ALAHADY 09 JANOARY 2022
“MAHARITRA TSY
MIOVA NY TOMPO”
Alahady natokana ho an’ireo tompon’andraikitra sy
mpanao raharaha ny Fiangonana
« Fa firenena
masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, fa ianao efa nofidin’i Jehovah
Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra
ambonin’ny tany » Deotoronomia 7:6
Alahady notarihin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy, alahady natokan’ny fitandremana FJKM Amparibe Famonjena nitondrana am-bavaka sy niarahabana ireo tompon’andraikitra sy mpanao raharaha ny Fiangonana no tanterina izao.
Ny fotoam-bavaka natrehin’ny Fiangonana mivantana tao an-tranon’Andriamanitra tamin’ny 9 ora maraina, izay notarihin’ny diakona ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-Panahy, Ramino Lalaina. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Ny litorjia endriny faharoa no narahina.
Nisy feon-javamaneno nandritra ny fidiran’ny mpitarika sy ny diakona. Azonao henoina eto ny hafatra.


FANOMBOHANA NY FOTOANA
Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 146 : 1-5 hoe : « Haleloia, miderà an’i Jehovah ry fanahiko. Hidera an’i Jehovah aho raha mbola miaina koa. Eny hankalaza an’Andriamanitra aho raha mbola velona koa. Aza matoky ny lehibe. Na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Mila ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy. Ary amin’izany indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny. » Nohiraina ny hira FFPM 171:2 « Tompo mandahatra hendry ».
Nisy vavaka fiderana sy fisaorana sy nanomezana voninahitra an’Andriamanitra noho ny nahafahana niombom-bavaka, nahazoana fitahiana sy velon’aina. Feon-javamaneno fohy ny nanohizana ny vavaka.


FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K6, Rado Navalona no nitarika izany.
Nivavaka izy teo am-panombohana ary andinin-tSoratra Masina noraisiny dia ny Isaia 41 :10a « Aza matahotra ianao fa momba anao Aho ».
Ny tantara fohy mahakasika tovovavy kely tao anaty fiaramanidina no nangalana ny hafatra. Nikoropaka, nikotaba, nikiakiaka, kivy sy ketraka, ny mpandeha sasany tao anaty fiaramanidina taorian’ny filazan’ny mpanamory ary fampandrenesany mba hamatotra tsara ny fehikibo fiarovana fa misy « panne » teknika. Nisy kosa ny nitomany, tao kosa ny nivavaka. Ankizivavy kely iray kosa no sady tsy nikorapaka ary tsy nikotaba fa nilamina tsara. Taorian’izay dia tafapetraka tsara ilay fiara-manidina. Rangahy iray no nahatsikaritra ny filaminany sy ny fahatoniny tsara ka nanontany azy hoe « fa maninona ianao no tsy mba mikotaba toy ny olona rehetra ?», namaly ity ankizivavy kely nanao hoe « fantatro ilay mpanamory ka tsy matahotra aho, mayoky azy aho, fa ny raiko izy ».
Raha ampifandraisina amin’ny fiainantsika izany dia :
– Fiaramanidina : izao tontolo izao
– Mpanamory : Jesoa Kristy
– Mpandeha : olona rehetra toa ahy sy ianao
– Olana ara-teknika : olana isan-karazany miseho amin’ny fiainantsika
Hitan’ny Tompo avokoa ny olantsika rehetra, tahotra sy tebiteby sy ahiahy. Ataon’ny Tompo avokoa izay rehetra anavotany antsika.
Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny hira FFPM 430 :3-4 « Endrika Sariaka ».


FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Natao avy hatrany ny hira FFPM 206 :1-4 « Ny Teny Masinao ». Nivavaka nangataka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny diakona Rabenandrasana John avy ao amin’ny Vaomieran’ny Aim-panahy. Razafimaharo Hanitra kosa no namaky ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, araka ny perikopa voalahatra : Deoteronomia 7:6-11, Marka 12:28-34, Jakoka 1:16-21. Nohirain’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFPM 177 : 1-2 « Ry Fanahy Mpanazava» mialohan’ny Toriteny.


TORITENY
Ny Deoteronomia 7 :6-11 no andinin-tSoratra Masina nitondrana ny hafatra.
Miompana amin’ny lohahevitra hoe « Maharitra tsy miova ny Tompo », sy ny alahady fiarahabana ireo mpanao raharahan’ny Fiangonana.
Ny zanak’Israely hiditra tao amin’ny tany Kanana no resahana eto. Ny tany Kanana dia voalaza fa misy firenena fito matanjaka, lehibe sy mahery. Raha tsy maharesy ireo izy ireo dia tsy afaka miditra sy mandova izany tany Kanana izany. Ny teny hoe « lehibe » eto dia hilazana ny tanàna efa mandroso, manana sivilizasiona matanjaka. Raha eo amin’ny lafiny ara-tafika kosa dia efa lasa lavitra, raha manoloana sy ampitahaina ny zanak’Israely izay tsy manana na inona na inona fa hazo sy tehiny no entiny miady. Ny « mahery » kosa eto dia entina hilazana zavatra goavana, olona « géant » no hiady aminy, misy eo amin’ny efatra metatra ny halavany ary roa metatra ny sorony. Izany no olona hiady amin’ireto Israely ireto. Nampanantenaina sy nomen’i Jehovah Andriamanitra azy ireo mantsy io tany Kanana io ho lovany.
Marihina fa firenena voandevozina tany Egypta ireo handeha hanafika ny tany Kanana ireo, ary nalefa andeha hiady ary hiditra ny tany Kanana. Izay no hisintonan’Andriamanitra ireto zanak’Israely ireto hiditra ny tanana tondrahan-dronono sy tantely.
Eto dia misy ny fitsipika sy didy nasaina narahan’ireto zanak’Israely ireto mba hitarafana ny Tenin’Andriamanitra, ary ho tsarovany fa masina eo anatrehan’i Jehovah izany Israely izany.
Zavatra roa no azo tsoahina amin’ity andinin-tSoratra Masina ity :
– Fitazonan’Andriamanitra ny fanekena
– Fitandreman’Andriamanitra ny fiainianany


1-Fitazonanan’Andriamanitra ny fanekena eo amin’ny olona na ny firenana
– momba ny firenena Andriamanitra raha mitandrina ny fanekena nataony io firenena io,
– mandringana io firenena io kosa Izy raha mitsangana ho fahavalony io firenena io,
Izany no tokony ho tsarovantsika eo anatrehany ny fanekena ataontsika raha manao voady isika. Ohatra noraisina ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo, Diakona, afaka fanadinana….. Tadidio fa zavatra roa no miandry antsika : na isika tahin’Andriamanitra sy ombany , na isika haringany.
Asehon’Andriamanitra amin’ny alalan’ireto firenena ireto ny fitazonany ny fanekeny :
natokana sy nosarahan’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao izany firenena Israely izany. Masina toy izany isika, voatokan’Andriamanitra, tsy tian’Andriamanitra hifangaroharo amin’ny hafa. Rehefa manao fanekena eo anatrehan’Andriamanitra dia masina.
olona nofidin’Andriamanitra ho rakitra soa ho azy (Deoteronomia 30-31 ), maharitra hatramin’ny taranaka mifandimby (arivo mandimby), izany hoe maharitra mandrakizay, « génération » iray eo amin’ny 50taona.
Mialoha ny hidirany amin’io tany Kanana io dia asehon’Andriamanitra fa firenena nofidin’Andriamanitra ary masina izy ireo. Ary azon’ny firenena Israely tokoa ny tany.
Maharitra tsy miova ny Tompo, ilay didy napetraka tamin’ny andron’i Mosesy dia tokony ho tanterahina. Ny fanekena an’Andriamanitra dia tokony ho tanterahintsika tahaka ny nandovana ny tany Kanana. Ny didy izay napetrak’Andriamanitra eto dia : ny fitiavana Azy, sy ny fitiavana ny namana. Isika no mandova ny firenena Israely izany. Izany didy izany dia natao hitiavana amin’ny fo, ny fanahy, ary ny hery manontolo.
Ao anaty ny fandraisan-tanana ireto mpanao raharahan’ny Fiangonana ireto dia misy ny didy, ny fitsipika, ny fanekena napetraka ato anatin’ny Fiangonana . Rehefa miditra ka handray ny andraikitra ianao dia ny Tompo no nanaovanao ny fanekena. Matoa mandray izany andraikitra izany, dia tandremo ny manao kitoatoa izany raharaha izany. Raha te handova izany fiainana mandrakizay izany ianao dia manaova tahaka ny zanak’Israely niditra ny tany Kanana. Izany no antom-pisian’ny andro alahady na fotoana manokana ho azy ireo, satria zava-dehibe amin’ny Fiangonana io asa atao io. Olona masina eo anatrehan’Andriamanitra ka Izy no hitsara anao. Andriamanitra no mamporisika hanao ny asa. Na mpiasam-panjakana na mpiasa « privé » isika, na ato anaty Fiangonana na ivelany Fiangonana dia tokony ho hita taratra ny maha kristiana.


2-Mitandrina ny fianianany Andriamanitra
Asehony amin’ny zavatra roa izay nitondrany ny firenena Israely izany :
Famonjena azy amin’ny sarotra
Famindram-pony amin’izay tiany satria mankatoa Azy
Maharitra tsy miova Andriamanitra. Ho tanterahina amiko sy aminao koa izany teniny izany. Izay no antony nandraisana ny vinan’ny FJKM hoe « Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’ny Madagasikara. » Ary toriana etsy sy eroa. Andriamanitra tena maneho izany tahaka ny zanak’Israely, firenena fito no roasina. Resy ireo firenena fito ireo, voaraoka, ringana teo anatrehan’ireto firenena kely ireto satria Andriamanitra no namonjy azy ireo tamin’ny sarotra.
Famindram-pon’Andriamanitra mitoetra eo amin’ny olona izay tia azy. Rehefa natoky ity firenena ity dia nandresy. Jakoba eto no resahana, ilay mpanompon’Andriamanitra nanoratra ity epistily ity. Olona masina eo anatrehan’Andriamanitra, miteny sy mamporisika nohon’ny fahitany sy ny fahalalany ny fitondran’Andriamanitra ny firenena. Mihainoa sy mankatoa ry Israely, aza mety fitahana ianareo. Mihaino sady mankato izay ambaran’Andriamanitra no andrasana amin’ny Mpino.
Alahady natokana ho an’ny mpanao raharahan’ny Fiangonana anio, Andriamanitra mitana ny fianianany, ianao kosa ahoana?
Mihainoa sy mankatoa ianareo, tanteraho tsara ny andraikitra. Ho anao izay nofidin’ny olona, izay nantsoin’Andriamanitra, namindran’Andriamanitra fo sy novonjeny ianao, tanteraho ny fanompoanao. Hoy ny teny Soratra Masina « Fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».
Aoka hanatanteraka tsara ny andraikitra isika, aza manilika amin’ny ry zalahy izay tsy hita mandraka androany, fa tanteraho ny fanompona amin’ny fifaliana, amin’ny fahazotoana ny asan’ny Tompo. Aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo isika. Ny famindrampon’Andriamanitra no naha toy izao antsika.
Hafatra : izaho sy ianao nanao fanekena ho Kristiana, « Aza manadino ny fiarahantsika miangona tahaka ny fanaony sasany » (Hebreo 10:25a). Aoka isika tsy ho variana. Mitaona anao ny Tenin’Andriamanitra izay tsy nijanona tamin’ny andron’ny zanak’Israely fahiny ihany, fa hatramin’ny ankehitriny ka mandram-piverin’Andriamanitra.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.
Taorian’ny feon-javamaneno fohy dia nanao ny anjara hirany ny Sampana Taniketsa « Hidera ny Anarany »
Nanao ny vavaka fifonana ny mpitarika sy nanolotran ny Teny famelan-keloka. Notononin’ny Fiangonana ny fanekem-pinoana niarahana tamin’ireo vavolombelona talohantsika (Lah.2). Nisy feon-javamaneno.


RAHARAHAN’NY FIANGONANA
Rakotomanana Andry, Birao-mpiangonana-Mpitantsoratra, no nilaza ny raharaham-piangonana, Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia noraisiny tao amin’ny Deoteronomia 7:9 « Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby »
Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka:
· Tanterahina anio eny amin’ny FJKM Andrainarivo ny famindrana andraikitra eo amin’ny FLM/FJKM amin’ny fitantanana ny FFPM
· Fanaovazana ireo komity sy vaomiera ao amin’ny foibe FJKM. Izay liana ny amin’izany dia mandefa ny anarana feno mialoha 25 janoary 2022
· Fiarabahana sy fitondrana am-bavaka ny mpanao raharaha sy ireo manolo-tena an-tsitrapo ny asan’ny Fiangonana androany
· Sabotsy 15 janoary : Fivorian’ny mpihevi-draharaha amin’ny 8 ora maraina
· Alahady 16 janoary :
– Mikatona ny Fiangonana noho ny fanompoam-pivavahana sy fangatahampitahiana ny Filoha FJKM mianakavy eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Amin’ny 6 ora sy sasany ny fahatongavan’ny Diakona tompon’anjara eny antoerana
– Antsam-panahy karakarain’ny komity 185 taona namonoana ny maritiora, amin’ny 5 ora hariva eto amin’ny FJKM Amparibe, handray anjara amin’izany ny antokom-pihira HAFA
· Alahady 23 janoary : alahadin’ny firaisan’ny Sampana, fanokafana ny taom-pankalazana ho an’ny Sampana hanamarika izany mandritra ity taona 2022 ity : STK, STKZo, Gazety Taratry ny Famonjena, Sampan’Asa Fitoriana ny Filazantsara, Komity fankalazana ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina izay hiasa mandritra ny roa taona
· Fanentanana ny Fiangonana hivavaka, hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana : ny elanelana 1 metatra, hanao aro-vava orona, hanasa tanana amin’ny rano sy savony



RAKITRA SY FANOMEZANA
Razafindraibe Bam, Biraom-piangonana, no namaky ny tatitry ny Vokadehibe voaray sy ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 44 :1
– Hira FF 53:3 « Havaoziko ny voadiko », noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2022, ny fifankahitany Ray amandreny sy ny zanaka.
Hira fanolorana ny rakitra FFPM 441 : 3 « Raiso ny fahaizako » no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena.
ASA VAVOLOMBELONA
Fiarahabana ireo tompon’andraikitra sy ny mpanao raharahan’ny Fiangonana.
Ho fandraisan-tanana azy ireo dia nilahatra nandalo teny amin’ny alitara rehefa voaantso tsirairay ny anarana sy ny andraikitra ka notolorana valopy misy ny teny fiarahabana sy « calendrier » tetikandro 2022






VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika izany. Nentina am-bavaka ny fanompoam-pivavahana ho amin’ny firaisan’ny Sampana, ny fanompoam-pivavahana hatao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ireo nahavita sy mbola handray anjara amin’ny voka-dehibe, ireo nangataka vavaka noho ny tsy fahasalamana, ireo mpanompo nanana havana nodimandry, nentina am-bavaka ireo manana hataka manokana rehetra, ny fihaonan’ny ray amandreny sy ny zanaka. Nofaranana tamin’ny « Rainay izay any an-danitra » niara-notononina izany.
FAMARANANA NY FOTOANA
Nohiraina ny hira FFPM 462 :1 « Eo an-tananao ry Raiko ». Notononina ny tondrozotra 2022. Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano. Ny hira FFPM 347 « Derao Andriamanitra » no hira namaranana ny fotoana. Nipetraka ny Fiangonana ary notononina ny Trinite.



IREO TOMPON’ANJARA
· Nitendry orga: Rajaofetra Philippe sy Rajaofetra Anthonio (mpiofana ho mpitendry orga)
· Nikirakira ny fafana: Rakotondramboa Andry
· Nikirakira ny fanamafisam-peo: Ramahery Yves, Rabiazamaholy Hery Lanto
· Naka sary: Andriamampianina Faneva
· Nandray an-tsoratra: Raoliarizaka Bakoly