Nandray ny teny famelan-keloka ny fiangonana, izay nalaina tao amin’ny Zakaria 1, 3« Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. » sy Isaia 1,18« Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. » (Isaia 1:18) ary ho setrin’izany dia natao ny hira FFPM 538 and 1-2,
Ny fanekem-pinoana laharana faharoa no niarahan’ny mpino natao, ary nitohy tamin’ny vavaka mangina izany.