ALAHADY 06 NOVAMBRA 2022
“MIOMANA HANDRAY NY MPAMONJY”
ALAHADY FAHA XXII MANARAKA NY TRINITE
FANDRAISANA IREO KATEKOMENA ANDIANY “MIORINA”

« Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana ? » Matio 24 : 45

Alahady voalohany amin’ny volana novambra, nandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ireo 35 mianadahy, mpianatra katekomena andiany “Miorina”. Alahady niarahabana ireo mpianakavin’ny finoana teraka volana oktobra miisa 72, ary niarahan’ny mpianakavin’ny finoana miisa 1597 niara-niombom-bavaka noho izao alahady miavaka izao. Ramatoa Raharijaona Bodo no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny hafatr’ Andriamanitra. Ny litorjia endriny voalohany no narahina.

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

Taorian’ny feon-javamaneno sy ny fanolorana dia natao ny fiarahabana apostolika ary niaraha-namaky ny Salamo 33: 1-4 : “ Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana. Miderà an’i Jehovah amin’ny lokanga; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo. Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ny feo fifaliana. Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa ». Amen.

 Ny hira FFPM 8 : 1, 2 “ Dera, laza, hery, haja ” no nanaraka izany ary vavaka fisaorana.

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Rehefa izay dia nambara ny sitrapon’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny Kolosiana 2 : 6-7 manao hoe: “Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao Aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana”. Notononina ny“Sambatra ny mahitsy lalana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra” Salamo 119 : 1-2.

 Natao ny hira FF 14: 1, 3 “Jesoa apetrako Aminao”narahina vavaka fifonana. Nohiraina ny FFPM 408 : 1, 7 “ Jehovah, Ray mahari-po !”

TENY FAMELAN-KELOKA

Nomena teo am-pitsanganana ny Teny famelan-keloka manao hoe: “fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy …… Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany No fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy » Deoteronomia 4 :31 ; Salamo 103 : 12-13. Ary hoy ny mpitarika hoe : « Voavela ny helokareo noho ny Anarany masina, miderà ny Tompo” ka niara-namaly ny Fiangonana hoe : “ Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. ” Salamo 32 : 1-2. Nohiraina ny FF 7 : 1 “ Tsy hainay ny hangina… ”

Notononina ny Fanekem-pinoana apostolika (laharana voalohany). Vavaka mangina tanaty feon-javamaneno fohy no nanohy izany.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K3, Raharintsalama Hantanirina, no nitarika izany.

Ny Teny nitondrana fampianarana dia manao hoe « Sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’Andriamanitra » Matio 5:8.

 

Nanazava ny teny izy nilaza fa raha manana fo maloto isika dia tokony hiova ary hibebaka satria araka izay voalaza dia izay madio am-po no hahita an’Andriamanitra.

Nofaranany tamin’ny vavaka izany fotoana izany. Nitsangana ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady nanatanteraka izany vavaka izany.

RAHARAHAM-PIANGONANA

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Rakotomanana Andry, Biraom-Piangonana Sekretera Mpitantsoratra, no nanao izany tatitra izany. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Lioka 10 : 3.

Toy izao ny asa tsara hofantarina ary hotanterahin’ny Fiangonana sy hoentiny amim-bavaka:

Mandritra ny volana septambra dia ireto no fotoana hohatrehina

  • 12 novambra: fitsangantsanganan’ny Fiangonana, eny Mandriambero Ambohidratrimo.
  • 13 novambra: Ivombokatra faha 45 taonan’ny Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranokala.
  • 20 novambra: Ivombokatry ny Sampati, izay kasaina hitokanana ny trano vaovao, tsangambato.
  • 23 novambra: Hisy ny fitsidihana eny Ambohipiara izay ho tanterahin’ny Fiangonana hanentanana ny mpianakavin’ny finoana.
  • 24 novambra: Fotoana hanehoana ny tsangambato faha 165 taonan’ ny STK.
  • 27 novambra : Fotoanan’ny Zanaka Ampielezana

Asa ivelany

  • Hisy ny fiofanana momba ny fananan-tany ny 08 novambra ao amin’ny FJKM Kristy Fanantenana.
  • Ny Aumônerie dia hanao asa vavolombelona hamangy fonja ny alarobia 9 novambra. Nanao fanasana izy ireo izay vonona hifanome tanana amin’izany.

Asa anatiny

  • Fandraisana ireo katekomena Miorina androany
  • Hisy ny rakitra anniversaire volana oktobra
  • Nodimandry ny 22 oktobra teo amin’ny faha 52 taonany ny mpanompon’Andriamanitra, Andriamahatana Davy.

