanitra noho ny Batisan’ ny zanany; ny nisaotra an’Andriamanitra ary nangataka amin’ny Tompo ny hitohizan’ny fahasalamana ka mba hahavita ny asa fivelomana; ny nidera mandrakizay ny Tompo Izay nanavotra ny aina sy ny fananana; ny nangata-bavaka fa hanao “soutenance de fin d’étude” sy hiatrika fanadinana lehibe; ny nisaotra an’Andriamanitra fa nahazo asa; ny nangata-bavaka ho an’ireo sivy mianadahy hanantanteraka ny fanekena mpiandraikitra SAMPATI; ny nisaotra an’Andriamanitra fa nieren-doza ny fianakaviana; ny nangataka vavaka ho an’ny Komitin’ny Fankalazana faha 60 taona; ny nidera ny Tompo fa afaka fanadinana; ny fianakaviana nahazo valim-bavaka sy fitahiana.
Ireto no hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana tamin’izany: ny FFPM 20:1, FF 12:1, FFPM 549:1, FFPM 36:1, ary ny FF 18:1.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanolorana ny rakitra ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny hira vavaka FFPM 445 and. 3 “ He manolo-tena aho ”.



ASA VAVOLOMBELONA
Ireto no zanaky ny Fiangonana nandray ny sakramentan’ny Batisa :
– ny zaza Ralison Tendry Tina Mickael teraka ny 13 mey 2021 teto Antananarivo. Ireo ray aman-dreniny: Ralison Tiana Eric sy Randriamiarisoa Aina.
– ny zaza Rakotoarivelo Andriamasy Riana Annaelle teraka ny 10 aprily 2019. Ireo ray aman-dreny: Rakotoarivelo Rivo sy Ratsimbazafy Riana.
Nisy ny fanekena nataon’ny mpiandraikitra 9 mianadahy
– VONDRONA MPANAZAVA :
* Razafindravelona Fenitrinionja (Sampana Mavo)
* Randrianasolo Kantonioly Ny Avo Fiderana (Sampana Maitso)
* Rasoanarivo Ny Koloina Aicha (Sampana mena)
– VONDRONA TILY :
* Rakotomavo Mirana (Sampana Mavo)
* Rakotoarijaona Aina Tsanta (Sampana mavo)
* Ranaivo Ramahefy Radoniaina « Sianga Ranitra » (Sampana Maitso)
* Ranaivosoa Andriatsilavo « Fihiaka Mizoko » (Sampana Maitso)
* Rakotoarisoa Fanilo « Kipoy Mihongy » (Sampana Mena)
* Rabeson Rindra « Faniky Mahatoky » (Sampana Mena)
Fanolorana loka tamin’ny fifaninanana teny faneva, logo ary ny hira faneva noho ny faha 60 taonan’ny SAMPATI.
VAVAKA FANGATAHANA
Tao anatin’ny vavaka fangatahana no nisaorana an’Andriamanitra noho izao fotoana miavaka teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izao, dia ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 60 taonan’ny Sampana Tily sy Mpanazava.
Tamin’izany ihany koa no nitondrana tamim-bavaka ny Mpiasa iombonana eo amin’ny sehatry ny FJKM ary nangatahana vavaka manokana ihany koa ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra izay nanao ny voadiny sy ny raki-pisaorany teo anatrehany.
FAMARANANA NY FOTOANA
Taorian’ny vavaka fangatahana dia natao ny Fanekem-pinoana apostolika izay iraisantsika amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.
Natao ihany koa ny hira FF 2:4 “ Fantatro fa sarotra ny dia ”.
Novakiana ny Tondrozotra 2022 ary taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano.
Nofaranana tamin’ny hira FF 39 : 1, 2 “ Faniriako ” ny fanompoam-pivavahana ary natao ny vavaka mangina nofaranana tamin’ny Trinite masina.



IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno
Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira fanamafisam-peo : Rova Harentsoa
Naka sary : Andriamampianina Faneva
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery