ALAHADY 9 OKTOBRA 2022
“ HAVAOZY NY FANOMPOANA ”

ALAHADY FAHA XVII MANARAKA NY TRINITE

FIVORIAMBE FAHA 26 SYNODAMPARITANYANTANANARIVO ANDREFANA (SPAA 10)

 “ Miorena tsara, aza miova ” I Korintiana 15 : 58

Nikatona ny trano fitandremana rehetra teto anivon’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) noho ny Fivoriambe. Ny fotoam-bavaka niombonana dia notanterahina teny amin’ny Kianjan’Alarobia nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina.

Ramamonjiarisoa Robert, Mpitandrina Filoha mpanampy, no nitarika ny fotoana. Razafindrakoto Hasinarivo, Mpitandrina Prezidà Synodaly (PS), no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny voalohany no narahina.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Nisy ny feon-javamaneno ary natao ny Fiarahabana apostolika (Romana 1 : 7). Ny andinin-tSoratra Masina fiderana dia ny Salamo 81: 1-3. Ny hira FF 7 “Tsy hainay ny hangina” no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra araka ny Romana 12: 1-2. Natao ny hira FFPM 748 : 1 « Havaozy, Tompo ô! » dia nisy vavaka fiaiken-keloka. Nohiraina ny FFPM 582 : 1 “Ry Jesoa ô! Tahio izahay”. Ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana dia tao amin’ny Apokalypsy 21 : 4-5. Nohiraina ny FFPM 487 : 1-2 « Fanavaozana izay mahagaga tokoa ». Notononina ny Fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany). Natao ny vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy. Rehefa izay dia nanao ny teny fiarahabana sy fisaorana ary firariantsoa ny mpitarika.

Raharaham-piangonana no nanaraka izany.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Andrianarivelo Volasoa, Mpitantsoratry ny SPAA 10, no nanao ny tatitra. Toy izao ny asa tsara hofantarina:

  • 15 oktobra 2022 : Fampianarana SAM isaky ny faritra ;
  • 15 oktobra 2022 : Fihaonamben’ny FDL eny amin’ny Toby Antambohomena ;
  • 24 oktobra 2022 : Fihaonamben’ny firahalahian’ny Mpitandrina eny amin’ny Akany Nomenjanahary Ambohimanga Rova ;
  • 25 oktobra 2022 : Fiheveran-draharaha tsy ara-potoana ao amin’ny FJKM Anosivavaka ;
  • 28 oktobra 2022 : Komity Lehibe ao amin’ny FJKM Soavimasoandro Fihavaozana ;
  • 01-02 novambra 2022: Fihaonamben’ny sampana, sampanasa, fikambanana ao amin’ny FJKM Analamahitsy.

Rehefa izay dia notantazana ny rakitra (roa) tao anatin’ny hiran’ny antoko mpihira mitambatra. Vavaka teo am-pitsanganana no nanolorana izany. Nohiraina ny FFPM 823 : 1-2 “ Hoderaina tokoa”, dia niroso tamin’ny fotoanan’ny ankizy sy ny tanora.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia ao amin’ny Matio 12 : 18a. Fanoharana momba ny afokasoka sy labozia no notantaraina: samy noforonina hitondra hazavana ireo na samy manana ny anjara asany aza. Matokia isika Fiangonana tenan’i Kristy fa nofidian’Andriamanitra isika hanompo Azy koa andeha hanaiky hanompo. Nisy vavaka natao tamin’ny endrika tononkalo.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina no namakiana misesy ny perikopa voalahatra, araka ny Deotoronomia 13 : 7-12 ; Lioka 14 : 12-14 ;I Korintiana 4 : 1-6.

Natao teo am-pitsanganana ny FFPM 181 : 3 “ Fanahy mpanazava, ny foko”. Toriteny no nanaraka izany.

 TORITENY (fintina)

Mila manavao ny fanompoana isan’andro isika toy ny anavaozan’ Andriamanitra ny fitahiany. Ny Fanahy Masina no mpanavao antsika. Mizara telo ny hafatra.

  • Alaviro ny andriamani-tsy izy (Deotoronomia 13 : 7-12)

Anatra natao tamin’ny zanak’Isiraely no eto. Rehefa nododosan’ny fahavalo sy azon’ny fitsapana izy ireo dia tsy nahatoky. Andriamanitra dia maniry mba tsy ho voarebirebin’izay milaza azy ho manana andriamani-kafa isika. Any amin’ny sehatra rehetra misy antsika mety hisy asesik’i satana. Tsy mahita fifaliana sy fiadanana isika rehefa misaraka amin’ Andriamanitra. Akaikezo mandrakariva àry Jesoa Kristy. Ny fanompoana tsy atao amim-pahazarana fotsiny. (Jaona 15 : 5).

  • Fanompoana tsy mila sitraka sy voninahitra (Lioka14 : 12-14)

Nasain’ny loholon’ny Fariseo i Jesoa Kristy teto. Ny fanasana olona manam-pifaliana dia fitadiavana sitraka, fa hoy Jesoa hoe : “ asao ny jamba, ny malahelo,… ” Tsy hoe faly fotsiny ianao fa zava-dehibe ny fahasambarana. Tsy diso fanompoana isika rehefa mizara famonjena. Mbola maro ny mahantra sy sahirana. Mila antsika ny manodidina antsika hizarantsika ny Tenin’Andriamanitra, hitaomantsika ny olona handray an’i Kristy sy hanoroantsika azy ireny ny lalana tena izy. Aoka tsy ho variana fa ho mendrika ny fanompoana niantsoana antsika.

  • Torio amin’ny fahamarinana ny Filazantsara I Korintiana 4 : 1-6

I Paoly no nitaona ny vahoaka tao Korinto. Misy tsy mitsinjo ny hafa fa manao ny tenany ho zavatra. Tanisainy ao daholo ny fakampanahy mpahazo ny olona. Aza lany andro amin’izany fa aoka ho mahatoky ianareo eo anatrehan’ny olona itorianareo. Amin’ny fotoana rehetra hafahanao manatanteraka fitoriana dia ataovy amin’ny fahamarinana izany, amin’ny fahamasinana, amin’ny finoana mba ho mendrika. Andraikitsika ny fahaizana sy fahasahiana mitory an’i Kristy ho an’izay mila izany, manafaka ny enta-mavesatra. Nomen’Andriamanitra ho adidintsika ny ao amin’ny Matio 25 : 21-23 sy Romana 12 : 12.

Atolory ny tenanao amin’ny fanavaozam-panahy, mahereza, andao hitory amin’ny fifaliana ao anatin’ny fifankatiavana. “ Miorena tsara, aza miova ”.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nisy feon-javamaneno fohy. Nohirain’ny antoko mpihira “ Antsoy Jesoa ” narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana izay nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo : « Rainay Izay any an-danitra ».

ASA VAVOLOMBELONA

Nohiraina ny FFPM 288 : 1-3 « Sambatra izay voafidy ho mpiasanao ». Nisy andinin-tSoratra Masina sy vavaka notarihin’ny Prezidà Synodaly. Noarahabaina sy nankasitrahina ny Mpitandrina sy ireo mpampianatra (mpiasa vaovao) ary mpianatra efatra (4) nahazo « Mention Bien » tamin’ny fanadinana Bakalôrea.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 639 : 1-3 “ Ry miaramila mandrosoa izao “. Notononina miaraka ny Trinite masina. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 37 minitra ny fotoana, izay notohizana tamin’ny fiarahana nandray ny Fanasan’ny Tompo.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Ny hira nataon’ny Mpandray nandritra izany dia ny FFPM 167 «  Midera ny Anaranao » ;   Antema 1 « Masina, masina, masina » ; FFPM 254 « Avia, ry mangetaheta ô » ; FF 2 « He ! manolo-tena ». Nomena ny hafatra sy Tsodrano. Nohiraina ny FFPM 530 : « Fitiavana rano velona ». Nirava ny Fiangonana tamin’ny 12 ora.

Ny fitanisana sy fisaorana ny mpiara-miasa dia notanterahin’ny PS nandritra ny fivoahan’ny vahoakan’Andriamanitra ny Kianja.

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra