1- Famporisihina ny asa amin’ny fahamasinana kristianina
Araka izany dia hitantsika fa manana fahalemena ny olombelona, misy ihany koa ny tsy fahataterahana. Hita amin’izany ny kilemantsiaka. Hitantsika amin’izany ny fahotana mivaingana ny tantara ny Adama sy Eva.
Maninona no manao ny tsara kanefa ny ratsy ihany no
Misy hafatra telo no azo aseho :
• Asa amin’ny fanekena marina ny Tompo
• Meteza tarihin’ny fanahy masina
• Mahalala fa Andriamanitra no miasa ao amin’ny mino
Misy raim-pianakaviana manakarena mananjanaka roa lahy. Olona samy manahirana ireto zanany ireto.
Zoky : tsy nanaiky ny hanao ny asa, kanefa nibebaka ihany izy taty aoriana.
Zandry : tena handeha, noheverina fa tena zaza hendry, hay manana programa hafa koa.
2- Fananarana sy fanentanana hanao ny asa fanompoana amin’ny fitiavana. Matio 5:16
• Fankatoavana ny baiko izay omen’Andriamanitra
• Mahavita tanteraka amin’ny fahamarinana sy ny fahatsarana rehetra
Natao ny hira FFPM 164 “JESOSY IRERY IHANY”, taorian’ny toriteny. Taorian’ny vavaka fifonana dia noredonina ny hira FFPM 413:3-4 “RY JESOA BE FITIA”, Nohiraina ny FFPM 427 : 2 “HO VAVOLOMBELONAO” izay narahanz ny fanekem-pinoana Nikeana laharana faharoa. Nisy feon-javamaneno fohy, novakian’ny Mpitandrina mianadraharaha Ramilison Diamondra, ny hafatry ny Sampana AFF avy amin’ny foibe,