Ny Sampana Mpiangaly Zavamaneno niaraka tamin’ny mpitendry Orga , Atoa Philippe RAJAOFETRA no nitarika ny Fiangonana tamin’ny fitarihana ny hira . Tamin’ny fiarahabana Apostolika dia nomarihan’ny mpitarika ny maha-alahadin’ny Epifania ny andro androany.
Ny Salamo faha 89 and. 8,9,11,13 ary ny 14 no nentina niderana sy nisaorana an’Andriamanitra. : “ Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao. Hianao manapaka ny fisavoan’ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao. Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy. Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. Rariny sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.” Amen !
Ny hira faha 746 “Mifalia ry sakaiza” no hira nanombohana izao fanompoam-pivavahana izao ho fiderana sy fisaoraa ny Tompo Andriamanitra noho ny taona vaovao izay nomeny.