Inona moa ny fampiorenam-pinoana ny amin’ity Teny hoe: “Aza matahotra ry Abrama”
- Mampahery ny olony, Andriamanitra;
- Manome toky azy mandrakariva Izy amin’izay mpanompo matoky ka miandrandra Azy.
- Mampahery ny olony Jehovah Tompo
Ny bokin’ny Genesisy 15 dia maneho zavatra roa lehibe:
- Mitaona ny olona amin’ny finoana ary hatoky an’Andriamanitra tsara sy hanompo an’Andriamanitra tsy misy fihambahambana
Teny anankiroa no hilazana io fampaherezana io: “Ho ampinganao aho”; “Hamaly vavaka anao”.
Tsy fitaovam-piadiana mahery vaika no nentin’i Abrama, fa vahoaka. Olona mpifindra monina, fa tsy olona hiady akory. Nefa dia nandresy firenena maro izay mitambatra. Notanterahan’Andriamanitra tokoa fa Izy no ampinga. Hita koa izany ao amin’ny Lioka 5: 1-11.
Ny dikan’ny hoe Petera dia vatolampy, afaka miaritra ny zavatra rehetra. Tamin’ny asa nataony, mpanarato izy, tsy nahazo na inona na inona tamin’ity andro ity, fa nitondra tanam-polo mody. Nalain’i Jesoa ny sambony anefa, ary hita ny maha ampinga an’i Jesoa. Nasainy narotsaka indray ny harato. Nanaiky i Petera ary be ny trondro azo. Andriamanitra dia mankahery ny olony tokoa.
- Manome toky ny mpanompony Andriamanitra
Efa kivy mihitsy i Abrama. Rehefa nandinika ny fiainany izy dia lasa vinany manoloana ny Teny nomena azy.
Toa izany isika, miteny amin’ny Tompo hoe:”Mba asehoy ahy ny valim-bavaka omenao”.
Ho fijoroana vavolombelona dia nitantara ny Mpitandrina hoe nitady porofo izy tamin’ny antson’Andriamanitra. Izy mantsy dia tsy mba nahay niteny fa miboredika. Tsy nampoiziny ny fomba nahatongavany tao amin’ny Foibe FJKM, ka lasa nisoratra anarana ho mpiomana.
Toa an’i Abrama nasain’Andriamanitra nivoaka ary nanontaniany raha mahisa kintana izy, sy trondro an-dranomasina. Manome toky Andriamanitra ary dia natoky Abrama.
Mahay ny zavatra rehetra mihoatra noho ny izay fantatsika Andriamanitra. Ny fitahiany dia tena lehibe.
Aoka isika ho tahaka an’i Abrama. Matoky amin’ny zavatra rehetra.
Momba anao foana Andriamanitra, amin’ny fotoana rehetra. Izy no hiantehero amin’ny zavatra rehetra ataonao, na amin’ny tsy misy dikany na amin’ny misy dikany.
Mampijoro antsika ho mpanompony ilay Andriamanitra ivavahantsika. Izy no manome antsika ny fandresena rehetra ho entina manompo Azy sy maneho ny voninahiny amin’ny fiainantsika.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.
Feon-javamaneno fohy taorian’ny toriteny.