- Ny fitsapana ny tanjaky ny finoana
Zanaka lahitokan’ i Abrahama no nangatahin’ Andriamanitra natao fanatitra nefa efa sahirana izy vao nahazo zaza. Sarotra ny manavaka raha tena avy amin’ Andriamanitra izany fitsapana izany noho ny fisian’ny andriamani-tsy izy tao. Nizahan’ Andriamanitra toetra i Abrahama sady nalain’ny devoly fanahy ihany koa. Ny anjelin’i Jehovah niresaka taminy. Ny zavatra hita tao amin’ny tantara araka ny HEB. and. 19 dia: Andriamanitra mahay manangana ny maty, manatanteraka ny zavatra rehetra. Izay no noraisin’i Abrahama ao amin’ny GEN. 22: 14 anehoany ny finoany fa “Jehovah no hahita ”, mahita izay ataony, ny fanatiny, ny ao am-pony. Izay no nahazoany ny Teny fikasana sy nahatonga azy nomena anarana hoe “Rain’ny mino ”. Fizahan-toetra ny fo no resahina eto. Lehibe, mafy, masina sy tsara ny finoan’i Abrahama araka izany.
- Fizahan-toetra ny fatran’ny fahatokisana an’ Andriamanitra
Ao amin’ny JAO. toko faharoa ka hatramin’ny fahadimy no ahitana ireo famantarana nataon’i Jesoa nahatonga ny olona nanaraka sy nitady Azy. Teo Izy no nizaha toetra ny mpianany nanomboka tany Galilia. I Filipo dia anisan’ny mpianatra nametrahana ny fanontaniana raha tena mitoetra tsara, raha mahavita zavatra tokoa ny Tompo. Fizahan-toetra ny saina no eto. Hita fa kely finoana ny olona.
Ampy, betsaka, mafy orina, mafonja, misy lanjany, mitoetra tsara, maharitra ve ny fahatokisanao ny Tompo?
Mitoetra amintsika rehetra na ny fitsapana ny fatran’ny finoana na ny fizahana ny fatran’ny fahatokisantsika Azy amin’izay andraikitsika. Fandinihantena no ilaina amin’izao fotoan’ny Karemy izao. Aoka isika hamantatra ny momba ny tenantsika raha zavatra tiantsika no hizahana toetra antsika.
Hisy Diakona hotokanana fa ny hafatra dia miantefa amin’ny FDL amperinasa. Nahavita fiofanana izy ireo, amin’izao 2 taona farany izao vao hanao ny asa amin’ny maha Diakona izy ireo, fa ny 2 taona voalohany no fitsapana. Jehovah jerena, Izy no hahita satria nahalala izay tao anatiny. Miantoka ny antson’ Andriamanitra isika. Mandalo isan’andro amin’ny fiainan’ny Diakona koa ny fizahan-toetra. Manao ahoana ianao ao anatin’ny asa efa nekenao hotanterahina teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Fiangonana? Iza no tianao hatao laharampahamehana? Ianao no mamaly izany fa aza mijery olona. Isika kristiana koa izahan-toetra amin’ny zavatra sy endrika samihafa. Tsarovy fa mampiorina anao tokoa ny fizahan-toetra mba handrosoan’ny Fiangonana misy anao.
Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amena.