ALAHADY 9 AOGOSITRA
Alahady faharoa
« Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany » Habakoka 2:4

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA
FOTOANA HOAN'NY ANKIZY SY NY TANORA - SEKOLY ALAHADY
Mila mitandrina mafy tsara isika amin’izao fotoana izao noho ny valan’aretina Corona. Mila mihiboka. Ao antrano no mivavaka, mianatra, manao zavatra maro. Leo ary ity zaza iray ka niresaka tamin’ny reniny.




FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
TORITENY

Izany no asongadina amin’izao fotoana mihavaka hitondrana am-bavaka sy hanokanana fotoana ho an’ny Komity Fanorenana ny Tsangabaton’ny Maritiora eo amin’ny FJKM sy eto Amparibe Famonjena ihany koa. Ny lohahevitra banjinintsika sy hitaizana ny fiainam-panahintsika mandritra ity volana aogositra ity dia hoe « Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino »
- Finoana mahavita asa mahagaga ( Hebreo 11 :32-35)
Tsy ny olona rehetra niasa teo amin’ny fireneniIsraely fa santionany, notsongaina mba hampivoitra izany finoana hitondra hafatra sy aim-panahy
Tsy olona masina be fa samy nanana ny kilemany sy ny fahalemeny nefa nantsoin’Andriamanitra
- Misy ny nanehon’Andriamanitra asa mahagaga
- Misy fandresena natolotr’Andriamanitra
- Fampaherezana natolotra tao anatin’ny fahakiviana
Natsangana sy najoro ny KFTM :
– hatsiarovana sy halalana ny asa nataon’Andriamanitra ka raisin’ny malagasy ho finoana
– hampirehitra tsara ny finoana sy fananatenana
– Najoro ho fianarana sy fanarahana ny dian’ny maritiora
- Finoana niaretana ny mafy teo amin’ny fiainana (Hebreo 11 :36-40)
Misy ny fanehon’Andriamanitra fomba samy hafa araka ny sitrapony
- Ao no hiaretana fijaliana
- Ao no hianjadian’ny eso sy latsa
- Ny fakampanahy mafy sy sarotra sedran’ny olon’Andriamanitra
Avelan’Andriamanitra lalovana izany satria mizaha toetra antsika Izy mba hafantarantsika ny tena finoantsika. Ny asan’Andriamanitra dia ho an’ny olona manokana ary koa ho an’ny firenena manontolo
An’Andriamanitra ny voninahitra, ho ahy sy ho anao ny fahafahana mijoro ho maritora matoky hatramin’ny fahafatesana. Amena
Nisy feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny ary nisy hiran’ny Sampana Taniketsa.



VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA
Izao vavaka izao dia nakambana sy nofaranana tamin’ilay vavaka nampianarin’i Jesoa : « Rainay izay any an-danitra… »
Natao ny fanononana ny fanekem-pinoana laharana faharoa, avy eo dia nohiraina ny hira FFPM 639 : 1-3 “Ry miaramila! Mandrosoa izao.”
FAMARANANA NY FOTOANA
Ny Mpitandrina no namarana ny fotoana, nisaotra an’Andriamanitra tamin’ny nahafahana nanatanteraka ny fotoana ary nametraka izao hafatra manaraka izao :
- Aoka hifampitondra am-bavaka mandrakariva isika
- Arao hatrany ny fandaharam-potoana ao amin’ny Facebook ho an’ny mpiangona mba hitombontsika amin’ny finoana
- Mandraisa anjara amin’ny Rojom-bavaka
- Tanterao ihany koa ny adidy izay azontsika atao
Dia ho tanteraka amintsika tokoa anie ny vinantsika izay manao hoe : « Amparibe Famonjena matahiry ny finoana, mifankatia, miasa amin’ny fahazotoana »
Natolotry ny Mpitandrina ny tsodrano taorian’ny fanononana ny tondrozotra 2020.
Ny Atema faha 5 no hira namaranana ny fotoana
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra! Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen
IREO TOMPON'ANJARA
- Nitendry ny feon-javamaneno: Rabiazamaholy Mahery
- Nandrindra sy naka ny horonon-tsary sy ny sary : Rabemananoro Jonathan
- Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy
- Nikirakira ny feo: Randriamahefa Tinarivony