Fahafahana ara-nofo
Ny olona jamba dia olona tsy mahalala afa-tsy ny loko mainty. Ny alina sy ny aizina no mandrakotra ny fiainany. Rehefa nahita izy ary dia afaka nahita loko hafa ankoatra ny mainty ary lasa olona afaka niaina ny mazava, ny andro sy ny alina.
Rehefa nohadihadin’ireto mpitondra fivavahana izy dia tsy nisy azony lazainy afatsy ny fahafahany. Nijoro hatrany hatramin’ny farany noho izany fahafahana azony izany izy.
Nisy moa ny fanontaniana nipetraka hoe izy ve no nanota sa ireo ray amandreniny. Fahiny manko dia vokatry ny ota matoa misy takaitra mahazo ny taranaka. Namaly nefa Jesoa fa tsy noho izy na noho ny ray amandreniny no nahatonga azy ho jamba fa fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny voninahitr’Andriamanitra dia ho an’ny rehetra. Izay dia tena aseho eto tokoa satria ity jamba ity dia olona madinika, tsy dia misy miraharaha loatre teo amin’ny fiaraha-monina. Na mahantra hianao, na marary, na ireo efa voahilikilika azy dia afaka hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra avokoa.
Ny Isaia 51 : 9-11 dia tantara manambara fa ny zanak’Israely dia babo tany Babylona. Efa nanome ny teny fikasana azy ireo Andriamantira fa ho afaka izy ireo ary hody any an-tanindrazany. Rehefa Adriamanitra no miteny dia tsy maintsy tontosa. Manambara ny herin’Andriamanitra ity bokin’Isaia voalaza eto ity.
Fahafahana ara-panahy
Noroahan’ireo mpitondra fivavahana ilay jamba raha toa ka tsy nahazoany teny izay eritreretany fa mety azo hanenjehana ny Tompo.
Ity lehilahy izay rehefa nifanena tamin’ny Tompo taty aoriana dia lasa nangetaheta sy te-hahalala ny Tompo. (andininy 36-38). Azon’Andriamanitra atolotra izay mangetaheta Azy ny famonjena.
Dia toy izany koa ny boky ao amin’ny Asan’ny Apostoly, perikopa anio miala ny ny amin’ny Paoly Apostoly izay afaka roa sosona.
Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Manana izay hanafahana anao amin’izay manahirana anao ny Tompo. Eo amin’ny fiainantsika dia misy ireo fahazarantdratsy izay fanaontsika. Ny Tompo irery ihany no afaka manafaka antsika amin’izany.
Eo amin’ny sehatrintsika Fjkm, ny asan’ny Fiangonana dia ny hanafaka ny olona rehetra. Amin’izao fiainantsarotra izao dia tokony ahatoky an’i Jesoa Kristy isika. Manana ny rafitra hitondrany ny fiainantsika ny Tompo. Tokony hanao toy ny zanak’Israely, na dia mbola tany amin’ny fahababoana aza dia efa mifaly sahady satria Izy Andriamanitra mihitsy no mapanantena antsika.
Na ny fifandefasantsika vaovao eo tambazotrantsika aza dia efa fifampizarana lehibe.
Ivon’ny taniketsa anio , io sampana io dia famolavolana ankizy, fanomanana azy ireo mba ho olom-piangonana. Izay mahakolokolo no manana ny soa hoy ny hira Ffpm 787. Ny sampana dia hitaizana ny ankizy mba hanana fiainam-panahy manomboka any amin’ny fahazazany, hiditra mpianatra katekomena, ho lasa mpandray ny fanasan’ny Tompo, hanohy ny fanompoana amin’ny alalan’ny hira. Ireo no hoavin’ny Fiangonana. Anisan’ny fitaizana dia asaina mihaino toriteny ny ankizy ary mandray an-tsoratra izany.
Nisy ny anjarana hiran’ny Antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, « Afak’olana » taorian’ny hafatra.