ALAHADY 05 MARTSA 2023
“MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO”
Alahady II amin’ny Karemy - Alahady Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

“ Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.”  Isaia 1: 26.

Isaorantsika Andriamanitra ary deraina ny heriny sy ny voninahiny fa noho ny haben’ny fahasoavany sy ny famindram-pony dia afaka niara-nidera sy niombom-bavaka  teto amin’ny tempoliny isika androany.

Mandia volana vaovao isika sy mandray ny lohahevitra fitaizam-panahy vaovao manao hoe : “MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO”. Ity dia  alahady faharoa irosoantsika  Kristiana ao anatin’ny Karemy. Fotoana izay natao indrindra ho fandinihan-tena.

Ny Mpitandrina miana-draharaha Jaomisy Hery Zo Erudit no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nitondrana izao fanompoana masina izao.

FANOMBOHAN’NY FOTOANA

Noraisina, ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra, ny Efesiana 1: 3-6 : “ Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao Aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony,  ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala.” Amen.

Ny hira FFPM 15 : 1, 2 “Avia hankalaza!” no nentina niderana ny Tompo, ka rehefa izany dia niroso tamin’ny vavaka fisaorana ny mpitarika: “ Ry Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina ô! Indreto tokoa izahay vahoakanao izay nofidianao ao amin’i Jesoa Kristy, manandratra ny feonay, midera, mankalaza Anao. Manome Voninahitra ny Anaranao fa Ianao irery no mendrika omem-boninahitra mandrakizay, satria Andriamanitra tsara Ianao, Andriamanitra mahery Ianao ary Andriamanitra be Fitiavana,ka mitaona sy mitarika anay ho amin’ny fahamarinanao, izay ao amin’i Jesoa Kristy. Derainay sy ankalazainay ny Anaranao Tompo ô, noho izany hatsaranao izany. Indreto izahay vahoakanao notaominao, mangataka indrindra Anao Tompo ô, hitari-dàlana amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina, mba hahaizanay manaja izao fanompoam-pivavahana izao ho voninahitrao irery ihany, mba tsy hisy izay tsy sitrakao hanelingelina na hitaona anay hiala  fa mba ho tena tafatoetra  ho ao Aminao tokoa izahay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy . Amen ”

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

Ny sitrapon’Andriamanitra dia nambara araka izay hita ao amin’ny Ezekiela 33 : 11 sy ny Asan’ny Apostoly 3: 19.  Hoy ny Tompo : “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo;… Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. Amen

Taorian’izany dia nohiraina ny FFPM 475 : 1, 2 “Jeso Mpamonjy Mpiandry tokoa ”.

 VAVAKA FIFONANA 

Tsy nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra isika koa izao no vavaka fifonana nataon’ny Fiangonana: “Ry Tompo Andriamanitray ô, Ianao tokoa dia Fitiavana ary tsy sitrakao ny hahafatesan’ny ratsy fanahy na dia iray aza fa ny hiverenany Aminao, mba hanananay fiainana ao Aminao. Ny Teninao mitaona anay hiverina Aminao. Mitaona anay hiala amin’ny ratsy fanaonay. Indrisy Tompo ô! Be ny heloka izay nataonay fa na dia miantso anay aza Ianao dia matetika no tsy mihaino izany antsonao izany izahay.Tsy te hiverina fa mbola mankamamy sy mifikitra amin’ny ota. Ankehitriny Tompo ô! Noho ny Teninao ihany, hiverina Aminao izahay. Noho ny fitiavanao dia indreto izahay mitalaho eto anatrehanao, mangataka famelana ny helokay, mangataka fanadiovana avy amin’ny ran’i Jesoa Kristy Zanakao izay nalatsany ho fisoloana ny helokay. Andriamanitra ô! ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataonao tsinontsinona, ka mino sy matoky izahay  fa Ianao tokoa dia hanadio anay ary hanafaka mba hahatonga anay ho tonga ao amin’ny fahamarinanao. Amin’ny anaran’i  Jesoa Kristy , Ilay  maty ho famonjena anay no ametrahanay izany vavaka izany.  Amen!”

Ny hira FFPM 354 : 4  “Ndrisy be ny fahotako” no nohiraina nanehoana izany fifonana izany.

TENY FAMELAN-KELOKA 

Ny Tompontsika dia mamela ny helotsika mandrakariva, koa ho an’izay mibebaka marina tokoa dia raiso am-pifaliana ny Teny famelan-keloka izay ambaran’ny Tompo amintsika. Fa hoy ny Tompo amintsika , araka ny ao amin’ny bokin’i Jeremia 3 : 12b sy ny Filazantsaran’i Jaona 6 : 37b, manao hoe :  “ Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.” Amen.

Naneho ny fandraisana izany famelan-keloka izany ny Fiangonana tamin’ny fihirana ny FFPM 417 : 4  « Raha tsy mendrika ny ho zanakao » ary taorian’izany dia natao ny Fanekem-pinoana Apostolika.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA 

Andriamihaja Andriambolamanana Toky, mpampianatra kilasy faha 3,  no nanatontosa izany. Noraisiny ho hafatra tamin’izany ny Teny ao amin’ny Matio 5 : 44 : « Tiava ny fahavalonao ary mivavaha ho an’izay manenjika anao ».

Hevitra roa no nosintonina.Ny voalohany dia ny hoe :  Tiava ny fahavalonareo, izany hoe aza mankahala na mialona azy fa hizarao fitiavana izy, satria tsy manana fahavalo hafa isika afa tsy ny devoly irery ihany. Ny hevitra faharoa dia ny hoe: Mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Tadidio fa Jesoa dia nenjehina ary mbola enjehina hatramin’izao, koa tsara isika raha mivavaka ho an’ny olona izay manenjika antsika, hanana fitiavana ho azy mba hiovan’ny fisainany, mba hiroso kokoa amin’ny fitiavan’ny Tompo.

Fehiny : Mamerina antsika amin’ny fahamarinana ny Tompo ka hahatonga antsika hanana fitiavana ny fahavalontsika sy hivavaka ho azy hatrany .

Nisy ny vavaka notanterahina taorian’izany, nisaorana an’Andriamanitra noho ny Teny nomeny sy ny hafatra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA 

“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.”

Ny Biraom-piangonana, Mpitantsoratra, Razafimaharo Mamy no nanolotra izany. Ny Teny araka Jeremia 9 : 23 no niarahabany ny vahoakan’Andriamanitra : “Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah”.

Raharaha avy any ivelany 

-Departementan’ny Fiangonana – Foibe FJKM : Mampirisika ny Fiangonana hiezaka amin’ny fahatratrana ny vinan’ny FJKM ao anatin’ny efa-taona hoe : “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara. – Ny Filazantsara manova ny tantara”. Ny Birao mpiandraikitra Foibe dia mampirisika antsika hatrany hanao vaidohan-draharaha ny fitandroana ny voninahitr’Andriamanirtra sy ny fitandroana ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba  ary amin’ny maha rafitra tsy manao poliika ny Fiangonana sy hitandro hatrany ny fanajana izay voalazan’ny foto-dalàna sy ny fitsipika mifehy ny FJKM momba ny fampiasana ny haino -vaky-jery.

-Synodam-paritany Antananarivo Andrefana

Sabotsy 18 martsa : Fitsidihana iombonana tontosain’ny Biraon’ny synodamparitany ety amin’ny faritra Atsinanana, eny amin’ny FJKM Itaosy sy ny manodidina.

Alakamisy 23 martsa : Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina eny amin’ny FJKM Anosivavaka Ambohimanarina.

Raharaha anatiny 

Sabotsy 11 martsa amin’ny 8.30 ka hatramin’ny 01ora tolakandro : Fiofan’ireo tomponandraikitra eto amin’ny Fitandremana.

Alahady 12 martsa : Fiombom-bavaka amin’ireo nandray ny sakrametan’ny Batisa teto amin’ny Fitandremanana, teo anelanelan’ny jolay 2008 sy ny martsa 2023.

Sabotsy 18 martsa : Fivoriamben’ny Sampana Vokovokomanga.

Alahady 19 martsa :   Fanateram-bokatry ny Sampana Taninketsa.

Alahady 26 martsa : Fiombom-bavaka amin’ireo noraisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, teo anelanelan’ny jolay 2008 sy ny novambra 2022. Ireo fotoana roa ireo dia hiarahana amin’ny Komity Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.

Fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina

Nisaotra an’Andriamanitra sy niarahaba ny mpianakavin’ny finoana ary nankasitraka manokana ny Birao nitondra ny vaovao tsara ho fantatra androany. Nanamafy ireo izay efa voalaza tetsy ambony ny Mpitandrina dia ny fiofanan’ny tomponandraikitra hotanterahina ny sabotsy ho avy izao.

Eo koa ny fisoratana anarana tokony hataon’ireo izay voakasiky ny fotoana amin’ny alahady 12 martsa  sy ny faha 26 martsa ho an’ireo nandray ny sakramentan’ny Batisa sy ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Nisy ny fanentanana ho an’ireo manana fikasana ny hanatona ny latabatra masina nefa tsy afa-manatrika ny fotoana fiofanana amin’ny fotoana mahazatra. Hisy ny fandaminana manokana ho azy ireo.

Fiarahabana ny nahatratra tsigerinandro nahaterahana: Nisy ny fiarahabana ireo mpianakavin’ny finoana miisa 60. Ny Teny niarahabana azy ireo dia araka ny hita ao amin’ny Salamo 145 : 18 “Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.”. Nisy ny vavaka ho azy ireo ary rehefa izany dia nanatanteraka ny rakitra alitara izy ireo., tao anatin’ny hira FF 1 “Mitsangàna ianao ry mino”.

RAKITRA SY FANOMEZANA 

Ny Biraom-piangonana Ralainbimby Haja no namaky ireo raki-pisaorana sy ny voady. Ny Salamo 92 : 1-3 no niarahabany ny vahoakan’Andriamanitra.

Lehilahy lehibe iray nanana olana goavana teo amin’ny fiainany, tafavoaka soa aman-tsara tamin’izany, ka midera ny Tompo noho ny fahasoavany. Fianakaviana iray mangata-bavaka amin’ny Fiangonana mba hahazo rariny amin’ny didim-pitsarana izay hivoaka amin’ity herinandro ity. Nisy ny nahatratra ny tsingerinandro nahaterahana ka misaotra ny Tompo.Raim-pianakaviana manao raki-pisaorana noho ny valimbavaka azony.

Ireo hira nangatahan’ny mpianakavin’ny finoana : FFPM 444 : 1 “Ry Raiko feno antra” ;  “Misaotra Anao ‘zahay” (Saholimalala)

Nohiraina to am-pitsanganana ny FFPM 356 : 5 “Ry mpanota mihevera”, nanavaozana ny fanoloran-tena ary nanolorana izao rakitra izao ho an’Andriamanitra.

 FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mialoha ny famakina ny Soratra Masina dia natao ny hira FFPM 367 : 1 , 4 : “Ry zanako mania”. Ny Biraom-piangonana Razafimaharo Mamy no nanatanteraka ny vavaka no sady namaky ny Testamenta Taloha araka izay hita ao amin’ny  Isaia 1 : 21-26. Razafimaharo Fanja, Diakona, kosa no namaky ny Testamenta Vaovao araka izay hita ao amin’ny Matio 5  : 43-48 ary ny Romana 6 : 15-19.

TORITENY

Raha niroso tamin’ny hafatra ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina dia ny Teny araka ny Isaia 1 : 26 no nentiny nanompanana izany. Nambara ary fa ao anatin’ny lohahevitra vaovao manao hoe: “MAMERINA HO AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO” isika ankehitriny  ary ao anatin’ny Karemy ihany koa izay natao indrindra handinihan-tena mialoha ny fiavian’ny Paska.

Ao anatin’ny teolojian’ny Testamenta Taloha dia misy ny hoe : “pragmatisme à quatre temps”. Io dia entina hilazana ny fiainan’ny zanak’Isiraely teo anatrehan’Andriamanitra.

Rehefa mitoetra amin’ny fifaliana sy ny fiadanana ny firenen’Isiraely dia  variana izy ka adinony Andriamanitra ary mivadika amin’Andriamanitra izy. Rehefa izany dia faizin’Andriamanitra izy mba hahatsapany ny nataony, ka dia mibebaka izy ary avy eo dia miverina amin’Andriamanitra ka raisin’Andriamanitra ho zanany, toy ny teo aloha.

Ny bokin’ny Isaia dia mizara 3 amin’ny ankapobeny : Ny Isaia voalohany dia  ahitana ny zanak’Isiraely nivadika tamin’Andriamanitrra ka lasa babo tany Babylona ; Ny Isaia  boky faharoa dia ahitana ny zanak’Isiraely mahatsiaro ny fangirifirina sy ny fanaintainana ka nitaraina amin’i Jehovah Andriamanitra mba hiverina eo amin’ny taniny ; ary amin’ny fizarana fahatelo kosa  dia ahitana an’i Jehovah izay mamerina ny zanak’Isiraely any amin’ny tany izay niaviany.

Ity perikopa voalahatra ity izany dia tafiditra ao amin’ilay Isaia voalohany izay maneho ny zanak’Isiraely mbola mivadika amin’Andriamanitra, manao tsinontsinona ny fitondran’Andriamanitra sy ny fitiavany azy. Nefa ny mahagaga dia hita araka ny and. 26 io na dia tao anatin’ny fivadihany tamin’Andriamanitra aza ny zanak’Isiraely dia ho haverin’Andriamanitra eo amin’ny taniny ity firenena ity. Hafatra roa no azontsika tsoahina ao anatin’izany :

Ny fitanisana ny faharatsiana nataon’ny Isiraely 21-24

Janga sy mpamono olona, lasa nanompo andriamani-kafa. Nitaona ny olona hiataka sy handositra an’Andriamanitra. Ny faharoa dia fanehoana ny fiodinan’ny zanak’Isiraely, filazana ny fanaovana  kolikoly, feno faharatsiana, mifanambaka, mifampitsetsitra. Mampijaly ny kamboty sy ny mpitondra tena.

Moa va tsy mandalo izany isika ankehitriny fa andro farany tokoa izao, feno faharatsiana tokoa , ary tena manerana ny tany izany. Miharatsy ny zavatra rehetra ka ny valin’izany dia ho avy ny famaizana ka raha tsy mibebaka dia tsy ho tafaverina ao amin’Andriamanitra kanefa Andriamanitrra ihany no mahay mamerina antsika ho amin’ny fahamarinana amin’izany.

Izany no andraisantsika ny hafatra nomen’ny Tompo araka ny Matio 5 : 48: “aoka ianareo ho tanteraka tahaka ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra”.

Mampitodika antsika izany fa raha tonga ny faharatsiana dia aza manaraka an’izany. Fa izay mandeha amin’ny faharatsiana dia hofaizin’Andriamanitra.

Jesoa dia te hitaona antsika mba hamerina antsika ho amin’ny fahamarinana;  satria ny fiainana izay nanolorantsika tena ho an’i Kristy; dia fiainana hirosoantsika amin’ny fahamarinana, dia ny famonjena antsika izay azontsika maimaim-poana , vitan’i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana. Tandremo fa aza maka fanahy ny Tompo. Mamerina antsika amin’ny fahamarinana ny Tompo ho an’izay mahay manetry tena.

Ny fahatsarana izay ho azon’ny olona rehefa miverina aorian’ny fahamarinana izy.

Andriamanitra tsy mamela antsika hitondra izay tsy ho zakantsika. Ny sisa amin’Isiraely no tojo ny famonjen’Andriamanitra dia ireo izay naharitra sy nahafikitra tamin’Andriamanitra. Diovin’Andriamanitra ho afaka amin’ny faharatsiana rehetra ireo.

Ao anatin’ny dingan’ny fibebahana ; ny voalohany amin’izany dia ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandraisana izany , manenina amin’ny fahadisoana vita, manapa-kevitra hiova sy hanolotena ho an’ny Tompo. Raha tratrantsika izany dingana izany dia tsarovy fa isika no efa nofidian’ny Tompo ka noraisiny ho Azy.

Hampodian’Andriamanitra amin’ny laoniny ny Kristiana tena nanaraka sy nifikitra tamin’ny Tompo. Satana dia milofo hamotraka ny olona fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Antsoina amin’ny anaram-boninahitra indray ny zanak’Isiraely  ka ny anarana nomen’ny Tompo azy dia Tanànan’ny fahamarina , tanàna mahatoky. Mpanota isika teo aloha fa nantsoin’ny Tompo ho mpanara-dia Azy dia lasa Kristiana, ka na dia nivadika aza isika kanefa tafaverina indray dia mbola tian’ny Tompo isika  hanam-boninahitra amin’ny maha Kristiana antsika ihany.

Mamerina antsika ny Tompo ho ao Aminy hatrany na dia mafy aza ny fisedrana. Ny Tompo mitana antsika amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinany, mba tsy ho very isika fa hahazona hatrany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

Nanatanteraka ny anjara hirany ny Hasin’ny Famonjena tamin’ilay hiran’i Rajaofetra John hoe : “Inona no entiko manatona an’i Jehovah?”

VAVAKA FANGATAHANA

Teo amin’ny vavaka fangatahana no nasandratry ny Fiangonana ny hataka, fa isaka ny mandre ny Teniny isika dia tiany hitodika Aminy mandrakariva ary raha sanatria ka niala sy nandao Azy, dia tiany haverina amin’ny fahamarinany mandrakariva mba ho ao Aminy. Maneho izany fa ny zanany sy ny asan’ny tanany dia efa adidiny, tsy misy haharombaka izay efa eo an-tanany.

Nivavaka ho an’ny mpitondra Fiangonana sy ny mpitory Filazantsara rehetra ; ho an’ny toby masina sy ny akany fibeazana. Nivavaka ho an’ny foibe FJKM, ny synodamparitany

Nivavaka ho an’ny Kristiana eto amin’ny Fitandremana ;  ho an’ny hetsika rehetra atao eto amin’ny Fitandremana  ho voninahitr’Andriamanitra ; ho an’ny fiofanan’ny tomponandraikitra. Mitondra amim-bavaka ireo mpanompo simban’ny rivodoza sy rava fananana, ireo marary, ireo mpanompo manana hataka manokana, nanao raki-pisaorana sy voady masina. Nivavaka ho amin’ny fanatanterahana ny synodam-pinoana.

ASA VAVOLOMBELONA

Ny asa vavolombelona androany dia ny hafatry ny Mpitandrina handeha hisotro ronono izay noraisiny tao amin’ny Hebreo 10 : 39. Ireto no hafatra :

  • Mandraisa andraikitra isika fa aza mihemotra;
  • Mila mirotsaka amin’ny lalina kokoa hatrany;
  • Raiso tsara izay Mpitandrina atolotra eto amintsika.

FAMARANANA NY FOTOANA

Natao ny hira FFPM 471: 1 , 2 : “He sambatra aho, Jesoa”.

Niara-notonina ny Tondrozotra 2023 ary taorian’ny fanambarana izany no natolotra ny Tsodrano. Ny hira Faneva Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina “Voninahitra sy Fifaliana ” no nentina namaranana izao fotoam-bavaka izao.

Taorian’ity fotoana ity dia nisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Niara-nanatanteraka ny fotoana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy ny Mpitandrina miza-draharaha.

Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesoran’ny Mpitandrina ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nohiraina ny FFPM 426: 1 « Nanatona Anao, Mpanavotra ô ». Novakina ny Soratra Masina, natao ny vavaka narahin’ny hira Antema 1: « Masina, masina, masina ». Rehefa izay, dia natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana ary nohiraina ny FFPM 184 « Fanahy Mpanazava anay! ». Natao ny vavaka fangatahana ny Fanahy Masina ary nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo ireo Mpitandrina. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny Vavaka fanetren-tena. Natolotra ny Diakona tsirairay tompon’anjara ny mofo sy ny kapoaka. Nandritra izany no nanaovana misesy ny FFPM 259 : « Ny latabatrao, ry Jeso »  sy  FFPM 262 « Indreto izahay ». Rehefa vita ny fizarana dia nitsangana ka niara-nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoaka ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Nasandratra ny Vavaka fisaorana ary nanangona ny kapoaka ny Diakona. Mandritra izany nohiraina ny FFPM 437 – FFPM 438.     
Nanao ny hafatra fohy ny Mpitandrina. Rehefa izany dia natolony ny Tsodrano ary ny hira FFPM 684: 1 « Ao ny lanitra tsara tokoa» no hira farany. Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinite

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Randriamasimanana Antenaina
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabemananoro Jonathan
Naka sary : Rakotondramboa Andry
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery