ALAHADY 12 FEBORARY 2023
“NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA” ALAHADY FAHA VI MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADIN’NY BAIBOLY - BATISA FAOBE

 « Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany… Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. » 2 Timoty 3 : 14, 16

Niavaka ny fotoana fa natokan’ny Komitin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina (KFM) ho fanatontosana ny Batisa faobe. 27 no isan’ireo nisitraka izany sakramenta izany.

Ramatoa Raharijaona Bodo no nitarika. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny fahatelo no narahina

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 18 : 46 -50 hoe, amin’ny anaran’ny Tompo : « Velona Jehovah ; isaorana anie ny Vatolampiko, asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy. Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy. Mamonjy ahy amin’ny fahavaloko Izy ; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao, ary mamonjy ahy amin’ny olon-dozabe. Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny Anaranao. Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay. » Nohiraina ny FFPM 1 : 1, 2, 3 « Andriananahary masina indrindra ! ». Natao ny vavaka Fiderana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K5, Rajaofetra Bakoly, no nitarika ny fotoana.

Ny andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra dia :  » Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny mbola tsy tonga ny andro mahory «  ao amin’ny Mpitoriteny 12 : 1a.

Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika, hahaizantsika manararaotra ny hatanorana, hanaovana asa tsara.

Tia andrakandrana isika, tia zava-baovao sy tsy manana faharetana, nefa mila miaraka amin’ Andriamanitra.

Tsy tokony hangataka andro isika ary ny tanjatsika dia hatokana ho an’ny Tompo, satria Izy no nanome ny hatanorana. Ny tsara indrindra no tokony homentsika Azy.

Novakian’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny andinin-tSoratra Masina dia nanao vavaka.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina avy hatrany ny FFPM 212 : 1, 2 « Velona sy mahery ». Nivavaka ny Diakona Razafindrakoto Alain ary namaky ny 1 Mpanjaka 13 : 1-6. Ny Diakona Razafindrakoto Tatamo no namaky ny Lioka 8 : 22-25 sy 2Timoty 3 : 14-17. Noredonina ny FFPM 216 : 1,2 “ Ny Teninao, ry Tompo ô! ”. Toriteny no nanaraka izany.

 TORITENY

Alahadin’ny Baiboly anio. Ny 2 Timoty 3 : 14-17 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny toriteny.

I Timoty dia zanak’i Paoly ara-panahy. Fony mbola zaza izy dia efa nampianarina ny Soratra Masina sy vavaka. Nomena andraikitra izy satria ny Fiangonana tany Efesosy dia tanàna feno fanompoan-tsampy. Sarotra ny asa niandry azy, nefa vonona izy. Manoratra sy mampahery ary manoro lalana azy i Paoly. Manome toerana lehibe ny Tenin’Andriamanitra, izay niainany izy sy mizara ny vokatr’izany.

Ianarana tokoa ny Soratra Masina. Tonga avy amin’ny Soratra Masina ny finoana mitombo.

  • Ianarana sady ampianarina ny Soratra Masina

Arakaraka ny tsy fahaizana ny Soratra Masina no ahitana fa tsy ampy ny fahalalana, ka mbola tokony hianarana foana. Manamafy izany ny voasoratra ao amin’ny Ohabolana 19 : 2 hoe : « Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy ».

Zavatra telo no ambaran’i Paoly : mampahendry anao ho amin’ny famonjena ; mahasoa ho fampianarana ; mitaiza ho amin’ny fahamarinana.

Isika Kristiana FJKM dia mametraka eo amin’ny laharana voalohany ny Tenin’ Andriamanitra irery ihany, izay misy fahefana. Ao amin’ny Mpanjaka 13 : 1-6 dia miresaka fanjakana tao anaty fanompoan-tsampy tanteraka. Tsy nety niforitra intsony ny tanan’ny mpanjaka Jeroboama (maty tanana), satria nanondro ilay lehilahin’Andriamanitra. Nangataka fifonana izy ka niverina tahaka ny taloha izany.

