ALAHADIN’NY MPITANDRINA - FANDRAISAN-TANANA DIAKONA

“Maniria ny haminany"

“Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy ; indro nahazo tombony talenta roa koa aho” MAT 25 : 22b

Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fotoana aninkeo. Niavaka ny androany noho ny alahadin’ny Mpitandrina amin’ity taona 2019 ity, tafiditra ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-30 taona naha-Mpitandrina sy nanambadian’Atoa Raharijaona Solofonirina. Nisy fanokanana Diakona ihany koa ary amin’ny maha-alahady voalohany amin’ny volana dia nisy ny firaisana latabatra amin’ny Tompo. Ny Biraom-Piangonana no nandavorary ny litorjia manontolo (endriny voalohany). Rtoa RAKOTOMANANA Andrimbazotiana, Diakona no nitarika ny fotoana. Ny nitondra ny hafatry ny Tompo tamin’ny Fiangonana dia Atoa Randriamampionona Alfred, Mpitandrina, Filohan’ny komitin’ny fampianarana teôlojika ao amin’ny toeram-panomanana 5 miorina eto Madagasikara.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Ny SAL 138 no niarahan’ny Fiangonana namaky teo am-pitsanganana taorian’ny feon-javamaneno fidirana, ny fanolorana sy ny fiarahabana apostolika. Ny hira fanevan’ny jobily faha-200 taonan’ny Sekoly FJKM « Mahareta » no nanaraka izany ary vavaka fisaorana. Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’ Andriamanitra araka ny I KOR 14 : 1 ; NOM 11 : 29 ; I TIM 3 : 1-2 ; I TIM 3 :16. Natao ny hira FFPM 283 : 1-3 « Manan-jara, ry Jesosy » dia nisy vavaka fifonana. Nohiraina ny FF 22 “Tsy mendrika ahy mpanompo”  nialoha ny Teny famelan-keloka nomena ny Fiangonana teo am-pitsanganana ao amin’ny JER 31 : 3 ; II KOR 5 : 21 ; ISA 41 :9-10 ; JAO 8 : 11. Nohiraina ny HF 31 : 3 “Ny lalanao Jesoa” dia notononina ny fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany).  Nisy vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy.

FOTOANAN’NY ANKIZY

Zoky Andriamampianina Naivo, mpampianatra Sekoly Alahady no nanatanteraka izany fotoana izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanompanana ny fampianarana fohy dia ao amin’ny LIO 7 : 50b. Vehivavy mpijangajanga no resahana eto. Ny tompon-trano nampiantrano tsy nahazo rariny tamin’i Jesoa fa ilay vehivavy ratsy fitondrantena namafa ny tongony tamin’ny ranomasony. Mahatoky izy fa mihaino azy ny Tompo dia latsa-dranomaso ary te-hiala amin’ny ratsy nataony izy. Hoy Jesoa Kristy taminy hoe : “Ny finoanao no efa namonjy anao”. Noho izany, afaka ny vesatra tao am-pony, lasa fitiavana an’Andriamanitra ny fitiavany izao tontolo izao.

Natsangana ny fianakaviamben’ny Sampana Sekoly Alahady nanao ny hira FFPM 758 : 1 « Tsarovy e rankizy ».   Nisy vavaka.

Nandray anjara hira ny Taninketsa. Rehefa izay dia nambara ny vaovaom-piangonana.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Atoa Razafimahazo Mamy no nanatanateraka ny famakiana ny asa tamin’ny Fiangonana. I KOR 14 : 12 no nanombohany izany filazana izany. Ireto manaraka ireto no santionany amin’ireo asa ilaina fantarina, entina amim-bavaka sy hotanterahana :

  • Noho ny fivoriamben’ny SPAA 10 ny sabotsy sy alahady 12 sy 13 oktobra 2019 dia hikatona avokoa ny fitandremana eto amin’ny synodamparitany misy antsika ny alahady ;
  • Ny komitin’ny trano atsimo dia hivory ny alatsinainy 7 oktobra 2019 amin’ny 6 ora hariva ;
  • Ny 11 oktobra hatramin’ny 27 oktobra 2019 dia tsy ho eo ny Mpitandrina fa hiala sasatra.

Rehefa izay dia namafisin’ny mpitarika ny tokony hanohizan’ny Fiangonana mamaky ny filazantsaran’i Jaona. Nanentana ny amin’ny fihaonamben’ny SPAA 10 ihany koa izy ary farany nanambara izy fa tokony halefa any amin’ny Biraom-Piangonana ny fandaharam-potoan’ny fikambanana rehetra mandritra ny taona 2020.

TSINGERIN’ANDRO NAHATERAHANA VOLANA SEPTAMBRA

 “ Mahazo voninahitra eo imason’i Jehovah aho ary Andriamanitro no heriko” ISA 49 : 5e, io no andinin-tSoratra Masina novakiana ho an’ireo mpianakavin’ny finoana najoro sy nentina amim-bavaka. Nandroso nanao rakitra teny amin’ny alitara izy ireo ary noraisin’ny Mpitandrina tanana. Ny hira FF 12 « Am-pelatananao » no nohirain’ny Fiangonana nandritra izany, izay nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana.

FANATI-PISAORANA

Ranaivoson Jacky no nitarika izany. SAL 70 : 4 no andinin-tSoratra Masina novakiany mialoha ny fanononana ny fanati-pisaorana.

Ireto avy ny hira nangatahan’ny Fiangonana : FFPM 3 : 1 « Isaorana anie Andriamanitsika » ; FFPM 768 : 1 “Endrey, endrey Tompo ô!” ; FFPM 1 : 1 “Andriananahary masina indrindra” ; FFPM 171 : 1 “Jesoa Mpanjaka malaza” ; FF 10 : 1 “Mivavaka aho satria”.

Ireo mpianavin’ny finoana ireo dia nisaotra sy nangata-bavaka fa : nahazo fahasoavana ; mahatsapa fa nahazo asa tsara ; tokantrano nahazo zanaka voalohany ; renim-pianakaviana nahazo valim-bavaka? niverina am-piangonana ny vadiny ; afa-panadinana ; nahatratra ny tsingerin’andro nahaterahany ; renim-pianakaviana nahazo tombontsoa maro teo amin’ny asany ary misotro ronono ; fianakaviana nieren-doza ; tokantrano mandalo sedra ; olona manana renibe tsy salama.

Natolotra ny rakitra tamin’ny alalan’ny hira vavaka FFPM 506 : 3 « Tsy misy miadana ka afa-po ». Nitohy avy hatrany ny fotoana tamin’ny firedonana ny hira FFPM 206 : 1-2-4 « Ny Tenimasinao, Jehovah Tompo ».

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina Atoa Andriamasinoro Tantely. Ny perikopa voalahatra eo amin’ny sahan’ny FJKM androany dia araka ny ao amin’ny NOM 11 : 23-27 ; LIO 7 : 36-50 ; I KOR 14 : 1-6. Atoa Ralaindimby Tsilavo Haja no namaky ny Testamenta taloha raha Atoa Razafindrabe John Bam no namaky ny Testamenta Vaovao. Nataon’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira FFFPM 310 : 1 “Misy maro ao an-tsaha mitaraina” ka toriteny no nanaraka izany.

TORITENY (famintinana)

Ny andinin-tSoratra Masina nakana ny hafatra androany dia ao amin’ny MAT 25 : 22b momba ny talenta natolotra ka nahazoana tombony. Foto-kevi-dehibe resahana amin’ny fiavian’i Jesoa amin’ny andro farany oharina amin’ny mpanjaka manolotra ny fananany amin’ny mpanompony no resahana eto amin’ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Tsy fantatra ny fiavian’ny Tompo fa eto amin’ity andininy ity, izay noraisin’ny Mpitandrina mianakavy ho teny faneva, dia misy famantarana samihafa ny amin’izany. Talenta roa amin’ny maha-Mpitandrina sy nanambadiana. Nambinin’Andriamanitra izy teo amin’izay nanompoany Azy, izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka mahatsiaro fa tsy azy ny asa fa nomena. Tahaka ny nomen’Andriamanitra mihitsy no azony rehefa nanompo. Tsy mijanona ato am-piangonana ny fiainana amin’ny maha-kristiana iandrasantika ny fiavian’i Jesoa amin’ny andro farany. Tsy angano io fa efa nosantarin’i Jesoa, olombelona tahaka antsika Izy dia maty. Foana ny toriteny raha tsy misy fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Izay no tsy maintsy hiainantsika izay mino Azy : fandovana ny fiainana mandrakizay. Isika dia nomena zavatra, nomena talenta, ilaina ny fahafantarana izany. Raha ho avy i Kristy, iny nomena anao iny dia tokony ho tsapa fa tsy anao ary hanadinana anao araka ny Teny hoe : Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin’ny kely ianao, indro tendreko ho mpanapaka ny be”.

Inona no fepetra hahafahana mandray izany ?

Fepetra 1 :

Ianao dia tsaraina araka ny fahaizanao sy ny nomena anao (and.15), raha nomena talenta be/kely ianao dia iny no hanadinana anao. I Jesoa Kristy tonga tety an-tany amin’ny fahafenoan’Andriamanitra, naharesy ny fahafatesana. Ny hafatra ho azy mivady azo raisina dia ny fahasahiana mijoro eo anatrehan’Andriamanitra. Amintsika protestanta kalvinista ny asa rehetra dia fanompoana an’Andriamanitra na ny asa fanao andavanandro aza. Faly ny olona rehefa miasa ho an’Andriamanitra, mino isika fa raha ho avy Izy, na inona fahalemantsika dia handovana ny fanjakan’Andriamanitra. Nomena ianao, moa anompoanao an’Andriamanitra ve izany?

Fepetra 2 :

 Araka ny fihetsikao no anolorana ilay nanome anao. Na dia efa nomena azy aza dia nolaviny, io fihetsika io no mamaritra fa tsy tsaraina araka izay fahaizana nomena azy ihany ny olona fa araka ny fihetsiny koa. Eto dia fiheverana an’Andriamanitra ho miangatra na tsy marina, fanomezan-tsiny an’Andriamanitra hoe “Maninona no iray fotsiny no talenta nomenao ahy?”.Fahaverezana no anjaran’izay manana izany toetra izany. Mila manaiky ny fontsika fa io zavatra ananantsika io dia asainy entina eo anatrehany hanaovantsika ny asany.

Raha anio no hesoriny aminao ny fanananao ho any amin’iza ianao? Ny fahasoavan’Andriamanitra atobany amin’ny fiainanao. Misy tsy mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izany. Te-handova ny fanjakan’Andriamanitra ve ianao? Tsy misy angamba tsy te-handova izany. Andriamanitra no hiteny aminy hoe “Tsara izany”. Enga anie isika tsy ilay mpanompo ratsy fanahy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena!

Nisy feon-javamaneno narahin’ny ny vavaka fangataham-pitahiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Nisaotra noho ny toriteny Atoa Razafimaharo Mamy ary nivavaka ho amin’ny fampiorenana ny fiainam-panahy avy amin’ny toriteny vao norenesina. Nentina amim-bavaka ny nanao raki-pisaorana sy nangata-bavaka ; Atoa Raharijaoana Solofonirina, Mpitandrina mianakavy. Nofaranana tamin’ny “Rainay izay any an-danitra…” ny vavaka.

“Tsy mahay mankasitraka” (Rajaofetra John) no nokaloin’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena. Asa vavolombelona no nanaraka izany.

ASA VAVOLOMBELONA

Nizara roa ny fotoanan’ny Asa Vavolombelona.

Ny asa voalohany dia fanokanana sy fitsofan-drano ary fitondrana amim-bavaka Diakona iray izay tsy afaka tamin’ny fandraisan-tanana ny Diakona vaovao rehetra, dia Rtoa Ravoniharimino Faramalala.

Ny asa faharoa kosa dia fiarahabana sy firariantsoa ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina noho ny alahady amin’ity taona 2019 ity natokan’ny Fiangonana ho azy. Ny hira FFPM 357 : 1 “Efa tonga aty izao” no nataon’ny Fiangonana nandritra ny fiakaran’ny solontenan’ny rafitra mijoro rehetra teny amin’ny alitara. Atoa Razafimahazo Mamy no nandray ny fitenenana ho fiarahabana azy ireo. Teo am-pitsanganana ny Fiangonana no niara-niombom-bavaka ho azy mivady, ny asa fanompoany, ny zanany sy fikasana amin’ny hoavy ka Atoa Ranaivoson Jacky no nitarika izany. Ny OHA 3 : 22 no andinin-tSoratra Masina natolotra azy ireo. Novakian’Atoa Andriamasinoro Tantely ny voarakitra ao anaty takela-pahatsiarovana ary natolotra azy ireo izany, nitehaka ny Fiangonana. Fandraisan-tanana azy mivady no nanaraka izany tao anaty feon-javamaneno. Nitsangana nihira ny « Andeha ho irakao » (Rabako Ralambonirina Jean-Jacques) ny FDL. Rehefa izay dia nandray fitenenana ny Mpitandrina teo anilan’ny vadiny ary nasainy nijoro teny am-pitoerany ireo zanany ho fankasitrahana ny Mpitandrina nitory Teny, ny Biraom-Piangonana, ny mpitendry zava-maneno, ny Diakona sy Loholona, ny rafitra rehetra, ny Fiangonana manontolo. Niresaka momba ny komity najoro hikarakara ny faha-30 taona izy. Nisy fotoana natokana nitantarana ny fifankatiavan’izy mivady talohan’ny fanambadiana. Nasian-teny ihany koa ny fisafidianany ny teny faneva sy ny namoahany boky 2. Fijoroana vavolombelona no namaranany izany : ny loharano nipoirana ; nandihy taloha ; faniriana ho mpampianatra teôlôjia dogmatika lasa fiainana ; ny fampirisihan’ny Mpitandrina Ramino Paul hanoratra boky. Fisaorana an’Andriamanitra sy ny Fiangonana noho ny fiaraha-miasa hatramin’izay no nanterina. Niakatra teny amin’ny polipitra ny raiamandreny ara-panahy ary nofaranana ny fotoana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 428 : 1-3 « Reko izao, ry Tompo » dia notononina ny tondrozotra 2019 ao amin’ny JAK 1 : 4 ; I KOR 16 : 13 ; MAT 24 : 13. Natolotry ny Mpitandrina amperinasa ny tsodrano dia noredonina ny hira FF 9 « Isaorana anie Jehovah ». Nisy vavaka mangina sy trinité ary feon-javamaneno. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 58 minitra ny fotoana ka nitohy tamin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo izany.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina no nampandray. Ho fanomanam-panahy, nesorina ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka ka ny Fiangonana nanao ny hira FFPM 224 : 1-2 « Tafavory izahay ka manatona ». Fanatrehana sy fanehoana no nialoha ny famakiana Soratra Masina. Nisy vavaka izay narahin’ny hira A1 « Masina, masina, masina ». Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FFPM 201 : 1 « Midina, Tomponay ». Natsangana ny Fiangonana nanaovan’ny mpitarika ny vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina. Nasandratra ny kapoaka, novakiana ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Nanolotra ny mofo ho an’ny Mpandray ny Diakona vavy ary ny Diakona lahy kosa ny kapoaka, tao anatin’izany no nanaovana ny hira HF 11 « Fantatro izao » (Rabako Tovohery) ; HF 29 « Natolotrao ho avotray » (Rakotoarivony Noël). Nony voazara ny mofo sy kapoakan’ny Fiangonana dia ny Diakona indray no notoloran’ny Mpitandrina ny anjara mofo sy kapoakany. Ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra dia nitsangana niara-nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoaka. Taorian’ny fahanginana fohy dia ny ampahan-kira FFPM 469 « Mamy, ry Jesoa ny Fitiavanao » no natao ary nisy vavaka fisaorana. Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nanaty ny fanatitra, nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny hira « Miderà an’i Jehovah » (Rakotoarivony Noël). Nisy hafatra avy amin’ny Soratra Masina nomena ny Fiangonana :« fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy ». Natolotra ny tsodrano ary natao ny hira A5 « Indro ny aron’ny mandanao » dia nofaranana tamin’ny Amena. Nisy vavaka mangina sy fanononana trinité masina dia nirava ny Fiangonana tamin’ny 12 ora sy  34 minitra tao anaty feon-javamaneno.

TOMPON’ANJARA

Rajaofetra Seta sy Rabiazamaholy Mahery no nifarimbona nitendry “clavier” nampian’ny SMZM. Rakotonarivo Vatsy no niandraikitra ny fafana. Rakotovololona Lova kosa no nikirakira ny fanamafisam-peo. Ny Diakona nitaty sy nanisa rakitra, nampandray ary nanasa kapoaka dia ny Vaomieran’ny Aim-Panahy sy Fifandraisana.

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Naka sary : Ranaivoson Joël