TORITENY
Toriteny niompana tamin’ny Perikopa no nataon’ny Mpitandrina miza-draharaha RAMILISON Diamondra.
Mbola ao anatin’ny fandinihana ny “Mampiorina ny mino ny fizahan-toetra”. Midika izany hoe ny mpino dia miorina noho ny fizahan-toetra. Ny fizahan-toetra dia zavatra sarotra hampandalovin’Andriamanitra ny olona, toa an’i Joba. Ny vokatry ny fizahan-toetra dia fiorenana
Nalaina natao ohatra ny ovy sy atody. Samy hafa ireo akora ireo. Ny ovy mafy rehefa manta ary lasa malemy rehefa masaka, ny atody kosa malemy ny ao anatiny ary lasa mafy rehefa andrahoana. Toy izany ny miorina, manana hery enti-manohitra.
Maharesy fakam-panahy ny mpino miorina (Lioka 8)
Mifanatrika amin’ny Tenin’Andriamanitra (Voa nafafy). Nomena ny Tenin’Andriamanitra ny olona rehetra satria tiany ho tonga amin’ny famonjena.
Misy karazany efatra ireo namafazana ny Teny (voa), hita ao amin’ny and.14: ireo mandre ny Teny nefa mora voarebirebin’ny devoly ; ireo mandray fa tsy maharitra; ireo voageja ka tsy mahavanona ny Tenin’Andriamanitra. Isika tsy ao amin’ireo sokajy telo ireo fa isika no maharesy, ao amin’ny and 15: voa nafafy teny amin’ny tany tsara. Mandre ny Teny amin’ny fo sady tsara no marina, dia mitana azy ka mamoa amin’ny faharetana. Tsy ny fo rehetra no hitoeran’ny Teny fa ny fo nihaona tamin’ny Tompo.
Ahoana ny fontsika ankehitriny?
Ny Tenin’Andriamanitra raisinao dia tokony hitondra vokatsoa eo amin’ny fiainanao.
Ny olona maharesy fakam-panahy dia mahatahiry ny Tenin’Andriamanitra.
Miaina amin’ny fanantenana ny mpino miorina (1 Petera 1)
Ny fanantenana eto dia miorina amin’ny zavatra roa:
And.4: ny fisian’ny lova miandry
And. 6: ny fizahan-toetra.
Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fiainana izany.
Misedra fahoriana isika ankehitriny, fampahoriana koa ataon’ny hafa. Mila ho kivy isika.
Mitaona antsika ny Tenin’Andriamanitra.
Rehefa miaina amin’ny fanantenana dia feno hafaliana. Misy fiantraikany any amin’ny tsy mpino izany, hijoroana vavolombelona.
Manana fiainam-piderana ny mpino miorina (Jeremia 20)
And.13 “Mihirà ho an’ i Jehovah, miderà an’ i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin’ ny malahelo tamin’ ny tanan’ ny mpanao ratsy.” Mahagaga ny fisian’ny fiderana eto nefa tao anatin’ny fampijaliana izy. Ren’Andriamanitra anefa ny fitarainana ka niditra an-tsehatra Izy. Ny antom-piderana? Momba antsika ny Tompo (and. 11); Mahafantatra ny fahavalo ny Tompo (and. 10)
Manana fifaliana fa mino sy matoky fa hamonjy Andriamanitra. Na misedra ny mafy aza dia aza hatsahatra ny fiderana sy ny fisaorana an’Andriamanitra. Mankalaza amin’ny Teny, amin’ny hira fiderana, amin’ny fanaovana ny asa. Raha marary dia miderà, raha sahiran-tsaina dia miderà … Ny Taninketsa dia modely ho an’ny fianakaviana, ho an’ny mpiara mianatra … mitaona ny olona ho amin’ny fiderana noho ny fahaizana mihira.
Tsy hatsahatra ny fiderana fa miasa Andriamanitra hampandresy antsika mandrakariva. Reseo ny fakam-panahy, hamafiso ny fanantenana, miderà ny Tompo … Jaona 15: 16 “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa …” Teny fanevan’ny Taninketsa nandritra ny 30 taona izany.
Nofidiana ianareo, natokana: misy fanamasinana izany. Miady amin’ny fakam-panahy nefa ampaherezin’ny Tompo. Tondrozotra amin’izao taom-pankalazana izao io, fiderana an’Andriamanitra mandra-pahatonga ao amin’ilay lova mandrakizay.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.
Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny.