- Meteza mitombo amin’ny finoana
Raha raisina eto izany dia misy hetaheta lalina tamin’ny Apostoly « Ampitomboy ny finoanay ». Rehefa nandre ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny Apostoly dia nahatsiaro fa tsy ampy ny finoana izay efa nananany.
Zava-dehibe ny fahatsapana hoe hatraiza moa ny finoana izay hanananao. Ny fananana hetaheta no dingana voalohany raha te hiroso.
Faharoa dia mila manaiky ny tsy fahatanterahintsika isika ka matoky ny fitiavan’i Kristy.
Nanana finoana miezinezina ireto Apostoly ireto. Nanana tanjona ara-pinoana lehibe izy ireo.
Mila manana hetaheta aloha isika voalohany raha te hanao zavatra tsara ka te hanatratra tanjona. Hetaheta hidera an’Andriamanitra, hiaraka amin’ny tanora.
Tokony manao toy ireto Apostoly ireto isika eo amin’ny fiainantsika izany.
Ny fitomboana amin’ny finoana dia entina miaina ny fitsipi-piainana omen’ny Tompo. Ireto avy izany fitsipi-piainana izany :
- Ny mpino dia tsy mpanafintohana olona (Loza ho an’ny olona izay miteraka fanafintohinana)
Ny mpino dia mitaona ny olona hanaraka ny Tompo, ny mpino dia mitandrina ny teny, ny tena, ny mpino dia mitsara ny teniny amin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra.
Mila manana fahasahiana isika amin’izao fotoana hatrehintsika izao, mila mivoaka amin’ny fahanginana isika noho ny fahatafintohinana ateraky ny toe-draharaha ankehitriny
- Ny mpino dia mananatra ary mamela heloka
Raha mananatra ny rahalahy dia atao amin’ny fahasoavana izany. Ny fanaranana ny olona dia miainga amin’ny tenin’Andriamanitra. Raha manao izany isika dia tsy atao amin’ny fo fotsiny.
Jesoa dia efa nampiantra antsika mba hifamela heloka ihany koa. Ny fepetra napetrany nefa dia misy ny fifonana ary misy ny fanekena izany fifonana izany.
Eo amin’ny fiarahamonina dia misy ny fifamelankeloka tokony ho tanterahina toy ny efa namelan’i Jesoa ny helontsika.
MIrosoa sy mitomboa amin’ny finoana amin’ny fanarahana ny Tompo
- Mampisy ny ts misy ny finoanao
Eo amin’ny andininy 6 dia milaza fa na madinika aza ny finoanao dia mety ahavitanao zavatra lehibe izany. Ny Tompo ia mitaky fanetre-tena aminao rehefa manao zavatra hianao. Tsy tokony handeha amin’ny herin’ny tena ny olona iray rehefa manao zavatra.
N’inona angatahina amin’ny anaran’ny Tompo dia tanterahiny izany. Raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany dia tanterahiny. Mila mankato sy manana fiombonana aminy isika raha te ho afaka tanteraka.
Tsy voatery hamorona ny tsy misy zay vao hanana finoana.
Ny finoana no hampahiratra indray ny fiainana sy ny fanompona izay tanterahinao.
Tsy tokony hiala sy hampiala ny hafa amin’Andriamanitra ary tokony mangataka fahatokiana amin’Andriamanitra mba ahatontosa sy ahalasa lavitra antsika amin’ny finoana.