Ny mpitandrina, mpitandrina mpiana-darahara, ny filohan’ny Sampana ROBEL Hanitra, ny filohan’ny Komity Atoa RABEMILA Mamy no nivoaka tany an-tokotany nanala ny lamba nisy ny “banderole” ary nanapaka ny “ruban” ho fanamarihana ny taom-pankalazana. Nanatontosa ny hira fanevany ny Antoko mpihira avy eo « Fitoriana Ampifaliana »
Nandray fitenenana avy eo filohan’ny Komity nanazava ny anton’ny “banderole” lehibe izay mirefy 5m x 3m ary nanao ny resaka savaranonando ny amin’ny asa miandry ho amin’ny taona ho avy. Nofaranan’ny mpitandrina tamin’ny vavaka izany.