ALAHADY 12 DESAMBRA 2021 “MINOA NY FIFALIANA AO AMIN’NY TOMPO” Alahady fahatelo amin’ny Advento Ivom-bokatry ny Sampana Sekoly Alahady “ANTOKY NY FAMONJENA” " Ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro " II Korintiana 9 : 2b
Alahady natokana ho ivon’ny herinandrom-bokatry ny Sampana Sekoly Alahady “ANTOKY NY FAMONJENA”, noho izany dia mpikambana avy ao no nandray anjara tamin’ny fandavorariana ny fotoam-bavaka. Ny Mpitahiry vola Rakotoharisoa Michel no nitarika ny litorjia. Ny Mpitandrina Rakotoarivony Hubert no nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana. Ny fandaharana iombonan’ny FJKM avy amin’ny Sekoly Alahady Foibe no narahina, litorjia endriny faharoa.
Azo henoina ato ny hafatra


FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
Nisy feon-javamaneno fidirana. Noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira fanevan’ny faha-160 taona “ FA MASINA NY TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA DIA IANAREO IZANY ”.
Taorian’ny teny fampidirana sy fanolorana ny vahiny dia nisy fiarahabana apostolika. Novakian’ny Fiangonana miaraka teo am-pitsanganana ny SALAMO 16 : 1-11. Noredonina ny hira FFPM 780 : 1 “HE DERA LAZA HERY”, nataon’ny mpitarika ny vavaka fisaorana izay narahana feon-javamaneno sy vavaka mangina. Notohizana avy hatrany tamin’ny fotoanan’ny ankizy.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faha-7, Ramanandraibe Ravosson Haingo, no nitarika izany. Nisy vavaka.
Vazaha roa lahy nivahiny tany ambanivohitra izay nahita olona efa-mianaka niasa an-tanimbary no noresahina. Ireo voalohany dia naka sary sy ontsa nahita ny fahantran’ireto farany izay nivarotra ny ombiny ka ny vidiny nataony fanatitra ho an’Andriamanitra. Na teo aza ny fahantrany dia hita ho nanam-piadanana ireo. Ohatra tsara izany zotom-po izany ary nahazoana fanampiana tany aoriana. Samia manahaka azy 4 mianaka isika rehetra araka izay tandrify azy. Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ny II KORINTIANA 9 : 2b : » Ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro » .
Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny FFPM 786 : 4 “NY TENINAO JEHOVAH”. Nisy vavaka. Nanaraka izany ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra.



FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina ny FFPM 761 : 1 “RY JESOA ZOKY BE FITIA”. Ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy ny vakiteny ao amin’ny Testamenta Taloha dia notontosain-dRakotonarivo Steven. Rakotonarivo Kaloina sy Razafimbololona Kasmira kosa no namaky ny Testamenta Vaovao. Ireto avy ny perikopa voalahatra : OHABOLANA 23 : 12-18 ; LIOKA 1 : 39-45 ; II JAONA 1 : 1-6. Natao teo am-pitsanganana ny hira FFPM 786 : 1 “NY TENINAO JEHOVAH” mialoha ny toriteny.
TORITENY
Matetika dia zavatra hafahafa no manintona sy isontonana ny olona : tsikera, fanaratsiana, fanabantiana, famotehana. Mipetraka ny fanontaniana raha mbola misy anton-javatra mitondra fifaliana ho ansika ihany amin’ny fiainana manoloana ny zava-misy aparitaky ny haino aman-jery.
Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny OHABOLANA 23 no nakana vatsy, izay nampifandraisina amin’ny Teny nosafidian’ny Sekoly Alahady hoe : “ Ary ny zotom-ponareo dia mamporisika ny maro”.
I Paoly no mampita hafatra ho an’ny mpino tany Korinto. Ny resahina eto amin’ny perikopa dia ny nandraisana fanampiana avy amin’ny malala-tanana : misy nanome mihoatra noho izay tokony ho zakany. Mahatonga ny olona haneho fihetsika izany (provoquer). Rehefa haintsika ny mampiasa ny loharanon-karena dia afaka manao zavatra lehibe isika. Mbola misy tsy voatrandraka eo anivon’ny Fiangonana, izay no ilana zotompo sy fanolorantena. Mandringa ny fanabeazana raha tsy miaraka ny Fiangonana, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra sy ny ankizy/tanora beazina.




