- Nametraka ny anton’ny fiainany tamin’ny hareny ity mpanankarena ity
Ny “ thésoriseur ” (avy amin’ny teny grika) dia olona manan-karembe nefa harena tsy miasa fa mitoby, any amin’ny zavatra tsy mahasoa no itondrany izany anehoany fitiavantena sy fireharehana. Zavatra 3 no fonosin’izany teny izany : jamba io olona io, mitoky amin’ny fitak’i Satana izy, manao ny hareny ho solon’ Andriamanitra. Tsy mby ao an-tsainy ny Tenin’i Jesoa ao amin’ny MAT 6 : 33. Mafy fo sy tsisy fiantrana ihany koa izy, mitady harena sy mampitombo izany hatramin’ny famonoana olona mihitsy aza.
- Manao an’Andriamanitra ho tsy misy ity mpanankarena ity
toetsaina mitsambiki-mikimpy no hita eto. Ny Soratra Masina mampieritreritra antsika dia ao amin’ny MAT 6 : 19-20 hoe : “ Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mangalatra manami-trano na mangalatra “ Aiza no hiafaran’izany mpanankarena adala izany ? Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Eo amin’ny and.19, ateraky ny fitiavan-karena ny filibana, fandaniana ny herimpo amin’ny zavatra maro tsy mahasoa, manao ny kibony ho andriamanitra izy (mihinana sy misotro), tsy mitsinjo ny fiarahamonina, izay ananany fifaliana amin’ny fiainana mandalo, ny ankehitriny ihany no omeny fahafinaretana satria mila izany ny vatany, tsy manan-tompo ny fiainany, mandeha tsisy tanjona izy tsy mahalala izay hiafarany.
Tokony nitondra fiovana ho antsika ny fihibohana. Misedra olana ara-bola ny synodamparitany sy ny foibe ankehitriny ka mila vonjy, tohana, tanana izy ireo. Hihaino sy hijery fotsiny ve isika tahaka ity mpanankarena adala ity ? Aoka isika hiasa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Mikatsaha ny fahamarinana sy ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra! Amena.