Filazana avy any ivelany:
Nisy taratasy fisaorana avy amin’ny Foibe FJKM mahakasika ny fankalazana ny faha 25 taona nitandreman’ny MpitandrinaRAKOTONIAINA Jackson Rolland
Nambara fa alahady natoka na itrotroana am-bavaka ny FIFA anio
Anio no fisokafan’ny taom-pianarana akademikan’nyfaculté de théologie.
Ny 15 Novambra amin’ny sivy ora sy sasany ny fivoriamben’ny AFF Synodam- paritany Antananarivo Andrefana.
Nandefa taratasy fanasany mahakasika ny jobily faha 150 taonan’ny FJKM Anosisoa Ambohimanarina izay ho tontosaina ny 14 Novambra amin’ny sivy ora sy sasany maraina.
Raharaha anatiny:
Nampatsiahivina fa alahadim-bokatry ny Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranonkala anio
Tontosaina anio ao anatin’ny asa vavolombelona ny fandraisan-tanana sy fitsofan-drano ireo Vaomieran’ny fankalazana ny jobily faha 50 taonan’ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena.
Nampandrenesina ny fiangonana fa amin’ity herinandro manaraka ity no alahadim-bokatry ny SAMPATI.
Nambara ny voka-dalaon’ny Amboaran’ny Filohan’ny FJKM.
Nambara ny toetry ny vola nandritry ny herinandro.
Novakiana ireo filazana avy any amin’ny Sampana, Sampan’asa ary vaomiera. Anisan’izany ny fivoriambe faharoan’ny Sampana Dorkasy izay atao ny 12 Novambra
Ny fivoriamben’ny SLK kosa dia ho tanterahina ny 16 Novambra. Nampahafantarina ny mpianakavin’ny finoana ny fanombohan’ny fianarana Sekoly Alahady.
Nisaorana ny vaomieran’ny fifandraisana noho ny fahatontosan’ny fitsangatsanganan’ny fiangonana.
Nampilazaina ny komitin’ny trano atsimo mba hivory ny 12 Novambra amin’ny enina ora hariva.
Nentanina ny mpianakavin’ny finoana mahakasika ny fanomezana izay atolotra ireo mpiomana ho mpitandrina any Fianarantsoa.
Novakiana tamin’ny mpianakavin’ny finoana ny tolotr’asa mahakasika ny fitadiavan’ny fiangonana mpamily.
Fanentanan’ny Mpitandrina:
Niarahaba sy nirary soa ny Gazety sy tranonkala ny mpitandrina noho ny fankalazana ny ivom-bokany.
Nanentana ny mpitandrina ny irosoan’izay liana amin’ny fiofanana SEFALA sy Mpitandrina.
Nanentana ny fitondrana am-bavaka ireo ekipantsika mandray anjara amin’ny amboaran’ny filoha ny mpitandrina.
Nentaniny ihany koa ny mpianakavin’ny finoana hitondra am-bavaka ny fivoriamben’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona izay ho tontosaina eto amin’ny fitandremana Amparibe Famonjena.
Farany dia nisaotra ny Mpitandrina RAHOLIDINA Fiara Tsiriavotra ny Mpitandrina nanaiky nitondra ny tenin’Andriamanitra.