Fototra iorenan’ny finoana mihitsy (fondation) ny tenin’Andriamanitra ka tsy maintsy henoina sy ankatoavina raha te hirona amin’ny finoana ny mpanara-dia ny Tompo sy ny mpihaino azy. Isika mianatra ny Soratra Masina dia efa mihaino izany hoe mandre, mamaky ny Soratra Masina. Mankato izany hoe mampihatra ny teny nohenoina ary mampihatra eo amin’ny fiainana. Zava dehibe ny fampiharana ny tenin’Andriamanitra. Hamafisina izany ao amin’ny Jakoba 1, 22 : “Fa aoka ho mpakato ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo”. Ary mbola hamarininy Jeso izany ao amin’ny Lioka 11, 28 :” Mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany”.
Ohatra noraisina tamin’izany ihany koa ny fampianarana nataon’ny Ray aman-dreny Filohan’ny FJKM IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi fony izy mbola nitondra sy nitandrina tao amin’ny FJKM Androndra. Nampianatra tsianjery manao hoe ” ny tenin’Andriamanitra ianarana dia tsy mety mihintsy raha tsy asiana fampiharana”. Noho izany dia tena zava-dehibe ny fampiaharana ny tenin’Andriamanitra ary ny finoana dia avy amin’ny teniny Kristy. Romana : 10, 17 “Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’iKristy”
Zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ny Soratra Masina. Mampihorona ny finoantsika, ho tsara fototra, tsy aza hozongozonina. Misy amintsika mazoto mivavaka kanefa toa variana amin’ny zavatra any ivelany. Mila ampahatsiahivina isan’andro ny tenin’Andriamanitra. Ny fampiharana anefa tavela. Tokony hatao ny mamaky Baiboly isan’andro sy mianatra ny Soratra Masina any amin’ny sampana na conference, ….. Samy misaintsaina izany isika.