Ampiharin’Andriamanitra ny fahefany amin’ny alalan’ny Teniny. Tsy azo vazivaziana ny Tenin’ Andriamanitra, tsy azo ovaina fa raiso amin’ny fahamarinany. Tandremonao ny Tenin’ Andriamanitra izay nampianarina anao. Ianaro sy ampianaro izany satria mahasoa sy mitaiza anao.

 

  • Tonga avy amin’ny Soratra Masina ny finoana

Ao amin’ny Romana 10 :17 dia hoe : « Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny Tenin’i Kristy », raha fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina izany, ao amin’ny Hebreo.

Mahatonga faharesen-dahatra ny Soratra Masina. Rehefa miala amin’ny Tenin’ Andriamanitra dia mihodinkodina tsisy fahamarinana. Tsy maintsy hahitsy izany.

Mahatonga fahavononana manao asa tsara ny Soratra Masina.

Tsy tonga ho azy ny Tenin’ Andriamanitra. Ny fahefan’izany dia manova sy mitazona ny olona hahatonga azy hahalala ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ny fanontanian’i Jesoa tamin’ny mpianany dia hoe : efa mba ela ihany no nanehoana ny finoana, fa aiza ho aiza izany ?

Manova fiainan’olona ny Tenin’Andriamanitra.

Niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra i Jeroboama, izay minia maniratsira ny Teniny koa, fa raha mifona dia hitombo amin’ny fahasoavana sy fitahiana.

Raha ny rivotra àry manaiky ny Teny, mainka ve ny fahasahiranana mahazo anao ?

Raiso, iaino, ifikiro ny Tenin’ny Tompo. Manala olana izany sy hivoahana ho mpandresy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.

Feon-javamaneno taorian’izay.

VAVAKA FIFONANA

Ry Jesoa Kristy Tomponay ô ! Misaotra ny amin’ny Fitiavanao, misaotra ny amin’ny famindramponao, misaotra fa avy miala nenina aminay isan’andro isan’andro Ianao, ary mahenika anay ny Teninao, izay Tenim-pahasoavana, Teny feno Fitiavana, Teny miantso anay hiverina ao Aminao. Misaotra Tompo ô, fa nambaranao hoe : izahay rehetra izao, na iza na iza, tsy misy ankanavaka, dia mila mianatra ny Teninao ary mila mampianatra izany Teninao izany. Mifona izahay Tompo ô, ho an’ny ray aman-dreny, ho an’ny tanora, ho an’ny ankizy izay kamo, izay malaina, izay toa miala foana ny amin’ny fianarana izany Teninao izany. Mifona sy mibebaka eo anatrehanao. Mifona koa izahay, Tompo, satria nambaranao taminay hoe : « ny finoana dia avy amin’ny Teninao ». Androany izahay nihaino izany Teny sy hafatrao izany, ary raha ny izy, dia tokony hitombo finoana izahay. Mifona izahay Tompo ô, sy mibebaka eo anatrehanao fa indraindray izahay dia mafy fo manoloana ny Teninao. Mamelà ny helokay, mamindrà fo aminay, noho ny amin’i Jesoa Kristy Tomponay, Ilay voahombo teo amin’ny hazofijaliana, nanolotra ny ainy ho fanavotana anay, mba hanananay fiainana mandrakizay. Ka amin’ny finoana sy fahatokiana, Tompo ô, ny amin’ilay Teninao, ilay Teny feno Fitiavana no anatonanay Anao indray anio. Koa indreto izahay rehetra samy hangina eo anatrehanao, hanonona vavaka fifonana, satria izahay rehetra izao, manoloana ny sitraponao sy raha notarafin’ny Teninao, dia tsy mendrika, fa raiso, Tompo ô, izao vavaka fifonana tononinay tsirairay avy izao (vavaka mangina). Tompo tia anay ô, fahafatesana no tambin’ny fahotanay. Soa fa efa tonga Jesoa Tompo. Misaotra ny amin’ny Fitiavanao, misaotra noho ny amin’ny hazofijaliana nozakainao, mba hanananay rehetra fiainana. Fa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, Ilay tia anay, no anaovanay sy anononanay izany vavaka izany. Amen.

Nohiraina ny FFPM 403 “ Ry Jesoa Tompo tsara ô! ”. Natolotry ny mpitarika ny Teny famelan-keloka hoe : « Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany No haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany No fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy. » Salamo 103 : 11-13.

Nohiraina ny FFPM 517 : 3 “ Ny alina ho lasa . Ho fanambaran’ny Fiangonana ny finoany dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana nikeanina (laharana faharoa).

Feon-javamaneno.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.”

Ny Biraom-piangonana Rakotomanana Andrimbazotiana no namaky ny raharaha. Ny andinin-tSoratra Masina natolony dia ao amin’ny Matio 5 : 6, 8. Ireto asa manaraka ireto no tena nisongadina sy tokony hotadidiana, entina amim-bavaka sy tanterahin’ny Fiangonana :

  • Alahady 19 febroary 2023 amin’ny 8 ora maraina : fivoriana fiheveran-draharaha iantsoana ny solotenan’ny sampana sy sampanasa ary asa.
  • Alahady 19 febroary 2023, amin’ny 9 ora : alahadin’ny Arsivan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Eto Amparibe no nosafidiana hanaovana fotoam-bavaka iombonana. Noho izany dia fotoana halaina sary sy feo io fotoana io. Ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM no hitondra ny hafatr’ Andriamanitra amin’ny Fiangonana. Ivon’ny herinandron’ny Vondrona Manambatra Fanomezam-Pahasoavana (VMFP) koa io andro io, koa hifandrimbonana ny fandavorariana ny fotoana.

Ny Diakona Rabezandrina Solohery no nampahafantatra ny Fiangonana ny fandaharam-potoan’ny herinandron’ny VMFP hanomboka ny alatsinainy 13 febroary 2023. Herinandron’ny fianakaviana no iantsoana izany. Isan-kariva dia hisy famelabelaran-kevitra. Hisy fiara iombonana fa mba misoratra anarana mialoha any amin’ny tomponandraikitra.

  • Alatsinainy 13 febroary 2023 amin’ny 6 ora hariva : Ny fiiziako araka an’ Andriamanitra, hiarahana amin’ny AFF sy ny VMFP.
  • Talata 14 febroary 2023 amin’ny 6 ora hariva : Fanambadiana mafy orina sy tokantrano milamina ary fiainam-pianakaviana mirindra eo ambany fahefan’ny Tenin’ Andriamanitra, hotarihin-dRakotolehibe Mamy sy Seheno.
  • Alarobia 15 febroary 2023 amin’ny 5 ora sy sasany hariva : Zanaka mahay manaja sy mankatò ny ray aman-dreny araka ny didin’ Andriamanitra, hotarihin’ Andriatahinarivony Hasinjo.
  • Alakamisy 16 febroary 2023 amin’ny 6 ora hariva : Tanora tsara omana ho amin’ny fiainan-tokantranony, hotarihin’ny Mpitandrina Rakotoarivony Hubert.
  • Zoma 17 febroary 2023 amin’ny 6 ora sy fahefany : fanompoam-pivavahana sy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Hitory ny Teny Rakotozafy Micaël, Mpitandrina (avy ao amin’ny Chapelle militaire protestante Ampahibe).
  • Sabotsy 18 febroary 2023 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro : Mpivady mifankatia, manaiky ny fahefan’Andriamanitra hiarahana amin’ny AFF sy ny VMFP.
  • Alahady 19 febroary 2023 amin’ny 9 ora maraina : fanompoam-pivavahana ivon’ny herinandrom-bokatra, hivahiny ao ny Akany Fialofana Tangaina.

Rehefa izay dia nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofo nisaotra, nirary soa sy nanentana ny Fiangonana.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana Razafindrabe John Bam no namaky ny voady. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Salamo 122 : 1.

Ireo nanao fanati-pisaorana dia : ray aman-dreny misaotra fa nandray ny sakramentan’ny Batisa ny zanany ; renim-pianakaviana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany ; ray aman-dreny mangata-bavaka fa hiatrika « entretien d’embauche » ny zanany ; renim-pianakaviana miandrandra fiadanampo sy finoana matanjaka.

Ny hira nangatahin’izy ireo hataon’ny Fiangonana aloha sy nandritra ny fanantazana ny rakitra dia ireto avy : FFPM 173 : 1 « Hosana ! » ; FFPM 482 : 1 « Jehovah ô ! Ianao nandinika ahy » ; FF 14 : 2 « Jesoa apetraka Aminao » ; HF 39 : « Tompo ô Izay mahita ».

Natolotra teo am-pitsanganana ny rakitra tamin’ny hira vavaka FFPM 276 : 3 “ Ry Jehovah Ray Mpahary “. Nanao ny anjara hirany ny Sampana Taninketsa « Notre Père Qui es aux cieux ». Notohizana tamin’ny asa vavolombelona ny fotoana.

ASA VAVOLOMBELONA

Ny Batisa faobe dia anisan’ny vinan’ny Komitin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina (KFM). Tontosa izany ny alahady 12 febroary 2023.

Nomen’ny Mpitandrina ny Teny fanorenana. Teny an-toerany ny olona nanolotena sy natolotra no nijoro nanonona ny Fanekena. Nizara telo ny fanatonana ny alitara. Notononina tsirairay ny anaran’ireo natao Batisa ka vita avokoa ny an’ny 27 mianaka. Rehefa izay, natsangana teny an-toerana izy ireo. Natao ny vavaka. Nisy hafatra avy amin’ny Soratra Masina sy fampaherezana ary Tsodrano. Nanao rakitra alitara ny nahazo fahasoavana sy ny fianakaviany ary izay Fiangonana tery am-panahy. Nandritra izany no nanaovana ny hira FFPM 779 « Jesoa Kristy Tomponay ! » ; FFPM 808 « Eo an-tratranao Jesosy » ; FFPM 813 « Tia zaza, tia zaza ».

Anaran’ireo 27 nandray ny sakramentan’ny Batisa:

  • Rakotoarisoa Nilaina Soafara
  • Ranaivoson Fanantenana Natolotra
  • Ranaivoson Fanantenana Miary
  • Rasoarimanana Fiderana Anicha
  • Mahafatoky Miangaly Fitia Carein
  • Rajaofetrison Andrianina Tiary Zo
  • Rajaofetrison Anjara Fy Tahina
  • Nomenjanahary Anjara Fahendrena Michaël
  • Nomenjanahary Fitiavana Sarobidy Michaëlla
  • Rajaonarivelo Iharimbinintsoa Isaia
  • Rabenasolo Hakime
  • Andrianarivony Dylan Paolo
  • Rakotondrainibe Ryu Djayan Mayron
  • Raheliarimanana Nambinintsoa Sonia
  • Rakotonomenjanahary Rotsiniaina
  • Ranaivoson Antso Anthonio
  • Rasaminarivo Anjarantsoa
  • Rasaminarivo Sandanilaina Fy Tia
  • Rasaminarivo Rotsiniaina Fehizoro
  • Rasaminarivo Mahasoaniaina
  • Randrianantenaina Fitahiantsoa Fiderana
  • Randrianantenaina Tahiantsoa Fandresena
  • Randriamialison Safidimanantsoa Tsiresy Jérémy
  • Farasoa Fifaliana
  • Ranivoharilala Antsa Fiderana
  • Andrianony Anjara Diamondra Diary
  • Andrianony Kiady Najoro Ihariantsoa

Vavaka fangataham-pitahiana no nanaraka izany, izay nofaranana tamin’ny « Rainay Izay any an-danitra ».

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 753 : 1 “ Tiako ny hiaraka Aminao, Jesoa ”. Notononina ny tondrozotra 2023. Natolotra ny Tsodrano. Ny hira fanevan’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina no nantsaina.

Notononina ny Trinite Masina. Nirava  tamin’ny 11 ora sy 42 minitra ny Fiangonana.

Asa sy fampaherezana no nanaraka izany.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John sy Rajaofetra Anthonio (mpiofafana ho mpitendry orga)

Nikirakira ny fafana : Rajaofetra Arielle

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Andriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra