Nanatanteraka ny tatitry ny sampana ny mpitantsoratra Rabenasolo Landy. Sekoly alahady misitraka ny fiadanan’ny Tompo. Anisan’ny voalazany ary ireto asa notanterahiny ireto : 25/12/18 : fety krismasy, 31/12/18 : famaranana 155e ary nanolorana video projecteur d’écran, 27/01/19 : fanadinana andrana, 03/92/19 : fifidianana birao vaovao, 21/07 : fanadinana, 18/10/19 : fanokanana taompianarana, 14/09/19 : fandraisana anjara tamin’ny asa fanavaozana ny sekoly fjkm ambohidratrimo.
Nanao ny anjara hirany ny mpikambana ka niara-niredona izany ny mpianatra sekoly alahady rehetra, miaraka amin’ireo mpampianatra. Ny hira nataony dia ny hira « antoky ny famonjena ».
Nisy hafatra avy amin’ny ray aman-dreny Atoa René Ratovelomanana, mpampiantra sy mpitarika ny sampana sekoly alahady fahiny. Nisaotra ireo tompon’andraikitra izy ary nankahery ireo mpikambana rehetra mba hazoto hatrany amin’ny tohin’ny asa sahanin’izy ireo.
Novakian’ny filohan’ny sampana izay nitarika ny fotoana ny hafatra avy amin’ny sekoky alahady foibe. Niompana indrindra amin’ny fisian’ny Samm (sekoly alahady manomana mpampjanatra)