Nanohy nandray ny fitenenana ny Mpitandrina nanamafy ireo raharaha efa voalaza etsy ambony ary niarahaba kosa ireo vahiny nandalo. Nanao fanentanana ny amin’ny Batisa faobe ary ny fanentanana ny amin’ireo izay tsy mbola Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny amin’ny hirosoana ho mpianatra katekomena.

Nitohy tamin’ny fanaovana ny rakitra tsingerinandro nahaterahana izany. Miisa 78 ireo nanao fanatitra. Ny Malakia 3: 20 “Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy » no nentiny niarahaba ireo. Nentina amim-bavaka izy ireo ary natao avy hatrany ny hira FF 53 “Havaoziko ilay voady” sy ny HF 31 “Ny lalanao Jesoa”.   

FANATITRA SY FANOMEZANA

Maro ireo mpianakavin’ny finoana nanao raki-pisaorana sy voady tamin’ity alahady ity. Novakiana izany :

  • Misy ny tokantrano mandalo tsy filaminana ary misedra ady sarotra.
  • Nisy ny mpianakavin’ny finoana misaotra ny Tompo noho ny firosoana hiray latabatra Aminy.
  • Nisy ny nangata-bavaka noho ny faha herintaona naha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo azy.
  • Nisy ny nisaotra ny Tompo noho ny faha 35 taonan’ny fanambadiany.
  • Nisy ny nisaotra ny Tompo noho ny valimbavaka nitantanan’ny Tompo ny fiainany.
  • Nisy ny mpianakavin’ny finoana nahazo asa vaovao sy fiara vaovao.
  • Nisy ireo nahavita fianarana.

Ireo mpianakavin’ny finoana nanao raki-pisaorana sy voady ireo dia nangataka ny hira FF 53 , HF 31 voalaza etsy ambony, ny hira “Entre tes mains” sy “Natolotrao ho avotray” an’ny Hasin’ny famonjena; ny hira “Ampianaro” sy “Tompo ô fantatrao” ny RFF, ny FF 53 “Havaoziko ilay voady”, “Mialoka Aminao” ary ny FF 39 : 2 “Ray ô, mba faniriako”.

Rehefa notantazana ny rakitra dia natao ny hira FFPM 4 : 4 “Mamy ny fitianao” ho fanolorana izany.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina ny FFPM 432 : 1, 2 “ Mandra-piavin’ny Tompo ”. Nanao vavaka fangatahana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny Diakona Rakotonirina Tsiry. Namaky misesy ny perikopa voalohatra araka ny Isaia 35 : 1-4, Matio 24 : 42-51, Asan’ny Apostoly 13 : 16-25 kosa Rakotonirina Tiana, Diakona. Ny Fiangonana nanao hoe : “ Ray masina ô, manamasìna anay amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana ” Jaona 17 : 17. Nohiraina teo am-pitsanganana ny FFPM 206 : 1 “ Ny teny masinao ”. Toriteny no nanaraka izany.

TORITENY

Andro lehibe tokoa ny andro anio, hoy ny Mpitandrina satria dia miampy 35 mianadahy indray ireo miroso hiray latabatra amin’ny Tompo. Ny Filazantsara araka ny Matio no nitondrany ny hafatra ka ny Matio 24 : 45Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana ? ».

Mikasika ny Vaovao mahafaly ny amin’ny handravana an’i Jerosalema sy ny hiverenany indray no lazainy eto.

Ny fiverenan’i Jesoa Kristy dia milaza ny andro farany.

Tany am-piandohany ny Mpitandrina dia nanambara fa misy boky novakiany izay milaza hoe: amin’ny taona 2033 no tonga ny farany. Hisy krizy ara-tsakafo hono amin’izany maneran-tany ary maro ny firenena tsy mahazaka izany.

Ny tenin’Andriamanitra nefa dia milaza fa misy ny andro farany. Inona ary no tokony ho atao mandra-pahatonga izany?

Milaza ny Tompo fa ny mpanompo mahatoky dia mila miomana sy mitandrina.

Mila miambina fatratra isika. Izany no tokony hataon’ny mpanompo mahatoky. Ny dikan’ny hoe miambina eto dia hoe tsy matory mihitsy amin’ny alina, mailo mandrakariva. Tokony mahay mijery lavitra ny mpanompon’Andriamanitra ary miaina ny tenin’ny Tompo isan’andro isan’andro.

Ahoana ary no tokony hatao raha mpianatry ny Tompo mahatoky tokoa ianao?

Ny mpianatry ny Tompo ihany no nilazany izany. Izaho sy ianao dia mpianatry ny Tompo. Inona ary no tokony hataoko sy hataonao?

  • Ataovy mahazo laka eo amin’ny fiainanao ny Tompo.
  • Tehirizo ary raiso amin’ny antsipiriany ny Tompo. Mazotoa mamaky ny Baiboly. Misy ny mofon’aina. Tokony ho azonao atao ny iray amin’ireo.
  • Matokia fa ho tanteraka avokoa ireo teny nampanantenain’ny Tompo.
  • Izy Tompo ihany no afaka mahatanteraka izany aminao.

Ny fiavian’ny Tompo dia ho an’ireo izay efa niambina tsara. Izany mihitsy no hiainantsika no vinan’ny Fjkm hoy ny Mpitandrina.

Ny olona miomana indray dia olona vonona hiatrika izay ho tonga, olona izay toy ny efa manampo izay mety hiseho, olona tsy matahotra izay sedra rehetra holalovana.

Tsy izay rehetra ambaran’ny olona nefa no marina fa izay ambaran’ny Tompo.

Efa nilaza ny Tompo fa homba anareo mandrakariva izany hoe ireo mpanompo ireo izany no afaka miorina hahatratra izany fotoana izany ary ho mpanompo mahatoky.

Amin’ny teny hebreo ny teny hoe miorina dia midika hoe miambina. Nampanontany tena ny tsirairay ny Mpitandrina raha tena miorina tokoa. Tsy misy afaka hitsara anao afa tsy ny Tompo ihany.

Nanao fanentanana izy namaranany ny hafatra. Ireo efa lehibe nefa mbola tsy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, ireo tanora mahatsapa antso, tapaho ny hevitra ary manatona Azy satria izay no hahafahanao miambina sy miorina ao Aminy.

Nisy feonjavamaneno taorian’izany.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitarika izany vavaka izany. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny Teny avy notoriana mba hinoana ny fandresena ny fahafatesana sy hananana fiadanana. Nivavaka koa izy ho an’ny Fiangonana, ny mpitondra Fiangonana ; ny mpitory Filazantsara. Voatonona ny Foibe FJKM (Birao, Filoha) ; ny mpiandraikitra, ny synodamparitany, ny SPAA 10 sy ny mpandraharaha miara-miasa aminy. Enga anie mba hahavita ny adidy masina izay napetraka taminy izy ireo.

Mivavaka ho an’ireo Kristiana eto an-toerana sy any am-pitan-dranomasina izy mba hiorina tsara ka hahay hiambina ary hiomana ny amin’ny fiavian’ny Tompo.

Ho an’ireo Mpandray vaovao dia enga anie ka ho vonona hiatrika sy handray ny teninao.

Nitondra amim-bavaka ny amin’ny hetsika rehetra izay karakarain’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina, mba ho tontosa araka izay nomanina izany. Nivavaka izy ho an’ireo sahirana, ireo manan-manjo ho an’ireo manana hetaheta, mba ho tanteraka izany raha sitraky ny Tompo.

Nitondra amim-bavaka ireo rehetra izay nanao raki-pisaorana ny Mpitandrina. Tao ireo izay nangataka fahasalamana, tao ireo izay ho raisina Mpandray ny Fanasan’ny Tompo vaovao. Nentina amim-bavaka ireo mpanompo nankalaza an’Andriamanitra noho ny tsingerinandro nahaterahana sy noho ny fanambadiana. Nangataka ny Mpitandrina mba ho eo anatrehany ny tombon’andro rehetra.

Nivavaka izy ho an’ny mpanompony izay nahazo asa sy fiara vaovao ary nametraka teo am-pelantanan’ny Tompo ny amin’ny fitahiana sy fahasoavana rehetra. Nofaranana tamin’ny « Rainay izay any an-danitra » izany.

Taorian’ny hafatra dia nanatanteraka ny anjara hirany ny Hasin’ny Famonjena « Isaoranay ».

ASA VAVOLOMBELONA

Araka ny voalaza dia nisy ny fandraisana ho mpiray latabatra amin’ny Tompo tamin’ireo 35 mianadahy.

      VEHIVAVY

  • Ranivondraibe Hanta Lalaina
  • Razafindrakoto Joëlle Gabriella
  • Rakotoarisoa Miaronavalona Ikoriantsoa
  • Ravelomanantsoa Aina Herinivo
  • Ravokatra Malala Zo Angela Patricia
  • Rajaonarivelo Mirantsoa Nancia
  • Razafinjato Ianja Kaya
  • Raholiarimalala Volatiana Fanomezana Valimbavaka
  • Rakotomalala Franciscanie Fabienne
  • Raboanarijesy Koloiniavo Iaviantsoa
  • Ralaindimby Iangotiana Miantsa
  • Randriambololona Tsantaniaina
  • Razafindrabe Sariaka Bam
  • Razafindralambo Iriana Miantsa
  • Ratsimbazafy Miangalifitia Gabriella

LEHILAHY

  • Rafanomezantsoa Olivier
  • Rakotonirina Hobiarisoa Alexandre
  • Rajaonah Mendrikaja
  • Ramahery Nasolomanalina
  • Antema Rakotoarivelo
  • Ratovondrahety Prinz Harald Von Manampisoa
  • Ratahina Erwann Robbi
  • Ramasomanana Ando Mahefa
  • Ramasomanana Aina Mahery
  • Rakotoarisoa Navalona Falimandimby
  • Randriamanampisoa Riana
  • Razafimahefa Fanirintsoa Ariniaina
  • Andriamandimby Manambina Rajaonary
  • Razafinjato Jonathan Aloe Georges
  • Randriamanampisoa Toavina
  • Ranaivo Elia Miharisoa
  • Ranaivosoa Andriamirindra Lyzio
  • Rakotoarisoa Andriatsiferana Nomena Itokiana
  • Andriatanteliniaina Manampison Jean Yvon
  • Rajaofetra Heritiana Cédric

 

Nitsangana izy ireo ary nanambara ny teny Soratra masina tamin’izy ireo ny Mpitandrina. Rehefa avy namaly ny fanontaniana napetraka taminy izy ireo, dia niakatra ny vehivavy sady nanao ny hira FFPM 446 : 1 « Atolotro ho Anao » ireo. Rehefa vita ny fandraisana ny vehivavy dia niakatra ny lehilahy nanao ny andininy faha 2 tamin’ny hira teo ihany.

Rehefa vita izany dia nentina amim-bavaka ireo Mpandray vaovao ireo ary nanao ny anjara hirany « Tahaka ny nandraisanareo » an-dRajaofetra John.

Nanao ny hira FFPM 295 : 4 « Ry Jesosy hatanjaho » ireo Mpandray vaovao, ny andininy 1, nataon’ireo Mpandray rehetra ary ny andininy faha  2 sy  3 dia nataon’ny Fiangonana iray manontolo.  

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao avy hatrany ny hira FF 2 : 1 “ He! Manolo-tena”. Notononina ny tondrozotra 2022 hoe : “ Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masina no malala… Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. ” Romana 12 : 10 ; Kolosiana 3 : 12b ; Petera voalohany 5 : 5b.

Natolotra ny tsodrano dia noredomina ny hira vavaka FFPM 699 : 1 “ Midera Anao ny olo-masina“. Nisy vavaka mangina sy ny fanononana ny Trinite.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesorana ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nataon’ny Fiangonana ny hira FFPM 169 : 1, 5 “ Ry Tompo Andriamanitra”. Fanatrehana sy fanehoana no nialoha ny famakiana Soratra Masina. Nisy vavaka izay narahina ny hira A1 « Masina, Masina, Masina ». Rehefa izay, natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana. Nohiraina ny FF 20 : 1 “ Jesoa fitiavana » dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny mpitarika : nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Natolotra ny Diakona vehivavy tompon’anjara tsirairay ny mofo ary an’ny Diakona lehilahy kosa ny kapoaka. Tao anatin’izany no nanaovana misesy ny hira FFPM 169 “ Ry Tompo Andriamanitra “ ; FFPM 159 “Satrohy voninahitra“ ; FFPM 107 “ Maniry mafy aho ”. Nony voazara tamin’ny Fiangonana ny mofo sy ny kapoaka, dia ny Diakona indray no notoloran’ny Mpitandrina mofo sy kapoaka. Rehefa samy vonona ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nitsangana ka niara-nihinana sy nisotro. Taorian’ny fahanginana fohy dia ny ampahan-kira FFPM 469 « Mamy, ry Jesoa ny Fitiavanao » no natao ary nisy vavaka fisaorana. Nanangona ny kapoaka ny Diakona sy nananty ny fanatitra, nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny hira FFPM 480 ”Mamin’ny foko”. Ny hira farany dia ny FFPM 427 : 1 “ Ho vavolombelona ” nofaranana tamin’ny Amen. Nisy vavaka mangina sy fanononana ny Trinite masina, dia nirava ny Fiangonana tao anaty feon-javamaneno.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry zavamaneno : Irimanana Enikaja- Raharinoa Fenitra sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno

Nikirakira ny fafana : Rabiazamaholy Mahery

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana

Nandray an-tsoratra : Robel Hanitra