Alahady 12 Aprily 2020 - Alahady Paska

"Vavolombelon'ny fitsanganan'ny Tompo ny mino"
"Vavolombelon'ny fandresen'ny Tompo ny mino"

« Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy» (Marka 16:14)

Isaorana ny Tompo ny mbola hahazoana manatanteraka ny fanompoam-pivavahana amin’ny alalan’ny horonan-tsary, hifandraisana amin’ny mpianakavin’ny finoana, noho ny tsy mbola hahafahana manatanteraka izany ao amin’ny trano Fiangonana. Izao Alahady Paska izao dia mbola hibanjinatsika ny lohahevitra hoe  » Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino« .Ny Mpitandrina  Razafinarivo Andriatsilavina Nofy, Mpitandrina miana-draharaha eto amin’ny fitandremana no nitarika ny fanompoam-pivavahana, Rtoa Raharijaona Rasetamanana Bodoarisoa no nivavaka sy namaky ny Tenin’ny Soratra Masina ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no narahina.

FIDERANA SY FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny fiarahabana Apostolika dia nasain’ny mpitarika nosokafana eo ambany maso  ny Salamo 113 sy ny hira Ffpm 146 and. 1-2 « Anao ny dera » ary novakiana ho fiderana an’Andriamanitra izany tenin’ny Soratra Masina izany : « Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’i Jehovah, Miderà ny anaran’i Jehovah. Isaorana anie ny anaran’i Jehovah hatramin’izao ka ho mandrakizay. Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany no hoderaina anie ny anaran’i Jehovah. Avo ambonin’ny jentilisa Jehovah; ambonin’ny lanitra ny voninahiny.  Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany?  Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika,  Mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka ny olony.  Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia. »

Natao ny hira Ffpm 146 and. 1, 2 « Anao ny dera ry Zanaky ny Ray« 

VAVAKA FIDERANA

Niombona tamin’ny vavaka fiderana taorian’izay ary tao amin’izany no nilazany hoe « Ry Andriamanitra Ray , Zanaka ary Fanahy Masina ô, midera Anao izahay satria noho ny Aminao no nahazoana izao androm-pamonjena izao dia ity Paska 2020 izao. Misaotra Anao noho ny fitantananao ny fiainanay  ka indro izahay ankehitriny, n’aiza n’aiza misy anay mielipatrana eran’izao tontolo izao,  manaraka izao fanompoana masina izao. Aoka Ianao hampihombona anay Aminao Fanahy Masina ka izay rehetra tanterahanay dia ho voninahitry ny anaranao irery ihany. Amin’ny anaranao Kristy Izay naharesy ny fahafatesanana sady nanome anay ny famonjena no anaovanay ny vavakay. Amena« 

SITRAPON'ANDRIAMANITRA

Ny sitrapon’Andriamanitra izay nanasany antsika hihaino izany dia noraisiny tao amin’ny I Tesaloniana 5 and. 9 -10 ary and.5-6, « Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, 

Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. »

Nohiraina ny hira Ffpm 133: and.1,2,3 « Efa namangy ny olony  » avy eo.

FIAIKEN-KELOKA

Manoloana ny sitrapon’Andriamanitra dia mahatsiaro tsy tanteraka isika ka nanasa ny mpitarika  hiombona amin’izao  vavaka izao. »  Misaotra Anao izahay ry Tompo Andriamanitra ô fa nambara taminay tokoa ny sitraponao  izay manambara fa ny famonjena dia avy amin’ny alalanao Kristy , Ianao izay maty hamonjy anay ka nahatonga anay hiala amin’ny maizina ka tsy zanaky ny maizina sy ny alina intsony izahay fa zanaky ny andro sy ny mazava. Koa ao anatin’izany dia tianao izahay ny hiambina sy hahonon-tena kanefa tsy izany no fiainanay matetika fa toa hahelihelin’ny rivotra eny izahay, toa tsy manaiky hianteherana ka tsy mahavita manonon-tena akory aza. Noho izany indrindra no hifonanay Aminao. Mamelà ny helokay Jesoa Kristy ary mamindrà fo aminay ka mba ho fantatray fa eo Ianao Izay mahitsy sy marina . Mamelà ny helokay noho ny amin’i Jesoa Kristy Tomponay. Amena. »

Notanterahana ny hira ao amin’ny Fihirana Fanampiny 22 « Tsy mendrika ahy mpanompo » hanamafisana izany fifonana izany.     

FAMELAN-KELOKA

Ny teny famelan-keloka natolotry ny Tompo dia ny ao amin’ny Romana 5 and. 10-11 « Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. » Voavela ny helokao noho ny anarany masina, miderà ny Tompo. Amena.

Ny hira Ffpm 26 and.1 no  natao avy eo  » Tsy misy reharehako »

Ny fanekem-pinoana natao taorian’izay dia ny fanekem-pinoana Apostolika laharana voalohany.  

FANKALAZANA NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Ny hira ao amin’ny fihirana Fanampiny 5 and.1,2 no nohiraina « Izaho no fananganana ny maty » mialoha ny vavaka sy ny vaki-teny.

Ny teny novakiana dia araka ny Perikopa Fjkm voalahatra dia ny Joba 19: 25-29, Marka 16 : 9-20 ary  I Koritiana 15: 12-23. Mialohan’ izay dia nanao ny vavaka Rtoa Raharijaona Rasetamanana Bodoarisoa. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ity andro lehibe Paska 2020 nomena ny Fiangonana sy ny vahoaka kristiana rehetra ity. Velona Ianao Jesoa, hoy izy, nandresy ny fahavalo rehetra fa izany no fototry ny finoanay ary izany fahavelomana mandrakizay izany no hifalianay. Nisaotra izy noho ny fifaliana azo amin’izao fotoana nomen’ny Tompo izao, na dia tsy afaka mankany am-piangonana aza, nefa hahafahana miara-mivavaka, miara-mihira, miara-mandre ny Teny ary miara-mandre ny toriteny. Izany no nangatahiny ny fiasan’ny Fanahy Masina mba hahatonga ny Teny ho tonga amin’ny kristiana rehetra hampitombo  finoana azy ireo, hijoroany vavolombelon’ ny fitsangananan’ny Tompo amin’ny maty. Aoka ny Teny, hoy izy,  hampahery sy hampandresy ny tsirairay hahafantaran’izao tontolo izao ny maha-kristiana zanaka natsangan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy azy ireny. Nisaotra an’Andriamanitra izy amin’ny zavatra rehetra.  

Ny hira FFPM 141 1,2 « Efa resy izao na dia ny fasana aza » no nohiraina mialoha ny toriteny.

TORITENY

Andro farany amin’ny Herinandro Masina ity alahady ity, andro farany amin’ny fanarahantsika ny hazofijalian’ny Tompo. Ity andro ity no antsoina hoe PASKA, Paska kristiana. « VAVOLOMBELON’NY FITSANGANAN’NY TOMPO NY MINO » no lohahevitra iainantsika mandritra izao volana aprily izao, ary ny lohahevitra raisina ao anatin’izao Paska izao dia manao hoe « VAVOLOMBELON’NY FANDRESEN’NY TOMPO NY MINO ».

Ny Marka 16 : 9-20 no nangalan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny hafatra. Mandalo ny vanim-potoana farany isika izao, hoy izy, araka ny hita ao amin’ny  2 Timoty 3 : 1 « Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. ». Ka mandalo izany isika izao, koa mila fiaretana sy fitokiana marina amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra ary manatanteraka amim-pahazotoana ny asa fanompoana ny Tompo.

Noho ity aretina « Coronavirus » ity dia tsy afaka miombom-bavaka any an-trano fiangonana isika ary tsy afaka manatanteraka ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo tahaka ny amin’ny fotoana mahazatra. Eto amin’ny Facebook izany isika no manatanteraka ny fanompoam-pivavahana sy mifampahery raha mbola miditra amin’ny 14 andro manaraka indray, nefa tsy ataontsika kristiana mahakivy izany. Izao fotoana izao no mampiseho ny sitrapon’Andriamanitra mahagaga ka iainantsika ny lohahevitra fifampitaizam-panahy hoe « VAVOLOMBELON’NY FANDRESEN’NY TOMPO NY MINO » izay hafatra Paska ho antsika. Velona ny Tompo ka resy ny fahafatesana ; velona ny Tompo ka resy ny tahotra. Izany no hifampaherezana.

Velona ny Tompo ka resy ny fahafatesana

Rehefa tafiditra tao amin’ny fiainan’i Adama sy Eva ny fahotana dia tonga ny fahafatesana izay nahazo ny taranaka rehetra nifandimby. Lasa rava hatramin’ny fifandraisan’ny olombelona tamin’Andriamanitra. Rava hatramin’ilay endrik’Andriamanitra entiny. Ary nanjaka tao aminy ny fahavalo rehetra teo amin’ny fiainany, izany dia hatramin’izao ka mandra-piverin’ny Tompo amin-kery sy voninahitra.

Koa ny fitsangananan’ny Tompo tamin’ny maty dia mitondra vokatra, fiainana vaovao ho an’ny mino.

– Resy ny fahafatesana, miaraka amin’izany resy koa ny fahotana. Voalaza ao amin’ny Genesisy 3 :10 fa io fahotana io no atao hoe tahotra tonga tao anatin’ny olona ka nisian’ny fisarahana tamin’ Andriamanitra. Ao amin’ny Romana 6 : 23 dia milaza Paoly Apostoly fa ny fahafatesana no tambin’ny ota. Ka resy io fahafatesana io, resiny izany ny ota.

– Resy ny fahefan’ny tany sy izay rehetra eo aminy, indrindra ny mpifehy ny tany rehetra (fakam-panahy faha telo) Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nandresena tanteraka izany fahefan’ny tany izany.

– Resy ny hery ratsy rehetra. Nanome ny fahefana ny mpianany Jesoa Kristy rehefa nitsangana tamin’ny maty. Hita ao amin’ny Matio 28 :18-20 hoe  « Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; … », ary ato amin’ity Marka 16 ity dia ahitana ihany koa ny fahefana nomen’ny Tompo ny mpianatra hanatanteraka izany asa masina izany, haneho ny fandresena ny hery ratsy rehetra na hihinana zava-mahafaty aza.

Efa nahatsinjo izany fotoana lehibe izany i Joba : « …fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy ». (Joba 19 :25-29)

Ny fitsanganana no finoana fototra tànan’ny kristiana satria  fandresena ny fahafatesana izany

Tsy karazana « fiction » akory ny Soratra Masina fa tena Tenin’Andriamanitra. Izany ny mahatonga ny fivavahana kristiana mandeha araka ny Soratra Masina. Ny Tenin’Andriamanitra maneho ny faharesen’ny fahafatesana ary izany no ankalazaintsika. Izany no hifampitaizantsika ka hananana ny vinan’ny FJKM sy ny vinan’ny Fitandremana. « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara », izany ny vinan’ny FJKM mba handrenesan’ny malagasy rehetra ny Tenin’Andriamanitra,ka hahalala fa naharesy ny fahafatesana Jesoa Kristy.

Ny eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena dia fifampitaizana ao anatin’ny vinantsika ny amin’ny hoe ny kristiana dia hahatazona tsara, hifikitra amin’ny finoana izay efa nananany ka ho isan’ny olom-boavonjy fa manana ny fanahin’i Kristy  miasa ao anatiny ;  mifankatia, izay no marika fa mpianatr’i Kristy ka izany no hifanentanantsika ary aseho eo amin’izao tontolo fa miaina ny famonjen’ny Tompo isika ; ary miasa amin’ny fazotoana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fanarahana an’i Kristy. Tena ilaintsika izany amin’izao fotoana izao, indrindra ny hanamafisantsika ny finoantsika na dia any an-trano aza no mihiboka ankehitriny. Io fihibohana io dia handiniantsika tena sy hanamafisantsika ny fanolorantsika tena ho an’ Andriamanitra, ary hanatevenantsika ilay fiainam-pandresena ananantsika satria efa resin’ny Tompo ny fahafatesana

Velona ny Tompo ka resy ny tahotra

Hita ao amin’ny Genesisy 3 :10 fa paikadin’ny satana faratampony sady voalohany hamelezany ny olombelona io tahotra io. Rehefa nihinana ny voankazo vorara i Adama sy Eva dia ny tahotra no tonga aloha tao aminy ka nampisaraka azy tamin’Andriamanitra. Raha niantso an’i Adama Andriamanitra dia nihery izy satria natahotra fa nitanjaka. Tena mamely ny fo sy ny saina amam-panahin’ny olona ny tahotra. Tena fanaon’ satana izany ka nahatonga azy ho anjely lavo, anjely nahetry mpikomy tamin’Andriamanitra ka izany koa no tiany ho fiainan’ny olombelona. Ny fitaka sy lainga ary baiko omen’satana io dia mbola iainantsika hatramin’izao. Mila mitandrina sy mandinika isika, mila misaina tsara fa miaina ny andro farany isika izao. Miasa mafy mihitsy izao satana, mampiasa olona hatrany anaty sy ivelan’ny fiangonana mikasika izany.

Zavatra telo no hisehoan’ny fandresena ny tahotra :

  • -velona ny Tompo ka resy ny tahotra
  • Fahatokiana fa Jesoa no Mesia
  • Fanekena ho irany

Nahatsapa i Paoly Apostoly fa ny fitsangan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no tena fototra lehibe ny amin’ny atao hoe fivavahana kristiana. Ao amin’ny 2 Korintiana 15 :12-23 dia miresaka mikasika izany, mba tsy hiainan’ny olona ao anaty ny gejan’ny fahotana, na ao anaty fatahorana an’satana no mamatotra antsika. Jesoa Kristy no manafaka antsika ary ny Fanahy Masiny no hanambarana sy hilazana fa rehefa mandray izany finoana izany isika dia manana io tombokase io dia ny Fanahy Masina. Ary izay manana izay tombokase izay dia ny Fanahy Masina izay tia olom-pandresy tahaka an’i Jesoa Krsity.

Tena manamarika ny fiainan’izao tontolo izao sy ny fiainan’ny Fiangonanan izao vanim-potona izao : tsy mbola nisy izany tsy nahafahana namonjy Fiangonana izany. Tsy eto Amparibe Famonjena fotsiny, na eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao mihitsy, noho ny fihibohana. Mahatsiaro isika fa tokony hanao asa fanompoana, tokony hanao adidy nefa tsy afa-manaotra. Tena asan’ny Fanahy Masina ny manetsika izany. Mangetaheta ny handray ny Fanasan’ny Tompo ny kristiana. Zava-dehibe tokoa ny firaisantsika sy fiombonantsika latabatra amin’ny Tompo, ary isika dia ampianarin’ny Tompo ny zavatra rehetra. Koa miandrasa ny fampianaran’ny Tompo fa ho tonga amintsika hatrany izany. Ny andrasan’ny Tompo amintsika dia ny fananantsika faharetana tsy hatahotra ny fampihorohoron’satana. Nisy fotoana nahatsapana sy nahitana fa somary vitsivitsy ny mpiara-mivavaka tao am-piangonana, bangabanga ny toerana. Misy mety tsy nahafaly na nanahirana tao na mikasika ny Mpitandrina, na ny Diakona, na ny mpiray sampana, na ny mpiara mivavaka. Ankehitriny anefa noho ny tonga ny tsy fahafahan’ny fiangonana misokatra dia mahatsiaro mangetaheta te-hivavaka. Miara miasa ny zavatra rehetra. Ampianarin’ny Fanahy Masina isika amin’izao fihibohana izao : ianao ve tena manana ny finoana kristiana ? Ny finoana fa velona ny Tompo ka maharesy ny tahotra sy ny forongony rehetra rehetra ; velona ny Tompo ka maharesy ny fahafatesana. Mitoetra marina amin’izany ve ianao ? Izany no mahatonga antsika io mangetaheta io hoe fa maninona no tsy tokony atao ny ohatr’izao na ezahana tanterahana ny tahaka izao ? Io hetaheta io dia hatsiarovanao fa misy Fanahy Masina miasa hatrany any an-tokatrano any ka ny fahitanao fa ampian’Andriamanitra ny Fiangonana mampiasa itony teknolojy moderna itony no manetsika ilay fanenenana nihetsika tao anatin’ny fonao ka nahatonga ny fanairana satria ilain’ny fiainanao izany.

Ity no toriteny Paska. Fotoana izay tena manamarika ny fiainana satria ao anatin’ny andro Paska no tsy mandeha mivavaka sy tsy afaka miombona latabtra amin’ny Tompo fa mihiboka any an-trano manaraka fanompoam-pivavahana. Efa zava-dehibe izany fa ampio. Misy toro-hevitra ireto :

Ataovy lisitra izay tena nampangetaheta anao sy tianao atao ho an’ny Tompo ao amin’izao fotoana izao ;

– Soraty avokoa ny fanirianao rehetra ka heverina fa hamerenana aminao ny fiainam-panahinao ka hoatran’ny nisy fahabangana naterak’izany tsy fahafahana niara niombom-bavaka ;

– Manaova voady amin’izany voatanisa rehetra izany ho an’ny Tompo, hefao ny adidinao tsy hefa, ataovy ny fanompoana tsy tanteraka ary mihezaha manao fanoloran-tena vaovao ho an’ny Tompo.

Raha tontosa sy lavorary ary tanterakao izany dia izany indrindra no fijoroanao ho vavolombelon’ny Tompo noho ny fitsanganany ary izany no fahatanterahan’ny hijoroantsika vavolombelon’ny Tompo noho ny fandreseny.

Ho aminao mandrakariva anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny fiadanany ary ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.

Amena.

VAVAKA FANGATAHANA

Nisaotra sy nankatelina an’Andriamanitra ny Mpitandrina Raharijaona  fa raha te-hijoro ho vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo isika dia nomena sakafom-panahy sahaza sy tandrify ary fampaherezana  entina mijoro,  hahafahana manatanteraka ny adidy aman-draikitra amin’ny maha-kristiana. Velona tokoa ny Tompo, hoy izy,  ka resy ny fahafatesana, resy ny tahotra ka izany no mahatonga antsika manatona Azy ka mangataka Aminy. Nivavaka izy ho an’ny Fiangonana, ho an’ny mpitondra Fiangonana, ho an’ny mpitory ny Filazantsara  rehetra hahavita ny adidiny, ho an’ny kristiana rehetra eto Amparibe Famonjena mba tsy hiova ny finoany, ho an’ny mpino manerana ny tany, ho an’ny ondry izay nania.

Nivavaka izy ho an’ny faniriana sy fikasana rehetra an’izay nanaraka izao làlan’ny hazo fijaliana izao  mba ho efa tokoa amin’ny fanantanterahana ny voady masina amin’Andriamanitra amin’ny fotoana hahatontosa izany.

Nentiny am-bavaka ny mpino rehetra mangetaheta ny hahalevona ny herin’izao valan’aretina Corona virus izao. Nentiny am-bavaka koa ny mpitondra fanjakana rehetra, ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana, ny mpitandro filaminana. Nivavaka izy ho an’ny sahirana, ny marary, ny mana-manjo, ny voan’ny tsindry hazo lena. Ankinina eo am-pelatanan’ny Tompo izy rehetra ireny hoy ny vavaka nataony. Nakambana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izao vavaka fangatahana izao. Amena.  

ASA VAVOLOMBELONA:

Ny Salamo 138: 1-3   no novakian’ny Mpitandrina Raharijaona « Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ireo andriamanitra no hankalazako Anao. Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ny anaranao rehetra.

Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. ».  Mahatsiaro izany tonon-kiram-bavaka nataon’i Davida izany isika, nampitodika ny fo amam-panahin’ny Israely hifantoka mandrakariva amin’Andriamanitra. Toy izany ny nataon’ny firenen’Israely rehefa lasa babo tany Babylona izy ka tsy afaka nanatanteraka ny atao rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Tempoly masina . Hitantsika tokoa izany izao. Mifampahery isika, hoy ny Mpitandrina, satria mihatra amintsika koa izany amin’ny tsy fahafahantsika manatanteraka ny fanompoam-pivavahana ao am-piangonana.

Ny hafatra ho antsika sy hifampaherezana dia ny fihezantsika mihombona am-panahy hahatsiaro ny fiombonana latabatra amin’ny Tompo ao an-trano, mivavaka mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra io fotoana io.

Nivavaka ny Mpitandrina nisaotra amin’ny fahafahana mihombona amin’ny alàlan’izao fitaovam-pifandraisana izao, amin’ny fahatsiarovana am-panahy amin’ny fihombonana latabatra amin’ny Tompo isaky ny fotoanan’ny fandraisana ary indrindra ny Paska tahaka izao. Henoy ny vavakay, hoy izy, ka ny hetahetanay dia raiso ao an-dapan’ny fahamasinanao, hahatanteraka ny fanirianay.

Notsahivin’ny Mpitandrina ny Teny fanorenana izany Sakrameta masina izany sy ny Teny fanamasinana. Novakiany ny Teny ao amin’ny Isaia 55:1-2« He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo. »  Ary izy rehetra dia nisotro ny fosotrom-panahy iray ihany.

Natolony an’Andriamanitra ny dera sy ny laza ary voninahitra ary nangataka izy ny ampitoerina amintsika rehetra ny fiadanan-tsaina , fiadam-po ary fiadanam-panahy.  

FAMARANANA NY FOTOANA

Ny hira FFPM 173 : 1,5 « Hosana, hosana ho Anao anie » no natao avy eo  dia notononina ny tondrozotra ary natolotry ny Mptandrina Raharijaona ny tsodrano.Ny hira ao amin’ny Fihirana Fanampiny  41 « Jesoa no mpanavotra ahy » no namaranana ny fotoana.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Amena.

Naka sy nandrindra ny horonan-tsary : Harentsoa Rova sy Raharijaona Nirina

Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy sy Seta