ALAHADY 08 MEY 2022
“ MANAVAO NY FANAHY MASINA ”

Alahady fahatelo manaraka ny Paska

Ivom-bokatry ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK)

 “ Miorena tsara, aza miova, ry lehilahy mahery ” I Korintiana 15:58, Mpitsara 6:12b

Amin’ny maha alahadin’ny Sampana Lehilahy Kristiana manerana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny anio dia ny Filoha mpanampin’izany Fikambanana izany eto anivon’ny Fitandremana, Rabe Harimanana, no nitarika ny fotoam-bavaka. Noho ny fifanakalozana polipitra dia ny Mpitandrina avy ao amin’ny FJKM Ambatobe Ziona Fanantenana Synodamparitany Antananarivo Atsinanana, Rajaonary Rahajamiakatra, no nitondra ny Tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoakany teto Amparibe. Ny litorjia iombonana manerana ny sahan’ny FJKM, endriny voalohany, no narahina. Nisy asa sy fampaherezana taorian’ny fotoam-bavaka. Azonao henoina ato ny hafatra.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno sy ny fanolorana dia natao ny fiarahabana apostolika. Ny andinin-tSoratra Masina fiderana dia araka ny ao amin’ny Salamo 108 : 1-6 hoe : « Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko ; ny fanahiko no hihira sy hankalaza. Mifohaza, ry valiha sy lokanga ; hifoha maraina koa aho. Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, Jehovah ô, ary hankalaza Anao eny amin’ny jentilisa. Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao ; ary mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao. Misandrata any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô ; ary aoka ho ety ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao. Mba hahafaka ny malalanao, dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho, ka valio. »

Ny hira FFPM 351 : 1,3 : Tsy hangina re ny hoby no nanaraka izany ary vavaka fisaorana.

Midera sy mankalaza ary misaotra Anao izahay, ry Tompo ô! noho ny soa rehetra nomenao anay. Misaotra Anao fa afaka manatona Anao amin’ny fifaliana eto amin’ity vavahadin’ny lanitra ity izahay, hihaino sy handray ny Teny fiainana atolotrao anay. Misaotra Anao izahay fa mbola nomenao anjara amin’izao fanompoana masina iarahanay manatanteraka izao. Misaotra noho ny fijoroan’ny SLK eo anivon’ny sahan’ny FJKM manontolo sy eto amin’ny Fitandremana. Mangataka Aminao izahay ho an’ny SLK, mba ho sampana mihavao hatrany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary ho sampana velona, izay nantsoinao hitondra ny fanilo fahazavana amin’ny fitoriana ny Filazantsaranao, ka hijoroan’ireo mpikambana vavolombelona eo amin’ny ankohonana, ny fiarahamonina, indrindra eo anivon’ny Fiangonana, amin’ny asa fanompoana rehetra ataony, ho porofo fa lehilahy kristiana marina mpitarika manahaka an’i Kristy Lohan’ny Fiangonana izy. Tanteraho sy amarino eto àry, Tompo ô! ny Teninao ny amin’ny fanatrehanao ny olona mivory amin’ny Anaranao fa mangetaheta Anao izahay. Koa tariho amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina izahay, amin’ny zavatra rehetra hataonay ho fanomezam-boninahitra ny Anaranao Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy no anandratanay izany vavaka izany. Amen.

FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’ Andriamanitra araka ny Romana 8 : 5-7 hoe : « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo ; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana ; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana sy fiadanana satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany ».

 

Natao ny hira FFPM 643 : 1,2 « Ô, mandrosoa mba ho tena mpandresy », dia natao ny vavaka fifonana.

Ry Rainay Izay any an-danitra ô! Miondrika eo anatrehanao izahay. Vao avy nahare ny didinao izahay ka sady mahatsiaro menatra sy mangahiahy fa tsy nahatanteraka izany sitraponao izany. Kanefa misaotra Anao izahay, fa tsy mamaly anay miaraka amin’izay, araka ny fahotanay Ianao, fa mbola mamela anay hibebaka Aminao. Koa indreto izahay manatona Anao, amin’ny fo torotoro sy mangorakoraka, tariho izahay hahay hibebaka marina Aminao, dia mamelà ny helokay ary aza tsarovanao intsony ny fahotanay. Mangataka Aminao izahay, Ray masina ô! diovy izahay ho afa-pahotana amin’ny alalan’Ilay rà soan’i Jesoa Zanakao. Havaozy ny fanahinay mba ho fonenan’ny Fanahinao Masina, ka hiaro anay amin’ny ratsy rehetra araka ny filàn’ny nofo, fa hitomboanay amin’ny fahamasinana kosa. Ray ô! vonjeo izahay fa tsy mahavonjy tena. Tehirizo eo am-pelatananao izahay, fa tsy misy maharombaka ny eo an-tananao. Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay, mihainoa anay, ry Andriamanitra Fitiavana ô! ka valio ny vavakay. Amen.

Nohiraina ny FFPM 383 : 1,3 : Ô, ry mpanota aza mba mandà 

TENY FAMELAN-KELOKA 

Nisy ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana manao hoe : « Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary Izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko ; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Izay mahavoky soa ny vavanao… Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’izay nitsangana teo anoloany hoe : Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy : Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiankajoiko akanjo fihaingoana ianao…  Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao Aminy kosa isika » Salamo 103 : 1-5a ; Zakaria 3 : 4 ; 2 Korintiana 5 : 21.

Nohiraina ny FFPM 487 : 1,5 : Fanavaozana izay mahagaga . Notononina ny fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany). Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy avy eo.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny kilasy faha 6, Zanaharitsimba Rova, no nitarika izany.

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra dia :  » Fa efa nomena ny Fanahy Masina «  Asan’ny Apostoly 19 : 2b.

I Josoa izay nandimby an’i Mosesy hitarika ny zanak’Israely tany amin’ny tany Kanana no resahina ao amin’ny Deoteronomia 34 : 9. Nanana fahaiza-manao sy fahalalana manokana izy noho ny Fanahin’ Andriamanitra tao aminy ka vitany ny nitaiza ny olona hankatò sy hiaina ny Tenin’Andriamanitra ary nihaino sy nanaraka azy ny zanak’Israely. Mitaiza antsika mba hanana fahendrena toa an’i Josoa ny Fanahy Masina Izay nomen’ Andriamanitra antsika. Manabe antsika hihavao ny Fanahy Masina hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ary miasa ao anatintsika mandrakariva Izy, hahaizantsika manovo ny tena fahendrena. Tokony hangataka fahendrena amin’Andriamanitra isika amin’izay rehetra atao.

Nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny FFPM 768 : 1: Endrey ! Endrey ! Tompo ô ! taorian’ny fanononana ny andinin-tSoratra Masina. Nisy vavaka. Nitohy ny fotoana.

TATITRY NY ASAN’NY SAMPANA

Ny mpitantsoratry ny fivorian’ny SLK Rakotovololona Lova no nanao izany tatitra izany.

Nataony ny tsiahin’ny antom-pisiana sy tanjon’ny sampana. Nisongadina tamin’izany ny hoe mitaona ny lehilahy hanankina ny fiainany sy ny ankohonany amin’ Andriamanitra, ho môdely. Nomarihiny fa tsy mifidy taona ny fidirana amin’izany sampana izany. Ny vinan’ny SLK Foibe dia hoe : “ Mitombo amin’ny fahatsarana, mitombo amin’ny fahamaroana ary mirindra amin’ny fomba fiasa”. Rehefa izay dia novakiana ny hafatra avy amin’ny SLK Foibe, izay mankalaza an’Andriamanitra noho ny faha 40 taona (Kolosiana 3 : 15). Efa voatokana ny ivotoerana any Foulpointe. Anisan’ny ezaka tsangambato ny famoahana boky ho fitaizana ; fananganana zatovo isaky ny Fitandremana ; fividianana fiara tsy mataho-dalana hoentina miasa. Kasaina hotanterahina any Taolagnaro Synodamparitany Ambovombe Atsimo ny 26-28 aogositra 2022 ny fihaonamben’ny SLK. Hisy tafika masina any amin’ny lalampirenena faha 7 sy 13 mandritra ny dia.

Taorian’izany dia nanao ny hira “ Fanahin’ny hazofijaliana ”ny sampana.

RAHARAHAM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Razafimaharo Mamy, Birao Mpitantsoratry ny Fiangonana, no namaky ny vaovaom-piangonana. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Lioka 10 : 20.

Toy izao ny asa tsara fantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka :

Asa ivelany 

Alahady 15 mey 2022 : natokana ho fitondrana amim-bavaka sy hanohanana ny mpiasan’ny Foibe, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, seho an-tsehatra hiarahana amin’ny Feo dimy sy Laurent Rakotomamonjy.

Asa anatiny 

-Sabotsy 14 mey 2022 amin’ny 3 ora sy sasany : fivoriambe voalohan’ny Sampana Sekoly Alahady “ Antoky ny Famonjena ”, iantsoana ny ray aman-dreny, ny mpampianatra sy ny mpianatra manomboka K7 noho miakatra.

-Alahady 15 mey 2022 : amin’ny 8 ora maraina fivorian’ny mpihevi-draharaha ao amin’ny Akany Rainimamonjy, ivon’ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 60 taonan’ny SAMPATI “ Herin’ny Famonjena “.

-Sabotsy 4 jona 2022 : ivon’ny fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha 20 taona naha Talen’ny Tranomboky Antso an-dRamahaleo Zo.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ralaindimby Haja, Birao Mpitantsoratry ny volam-piangonana, no namaky ny voady rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Salamo 37 : 4-6 izy. Toy izao manaraka izao ny hetahetan’ny mpianakavin’ny finoana nentina teo anivon’ny Fiangonana : fisaorana an’ Andriamanitra sy fangataham-bavaka: tao ny nahazo fahasoavana, ny fianakaviana any ampitan-dranomasina nangata-bavaka, ny zafikely hanala fanadinana.

