ALAHADY 12 MARTSA 2023
“MAMERINA AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO”
Alahady III Karemy - Alahady nandraisan-tanana ireo natao Batisa 2008 – 2023 sy niarahana nivavaka tamin’ireo katekomena avy any Besaiky Fitahiana

« Mandehana hianao, koa dia manaova toy izany koa » Lioka 10 : 37b

Alahady natokana ho fandraisan-tanana ireo rehetra natao Batisa tao anatin’ny fotoana niasan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina teto amin’ny Fitandremana ity alahady ity. Alahady faharoa amin’ ny volana marsa ary niarahana nivavaka tamin’ireo katekomena avy amin’ny Fitandremana Besaiky Fitahiana, Fiangonana miara-mandroso amin’Amparibe Famonjena ary miray synodamparitany aminy. Ny Mpitandrina miana-draharaha Jaomisy Hery Zo Erudit no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no nitondrana izao fanompoana masina izao.

FANOMBOHAN’NY FOTOANA

Ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra dia nentin’ny Fiangonana manandratra Ilay Tsitoha ny Salamo 111 : 1 – 9 : “ Haleloia. Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho, Eo amin’ny fivorian’ny marina sy ny fiangonan-dehibe. Lehibe ny asan’i Jehovah, Ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy. Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny. Ny herin’ny asany nasehony tamin’ny olony. Tamin’ny nanomezany azy ny lovan’ny jentilisa. Ny asan’ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Manatitra fanavotana ho an’ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany. ”  Amena !

Natao ny hira FFPM 2 : 1, 2, 3 “Misaora ny Zanahary” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

« Andriamanitra Rainay ô! Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fahamasinana Ianao. Ianao Ilay tsara indrindra, koa dia atolotra Anao ny voninahitra, noho ny fitiavana izay omenao anay zanakao isan’andro. Mangataka Aminao izahay ry Tompo mba hamela heloka anay ny amin’ny tsy fahamarinanay. Mangataka ny Fanahy masina mba hitarika anay hatrany ny amin’izay lalana halehanay. Amena. ».

Nisy feonjavamaneno avy hatrany taorian’izany ary niroso tamin’ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rabenasolo Landy, Birao Sekoly Alahady, no nitondra ny fampianarana ho an’ireo ankizy sy tanora. Natombony tamin’ny vavaka izany ka nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hanazavan’ny Fanahy masina ny sina, hafahana mandray izay hafatra tiana ampitaina.

Natombony tamin’ny fametrahana fanontaniana ho an’ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady izany, ny amin’ny lohahevitra mandritra ny volana martsa. “Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo”. Avy amin’Andriamanitra ny fahamarinana ary Izy ihany no afaka mamerina amin’izany fahamarinana izany. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Matio 9: 12b « Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary » no nentiny nifampizarana.

Isika rehetra, hoy izy, dia mararin’ny fahotana avokoa, ary efa nolovaina tamin’ny Adama sy Eva izany.

Ny marary dia mila fitsaboana ary Jesoa Kristy Irery ihany no ahazoana izany.

Manana anjara lehibe amin’izany ny sampana Sekoly alahady hoy izy satria any dia efa mikatsaka izany fahamarinana izany ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny voady izay nataon’ny ray amandreny tamin’ny Batisa, ny hampiditra ny zaza ho mpianatra Sekoly alahady. Ny Sekoly alahady no hafahana manefy ny fahalalana ny Soratra masina.

Niara-nitsangana avy eo ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady ary niara-namaky indray ny Teny tao amin’ny Filazantsara araka ny Matio.

Nofaranany tamin’ny vavaka izany fizarana izany.

 Mialoha ny vavaka sy ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, nohiraina ny FFPM 190 :1, 2  « Ry Fanahy Mpanazava ».

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny perikopa voalahatra novakina androany dia ny Hosea 2 : 10-22, Lioka 10 : 25-37, Romana 5 : 15-21.

Ny Diakona Rakotoarisoa Tanteraka no nitarika ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra masina sy notohizany tamin’ny Testamenta Taloha izany. Ny namaky ny Teny tao amin’ny Testamenta Vaovao kosa dia ny Diakona Rakotoarisoa Faralahy.

Ny hira FF 22 : 2  “ Tsy mendrika ahy”  no niarahan’ny Fiangonana niredona mialoha ny toriteny.

TORITENY

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatra. Ny andinin-tSoratra masina ao amin’ny Lioka 10 : 25 – 37 no nisintonana ny dinika sy fampianarana ho an’ny mpianakavin’ ny finoana.

Nanamafy ny Mpitandrina teny am-boalohany fa amin’ny maha Karemy ny andro dia fotoana fandinihan-tena izao.

Jesoa Kristy dia naniraka 70 lahy handeha hitory, hanasitrana ary hanao izay hiverenan’ny olona amin’ny finoana marina. Rehefa vita ny asan’izy ireo dia tonga nanao ny tatitra tamin’ny Tompo, ka tao anatin’izany dia nisy mpahay lalana iray nanontany ny tokony hatao raha te handova ny Fanjakan’ny lanitra. Teo ny Tompo no nilaza ny tokony hataony. Zavatra roa no nolazain’ny Mpitandrina tamin’izany dia:

  • Mampandinika ny sitrapon’Andriamanitra, ny Tompo
  • Manitsy izay fahadisoan-kevitry ny olona Izy

 

Mampandinika ny sitrapon’Andriamanitra ny Tompo

Mpahay lalàna, hoy ny Mpitandrina no manontany ny Tompo eto. Misy teboka telo nentiny nanazava izany:

  • Taomin’i Jesoa Kristy ny olona mba hitodika amin’Andriamanitra, eny fa na dia ny mpahay lalàna aza. Misy tokoa hoy ny Mpitandrina ny mivavaka satria fahazarana fotsiny izany. Raha ho an’ny mpahay lalana dia hainy tsara ny Teny, saingy tsy fantany ny tena hevitra fonosin’izany. Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia mila mitodika amin’Andriamanitra.
  • Mila mandinika ny Soratra masina isika ka mandray ny hafatra. Izany dia mety amin’ny alalan’ny fihainoana ny toriteny, fianarana ny Teny (Setela, Sefala) ary tanterahina izay Teny re na hianarana izany

d-Mila manatanteraka izay lazain’ny Soratra masina isika

Sarotra tamin’ny olona nihaino an’i Jesoa Kristy ny nandray ireo satria izy ireo miresaka dia samy olombelona ihany. Izay no nahatonga ny Tompo nilaza hoe “Manaova toy izany koa”.

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no handraisantsika ny famonjena sy ny fanomezam-pahasoavana maimaimpoana.

 

  1. Manitsy ny fahadisoankevitra diso Izy

Fantatr’i Jesoa Kristy fa azon’ireto olona ireto ny didy izay avy amin’ny alalan’i Mosesy.

Naverin’ny Mpitandrina fa tamin’ny Jiosy, ny atao hoe namana sy havana dia ireo izay iray foko ihany. Izay ankoatra izay dia tsy fantany akory ary mety ho lasa fahavalo mihitsy aza.

Nasain’ny Tompo mitia ny namany ireo. Tsy ireo havana sy namana ihany no tokony hotiavina.

“Iza ary no tokony ho namako?” Mety manontany tena ny amin’izany isika, hoy ny Mpitandrina, mety hoe izay nahavonjy ahy tamin’ny ady sarotra, mety hoe izay olona akaiky ahy, sns.

Hoy ny Tompo, izay tia ny namany dia mandray izay mila vonjy rehetra. Tsy mizaha tavan’olona, na fiaviana na fivavahana satria sao ianao ilay voafidy hahatarika iny olona iny, hitodika amin’Andriamanitra. Ny baikon’Andriamanitra dia tokony mahafoy ny zavatra rehetra izay ilain’izay teny mila vonjy isika.

Raha niverenan’ny Mpitandrina ny bokin’ny Hosea 3 dia nilaza izy fa tsy mety ny zavatra ataon’ireo satria dia manao fanatitra amin’andriamanitra tsy izy, izy ireo.

Nofaranan’ny Mpitandrina ny hafatra tamin’ny fanentanana ny hanatanterahina ny fandoavana ny adidy eny amin’ny Foibe. Ho an’Amparibe Famonjena, dia tontosa hatrany izany. Nahafoy isika hoy ny Mpitandrina raha nanatanteraka izany.

VAVAKA FIFONANA

Natao ny vavaka fifonana sy ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra: « Ry Andriamanitra Rainay tsara indrindra ô ! Misaotra noho ny Teny izay mitondra fiainana, ho anay zanakao. Tian’ny Tompo hanana fiainana mandrakizay ianao, ka mila mifantoka, mitodika ary mandray ny hafatra. Indreto ny zanakao ry Tompo, mitoetra eo anatrehanao, handinika ny Soratra masina satria izany no mampitombo ny finoanay. Misaotra noho ny Teninao nahafahana nahalala fa izany no hahazoana ny fiainana mandrakizay, mila tia Anao, tia ny namana. Enga anie hiseho, ho fahazavana lehibe izany ka mba hitondra fitiavana ho an’ny olona rehetra izahay. Enga anie izahay hahafoy ny zavatra rehetra ho an’izay mila vonjy. Misaotra satria Fanahy masina dia mitoetra mandrakariva hahantanteraka ny asa. Amena ».

Niarahana namaky ny Fanekem-pinoana laharana faharoa.

RAHARAHAM-PIANGONANA

“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana”

Razafimaharo Mamy, Sekreteram-piangonana no nanatanteraka izany.

Ny Soratra masina ao amin’ny Matio 9 : 63  no nanombohana izany.

Toy izao no tsara hofantarina amin’ny asan’ny Fiangonana:

  • Fanompoam-pivavahana tamin’ny teny anglisy ao amin’ny FKM Ambatonakanga ny hariva teo
  • Foibe FJKM : Hikarakara hetsika ny Vaomieran’ny Hazakazaka masina ny 23 volana aprily hatramin’ny volana jona. Izany dia hahitana fanatanjahantena toy ny foot à 11, basket, volley ary pétanque. Ny 15 aprily dia hisy ny diabe izay hiainga eo Talatamaty hankany amin’ny TPM Ivato.
  • Alahadin’ny Aumônerie ny alahady 26 martsa.
  • Eo amin’ny Asa vavolombelona dia hisy ny fandraisan-tanana ireo nandray ny sakramentan’ny Batisa niaraka tamin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina.
  • Herinandrom-bokatry ny STAF io herinandro manaraka io

Notohizan’ny Mpitandrina tamin’ny hafatra samihafa izany. Natomboka tamin’ny fanamafisana ny fiarahabana ireo katekomena avy any Besaiky Fitahina izany ary niarahabana ihany koa ireo vehivavy noho ny andron’ny 8 martsa.

 RAKITRA SY FANOMEZANA

Ranaivoson Jacky, Biraom-piangonana, no namaky ny voady sy raki-pisaorana rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra masina ao amin’ny Salamo 25 : 5.

Ireo hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana : FFPM 515 : 1 « Tsara lova ry Jesoa ô» ; FF 2 :4 « He manolo-tena », FFPM 451 : 1 « Tompo ô, tsy takatry ny saiko ».

Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena, dia noredomin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka fanolorana ny rakitra FFPM 179 :4  « Tompo tia ô”, ary feon-javamaneno taorian’izay.

ASA VAVOLOMBELONA

Teo amin’ny Asa Vavolombelona no nanatanterahina ny fandraisan-tanana ireo natao Batisa rehetra nandritra ny fotoana nitandreman’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina.

Nanombohany izany ny nampitsanganany ireo olona nataon’ireo Mpitandrina teo aloha Batisa, ny Mpitandrina Andriamasinoro, Rakotoarivony Paul ary Ramino Paul. Natsangany koa ireo rehetra vita Batisa araka ny sokajin-taona nanaovam-Batisa. Farany dia natsangany ireo nataon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofo, Batisa.

Niroso ary ireto farany ka dia sady noraisin-tanana sy nomena “certificat” ary nanao ny rakitra alitara.  Taorian’izany dia tsy noferan’ny Mpitandrina ireo izay te hanao raki-pisaorana teny amin’ny alitara noho ny fahatsiarovana ny fahasoavana Batisa natao taminy.

Raha ny fahitana azy dia niroso avokoa ireo mpianakavin’ny finoana tonga nivavaka nanatanteraka fanatitra.

Nanao hira ny zanaky ny Mpitandrina tao anatin’ny rakitra ary tao ihany ko any Taniketsa no nanatanteraka ny anjara hirany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitarika izany.

Nisaotra ny Tompo ny Mpitandrina noho ny fahasoavana lehibe izany noraisina dia ny Batisa izany. Nivavaka ho an’ny Fiangonana izay mbola asa fanompoany ankehitriny. Nivavaka izy noho ireo sekoly izay manolokolo ny finoana, ireo toeram-pitaizana.

Nahatsiaro amim-bavaka ny Foibe FJKM, ny Filoha, ny Birao, ny Mpiandraikitra Foibe, ny synodamparitany ary notononiny manokana ny SPAA, ny Prezida synodaly, ny Birao ary ny mpandraharaha. Nitondra tamim-bavaka ny Fitandremana Besaiky Fitahiana, ny mpiara-mivavaka rehetra, ny katekomena izay niara-nivavaka tao, mba tsy hisy hiala an-dalana. Nitondra tamim-bavaka ny Kristiana Amparibe Famonjena, na ny eto an-toerana na ny any ivelany ; ny asan’ny KFM mba ho tontosa izay vina rehetra. Nitondra tamim-bavaka ireo mpanompo nahatsiaro fahasahiranana noho ny rivodoza, ka rava fananana. Mangataka ny Tompo ny hanomezany azy ireo valimbavaka mba hafahany mitombo ara-nofo ary ara-panahy.

Nentiny tamim-bavaka ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe ho vita soa aman-tsara, ny Synodampinoana amin’ny volana mey mba ho voarafitra tsara.

Nentiny tamim-bavaka ireo mpanompo nanao raki-pisaorana :

Ny renim-pianakaviana izay nahazo valimbavaka nefa mbola mitondra kosa amim-bavaka ireo zanany roa vavy hanala fanadinana Baccalauréat sy hanao soutenance; Ny renim-pianakaviana nahazo valimbavaka ary mangata-bavaka amin’ny Fiangonana; ny havana izay niditra hopitaly; ny mpanompo izay manana vola amin’olona nefa dia tsy mety voaloa

Nofaranany tamin’ny vavaka “Rainay Izay any an-danitra” izany.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 487:1 “Fanavaozana izay mahagaga tokoa”. Notononina ny Tondrozotra 2023. Natolotry ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny Tsodrano ary noredomina ny hira « Voninahitra sy fifaliana », hira faneva anatin’izao fanomanana ny Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina izao. Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinite ary feon-javamaneno taorian’izay.

Fametrahan-tanana  sy Fampaherezana nataon’ireo Mpiandry ny nanaraka izany.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Irimanana Eninkaja sy Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)

Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly

Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary: Rakotoarisoa Falimandimby

Nandray an-tsoratra: Robel Hanitra