Boky ahitana karazan’olona maro ny Baiboly, tsy tao amin’Israely ihany fa ny manodidina koa. Ny OHABOLANA mampianatra antsika hahalala : tsy tenim-pahendrena fotsiny, na tenim-paminaniana avy amin’ny fanambarana manokana avy amin’Andriamanitra fa vokatry ny fandinihana avy amin’ny saina mahiratra sy ny traikefan’ny hendry.
Vanim-potoana amohazana ny fisainana kristiana ny fahaiza-mandinika ny fizotry ny fiainana, tsy voatery amin’ny zavatra nianarana. Manome anatra fehezin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izany tenim-pahendrena izany.
Ny Sekoly Alahady sy ny Fiangonana kristiana dia afaka mitondra fifaliana satria manana ny Tenin’Andriamanitra izay refy mazava, tsy iadian-kevitra, marina. Atodiho hanaiky ny fananarana ny fonao hiavian’ny voka-tsoa. Tohero ny hevitra rehetra izay mandà an’Andriamanitra mba hananana fanantenana.
Manana fifaliana ny Sekoly Alahady satria mahay sy mitaona hampihatra ny fananarana (and.13-14). Ilaina ny fahaizana mampianatra ny zanaka hifikitra amin’ny fahamarinana. Ny fahatsapana ny vokatry ny finiavanao no zava-dehibe. Mandania fotoana ho an’ny zanakao fa mila anao ray/reny ho filamatra sy ho môdely izy mba tsy handehanany ho any amin’ny fitoeran’ny maty. Miverena amin’ny loharano. Safidio ny hampihatra ny marina mba ho tsara ety an-tany sy any am-parany.
Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amena.
Nisy feon-javamaneno fohy taorian’izany. Rehefa izay dia nanatontosa ny vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana ny mpitarika, izay narahin’ny fanononana ny fanekem-pinoana nikeanina (Laharana 2) natao teo am-pitsanganana. Nisy feon-javamaneno fohy.


TATITRY NY ASA
Ny Mpitantsoratry ny fivoriana Rabenasolo Landy no nanao ny tatitry ny asan’ny Sampana Sekoly Alahady. Novakiany koa ny hafatra avy amin’ny Sekoly Alahady Foibe. Rehefa izay dia nanao ny hira HF 7 “ANTOKY NY FAMONJENA” ny fianakaviambe.
RAHARAHAM-PIANGONANA
Ny Biraom-piangonana, Razafimaharo Mamy, no nilaza ny raharaha. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny I KORINTIANA 17 : 3b. Toy izao ny asa tsara hofantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka :
Alatsinainy 13 desambra 2021 : fanombohan’ny herinandron’ny Fikambanan’ny mpitory teny sy katekista vita fiofanana ;
Talata 14 desambra 2021 amin’ny 6 ora hariva : fivorian’ny Biraon’ny rafitra miaraka amin’ny Biraom-Piangonana handinihana ny tetibola 2022 ;
Sabotsy 18 desambra 2021 :
- amin’ny 8 ora maraina fivorian’ny Mpihevi-draharaha;
- fanaovam-baksiny;
- amin’ny 1 ora tolakandro : asa iombonana, fanadiovana faobe.
Alahady 19 desambra 2021 : fizarana valisoa karakarain’ny STK Zokiny ho an’ny zanaky ny Fiangonana afaka fanadinam-panjakana.
Ireo sampana mpihira dia manomana antsa sy manasa ny Fiangonana hanohana azy ireo :



SAMPANA | ANDRO SY ORA | TOERANA | NY MAMPIAVAKA | |
RFF, Imanoela, amintsika Andriamanitra | 16/12 @ 7 ora hariva | Arena Ivandry | Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona. Ny vahiny:Ramanantoanina Rija | |
HAFA, Fifaliana feno ao amin’ny Tompo | 17/12 @ 6ora15 hariva | FJKM Amparibe Famonjena | Tapany voalohany: Rakotoarivony Noël | |
STAF, Krismasy fifaliana | 19/12 @ 6 ora hariva | FJKM Amparibe Famonjena | Famaranana ny faha 30 taona | |
SA, Faly be aho, teraka Jesoa | 25/12 @ 3 ora tolakandro | FJKM Amparibe Famonjena |
Noho ny firongatry ny valanaretina COVID, nisy ny fanentanana fanajana ireo fepetra mba hitandroana ny fahasalamana.



Nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina, nisaotra ireo manana anjara, niarahaba sy nirary soa ny sampana Sekoly Alahady. Nankasitraka ny Mpitandrina nitory ny Teny (Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe teo aloha, Filohan’ny filankevi-pitantanana ao amin’ny SAF/FJKM) izy), nanao antso ho an’ireo hiditra katekomena. Nanentana koa izy ho fitondrana am-bavaka ny fanomanana ny herinandro sambatra, ny krismasy, ny voka-dehibe. Nisy mpivady natsangana niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviana, noarahabaina, nirariana soa sy nentina amim-bavaka. Nitohy tamin’ny fanati-pisaorana ny fotoana.
RAKITRA SY FANOMEZANA
Ny Biraom-piangonana Ralaindimby Haja no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny SALAMO 117 : 1-2 izy. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : misaotra an’Andriamanitra fa nahazo valim-bavaka ; tontosa ny fanamasinana ny fanambadiany ; ankohonana nahazo fahasoavana. Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ireo finoana ireo, izay nohirain’ny Fiangonana nandritra ny fanatazana ny rakitra, dia : A 16 “ISAORANAY JEHOVAH TOMPONAY” ; “MISAOTRA ANAO IZAHAY”.
Notononina ny voka-dehibe voaray androany sy hatramin’izay. Amin’ny 25 desambra 2021 no ivon’izany, kasaina mbola hitohy hatramin’ny volana janoary 2022.



Ny hira vavaka FFPM 443 : 2 “RAISO HO ANAO NY FOKO”.no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena. Ny Filoha mpanampin’ny Sekoly Alahady Rabenahy Mahaly sy ny Mpitahiry vola Rabearinoro Dina no nandray ny rakitra faharoa teo amin’ny alitara.
ASA VAVOLOMBELONA
Fizarana valisoa ho an’ireo mpianatra Sekoly Alahady nahavita fanadinana Foibe no asa vavolombelona androany. Nanomboka izany ny Filoha Razafindrasata Abel. Nivavaka Rabenahy Mahaly. Rehefa izay dia nisy fandaminana ary notononina misesy ny anaran’ny mpampianatra sy mpianatra isaky ny kilasy : ny mpianatra K1 hatramin’ny K4 teny an-toerana ihany no nomena valisoa ; ny K5 noho miakatra kosa , nandroso teny amin’ny alitara. Rabearinoro Dina no nanao vavaka famaranana.



VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika ny vavaka fangataham-pitahiana. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana sy nangataka mba hampiharan’ny Fiangonana izany eo amin’ny fiainana. Voatonona koa ny mpitory Filazantsara sy mpitondra fivavahana rehetra, ny toby masina, ny akany fitaizana. Tsy diso anjara amin’izany ny tanjona kendren’ny Fiangonana, ny kristiana rehetra, ny sampana Sekoly Alahady, ny Mpitandrina nitory Teny sy ny ankohonany mba hahefa ny asany, ny fanapan-kevitra hiroso amin’ny fianarana katekomena, ny herinandro sambatra, ny krismasy, ny ivon’ny voka-dehibe, sampana sy sampanasa ary asa sy ireo manao fankalazana. Notsaroana koa ny sahirana, marary, mana-manjo, manana hataka manokana, ireo nanao raki-pisaorana sy voady. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny vavaka.




FAMARANANA NY FOTOANA
Notononina avy hatrany ny tondrozotra 2021 manao hoe : “ Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara… Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara ”. Nohiraina ny FFPM 790 : 1 “JESOA O SAKAIZA TSARA”. Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka FFPM 808 : 1 “EO AN-TRATRANAO JESOSY”. Natao ny vavaka mangina, notononina ny Trinite ary ny feon-javamaneno no nanaraka izay. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 37 minitra ny fotoana.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe, nampian’ireo mpiofana ho mpitendry orga (Randriambeloson Sitraka, Rajaofetra Anthonio, Raharinoa Randriamparany Fenitra)
Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kantoniaina
Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova
Naka sary : Raharijaona Nirina
Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra