1. Ny tokony ho fiainan’ny Sekoly Alahady miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra
Ny tarigetra sy fanambin’ny sampana ho fitaomana ny olona hianatra Sekoly Alahady dia famoahana olona maha-te ho tia. Rehefa revo tanteraka tao anaty fanompoan-tsampy ny fanjakan’i Joda izay dia niezaka namerina azy mba hanana Andriamanitra hivavahana ny mpanjaka nony nahazo teny faminaniana. Taomina isika mba hatohatoky an’Andriamanitra izay ivavahantsika. Sarotra ny nitaona sy namerina ny ankizy hianatra Sekoly Alahady. 480 no ankizy nizarana loka aninkeo tamin’ny fotoam-bavaka tamin’ny 7 ora. Ny olona tsy miraviravy tanana dia :
- mino ny herin’ny Tsitoha izaymahavita ny zavatra rehetra tsy takatry ny rehetra ;
- manantena ny fitantanany izay azo antenaina ho tonga ho amin’ny fahombiazana sy fahasoavana mandrakariva, nivoaka tamin’ny fitahiana mahatetrika
- manaiky ny sitrapony : Izy no mitondra antsika ho amin’ny zavatra mampandroso hahatonga antsika tsy ho voan’ny zava-dratsy, afaka ny hakiviana sy famoizampo. Manao ahoana ny ray aman-dreny, mpampianatra, mpianatra, zanaky ny Fiangonana rehefa hiverina hanao ny asa fanompoana ?
2. Nody ventiny ny rano nantsakaina
Nahazo faherezana ny firenen’i Joda rehefa niverina tamin’ Andriamanitra ary ravoravo sy tretrika ny mpanjaka. Misy valimpitia azontsika ho amin’ny izay natao rehetra : fitahiana, fifaliana, fahombiazana. Tsy miraviravy tanana na amin’ny mora na amin’ny sarotra ka :
– tonga nisy ny fahazotoana, afaka ny nanelingelina
– tonga ny fahavononana
– tonga vanona mahate-ho tia.
Tsy ho an’ny mpianatra ihany izany fa ny mpampianatra ihany koa. Izay no anentanana ny Fiangonana hanohana sy hitondra amim-bavaka sy hampahery azy ireo. Hanaiky an’i Jesoa anie isika hitory finoana sy fanantenana ary fitiavana !
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.
Nisy feon-javamaneno fohy. Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’ Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny fanononana ny fanekem-pinoana nikeanina (Lah. II) natao teo am-pitsanganana. Nisy feon-javamaneno fohy.