Ny hira nangatahin’ny mpianakavin’ireo finoana ireto izay nataon’ny Fiangonana nandritra ny fanantazana ny rakitra dia : FF 29 : 1: Tsy mba hisy reharehako ; FFPM 627 : 1: Vimbino tsara izahay ; FFPM 630 : 1: Ry Jesosy mba tantano ;  Misaotra Anao izahay .

Ny hira vavaka FFPM 4: 4: Mamy ny fitianao no notanterahina teo am-pitsanganana ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana fanolorantena. Ny mpitantsoratry ny vola Rajaofetra Philippe sy ny mpitahiry volan’ny SLK Rakotomalala Johary no teo amin’ny alitara nandray ny rakitra faharoa ho fanohanana ny asan’ny SLK.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 213 : 1,2: Ry fanahy mangetaheta. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina sy namaky ny Testamenta Taloha ny mpikambana Ratavilahy Roland. Ny mpanolotsaina Rasolonjanahary Fidy no namaky ny ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny Perikopa voalahatra dia : Deoteronomia 34 : 5–12 ; Jaona 7 : 37–44 ; Asan’ny Apostoly 19 : 1-7.

Natao teo am-pitsanganana ny FFPM 164 : 1: Jesosy irery ihany. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY (Fintina)

Ny Asan’ny Apostoly 19 : 1-7 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra androany.

I Paoly eto dia nanatanteraka teny fampanantenana ho an’ny vahoaka tao Efesosy. Manodidina ny 25 taona taorian’ny Pentekositra voalohany, nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Fiangonana, no nitrangan’ny tantara : 12 lahy niova fo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’i Apolosy no resahina. Nanana adidy sy andraikitra ity farany nametraka ny maha zava-dehibe an’Andriamanitra.

Mampieritreritra ihany hoe tena nandray ny Fanahy Masina tokoa ve ny nahare ny Filazantsara, mino, vita batisa, tsy sahy miasa, tsy vonona hanolo-tena ? Misy aza mitsoaka, mifanilika andraikitra. Mbola misy ny loham-pianakaviana tsy sahy mitarika ny ankohonany hanatona an’Andriamanitra. Havaozy ny toetra ratsy.

Nomanin’i Apolosy tsara ireto lehilahy ireto (and.5-6) : nazavaina sy notarihina ka resy lahatra. Ny Fanahy Masina nomena no nahavitan’ny olona ny asan’ Andriamanitra, tsy nisy tahotra.

Ny lehilahy rehetra nomen’ Andriamanitra fahasoavana. Aoka tsy hiova amin’izay nanendren’ Andriamanitra sy fanapahan-kevitra noraisina amin’ny fanolorantena. “ Miorena tsara, aza miova ”. Enga anie ho betsaka ny lehilahy hanolo-tena aorian’izao toriteny izao, ho reharehan’ny Fiangonana.

Mandiniha tena raha tena ao aminao marina ny Fanahy Masina. Raha mbola tsy ao aminao izany dia mivavaha mafy mba hanana Azy sy ho afaka miasa.

Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nisy feon-javamaneno fohy. Nihira ny Sampana Taninketsa izay narahin’ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina nitory Teny ihany no nitarika izany. Nisaotra an’ Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana mba hahafahana mijoro vavolombelona rehefa avy nandray ny Fanahy Masina. Voatonona koa ny fanoloran-tenan’ny SLK, ny ezaka sy fandaminana, ny fiombonana sy fifankatiavana, mba hahita fifaliana amin’ny alalan’ny asa tanterahiny, hiroborobo izany sampana izany. Ny eo anivon’ny FJKM mba ho lehilahy mahery, ny sampana manontolo iriana hitoeran’ny Fanahy Masina amin’ny zara fanompoana. Nentina amim-bavaka ny Fiangonana ho jiro manazava ny rehetra izay mbola ao amin’ny maizina ; ny fiainan’ny Fiangonana ; ny tsirairay avy ; ny tokantrano, ny asa sy fahasalamana. Porofon’ny fahasoavana sy fitahiana avy amin’ Andriamanitra ireo nanao raki-pisaorana, Izy mihaino, mamaly vavaka ary manatanteraka izany. Nofaranana tamin’ny « Rainay izany any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hira FFPM 701 : 1,2: Ny hiran’ny lanitra tsara tokoa .

Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ” Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; Petera voalohany 5 : 5b.

Natolotra ny tsodrano dia noredonina ny hira vavaka: Mialoka aminao. Nisy ny vavaka mangina sy ny fanononana nyTrinite ary feon-javamaneno.

Nisy asa sy fampaherezana taorian’izay.

NY TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto

Nikirakira fafana : Rabako Tovohery, Rajaofetra Arielle

Nikirakira fanamafisam-peo : Randriamahefa Tina

Naka sary : Rabemananoro Jonathan

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra