ALAHADY 05 FEBROARY 2023
« NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA »
ALAHADY FAHADIMY MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADY FANDRAISANA

« Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » Marka 1 : 22

Alahady voalohany amin’ny volana febroary, ibanjinana lohahevitra vaovao, ho fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM, manao hoe: « NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA ». Ny Mpitandrina manao fizaran-draharaha, Jaomisy Hery Zo Eurudie, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina eto an-toerana Raharijaona Solofonirina no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana. Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Nisy ihany koa ny fiarahabana ireo teraka volana janoary.

FANOMBOHANA NY FOTOANA
Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika, dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 138:1-5, ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Natao avy eo ny hira FFPM 8 « Dera, laza, hery, haja », ary nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika. Natolotra an’Andriamanitra ny dera, ny laza, ny hery ary ny haja noho ny namoronany antsika sy nanomezany aina antsika. Nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany sy ny fitantanany ka nahafahana nahatratra ny volana febroary izay volana anehoan’Andriamanitra ny fahefany. Nangatahina ny Tompo mba handrotsaka ny Fanahy Masina hiasa amin’ny Fiangonana hafahana mandray ny Teniny izay mitondra fiainana.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

« Ary izao no ahafantarana fa mahalala Azy isika dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe : Fantatro Izy nefa tsy mitandrina ny didiny , dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavan’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika. Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. » I Jaona 2: 3-5; Jakoba 1: 21. Rehefa voambara ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM 465,4 « Ry Jeso ô, ry Jeso ! ».

VAVAKA FIFONANA 
Noho ny fitiavany no nanoloran’Andriamanitra ny sitrapony mba hahaizantsika miaina izany fitiavany izany. Indrisy anefa fa tsy nahatanteraka izany isika fa niaina tanaty fahalotoana sy fifankahalana ary lolompo. Mibebaka sy mifona ary mangataka famelana avy Aminy, fa maniry ny hanana fahamasinana eo imason’ny Ray sy hanana fiainana miaraka Aminy. Noho izany dia nangatahina ny famindram-pony ary nangataka fanadiovana sy famelan-keloka.

Rehefa vita ny vavaka fifonana dia nohiraina ny FFPM 415, 1-3 « Mifona Aminao izahay ».

TENY FAMELAN-KELOKA 

Natolotra ny Teny famelan-keloka. « Efa madio rahateo hianareo noho ny Teniko, Izay nolazaiko taminareo. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao » Jaona 15:3; Jaona 3:17 Noredomina ny FFPM 543: 1 « Mihoby ny fanahiko » ary ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika laharana voalohany.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA 
Rakotonarivo Ravaka no tompon’anjara amin’ny fotoanan’ny ankizy sy ny tanora.
Nalaina tao amin’ny Lioka 6: 45a ny hafatra: « Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony.»
Fampitahana ny omby sy ny kisoa no nentina nampita ny hafatra.
Mandritra ny fahavelomany dia maro ny soa azo avy amin’ny omby, toy ny fanampiany amin’ny asa fitaterana entana, ny fandraisany anjara amin’ny asa fambolena; mbola manome zezika ihany koa izy hoentina mamokatra. Tsy dia mila fikarakarana firy izy, indrindra amin’ny sakafo.Ny kisoa kosa dia mioso-potaka, mila fahanana ary mimenomenona sy mitroatra manimba zavatra, rehefa tara ny sakafony. Isika ankizy sy tanora ihany koa ve manampy ny ray aman-dreny, manala fahasahiranana sa toy ny kisoa miteraka vesatra sy manahirana ao an-tokantrano? Manam-panahy isika ka manan-tsafidy ny ho tsara na ho ratsy fanahy.

Handeha hisotro ronono ny Mpitandrina, atolory azy ny tsara indrindra. Eny amin’ny sehatra rehetra misy anao, asehoy fa ilaina ianao ary afaka mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fonao.
Izany hafatra izany dia narahina vavaka mba ho tanteraka sy hanjaka any anatin’ny tsirairay mba hananan’ny ankizy sy tanora rakitra tsara.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA 

“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.”

Ny Biraom-Piangonana Rakotomanana Andry no namaky ny filazan-draharaha.

Namerina nampahatsiahy ny lohahevitra fitaizam-panahy manerana ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana febroary 2023 ity izy, ary ny Hebreo 4: 12 fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela …. ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” ny Soratra Masina noraisiny.

Izao manaraka izao ireo tsara ho fantatra:

Raharaha avy any ivelany 
-Ho fankalazana ny tsingerinandro voalohan’ny « English Worship Service » dia asaina ny rehetra hanotrona izany ao amin’ny Katedraly Analakely ny alahady 12 febroary amin’ny 2 ora tolakandro.
– Alahady 12 febroary ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, fitondrana amim-bavaka ny taom-piasana sy taom-pitaizana 2023
ho an’ny SAMPATI,

– Alahady 12 febroary amin’ny 2 ora sy sasany: Seho “Feon’orga” karakarain’ny Sampana Mpitendry Zava-maneno sy ny teknisiana ao amin’ny FJKM Andavamamba Kristy velona. Handray anjara amin’izany ny RFF.
– Fankalazana ny Alahadin’ny Baiboly ny 12 febroary: Fanasana avy amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, ao amin’ny FJKM Andrainarivo, amin’ny 2 ora sy sasany.
Raharaha anatiny 
– Sabotsy 11 febroary: Fiofanana sy fifampiarahabana Taom-baovaon’ny FDL, manomboka amin’ny valo ora maraina eny amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina (TPM) eny Ivato.
– Alahady 12 febroary: Ny Batisa faobe, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Jobilin’ny Mpitandrina. Antsoina ireo voakasik’izany, hanatrika ny dinika fiofanana miaraka amin’ny Mpitandrina, ny alarobia hariva amin’ny 4 ora.
-Efa mivoaka ny Gazety Taratry ny Famonjena volana febroary.

VINA 2023 AMPARIBE FAMONJENA, MAZOTO AMIN’NY ASA FANOMPOANA  TSARA, MITOMBO, FINOANA HATRANY, MIAINA NY FIFANKATIAVANA.

Fanentanan’ny Komitin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina Raharijaona mivady:
-Araka ny Levitikosy 25 dia didin’Andriamanitra ny Jobily. Entanina ny rehetra handray anjara mavitrika amin’ireo hetsika sy fanohanana izany Jobily fisotroandrononon’ny Mpitandrina izany.

-Hotanterahina ny 12 febroary ny Batisa faobe.

-Ny hetsika miaraka amin’ireo mpivady namasinin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina dia hotanterahina ny 26 febroary. Aza hadinoina ny fanomezana ho fanohanana ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina. Aoka isika hifanentana sy hitondra amim-bavaka izany fankalazana izany. « Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy toy ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’olona» Kol.3:23.
Fanentanan’ny Mpitandrina

-Namafisina ny dinika hatao miaraka amin’ny ray aman-dreny na mpiantoka ireo hatao Batisa, izay hotanterahina ny alarobia 8 febroary amin’ny 4 ora hariva.
-Ny hetsika hiarahana amin’ireo mpivady namasinin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina dia atao ny 26 febroary, ka ny 12 febroary no fara-fisoratana anarana.
-Naseho ny mpianakavin’ny Finoana ny Mpitandrina miza-draharaha
Jaomisy Hery Zo Eurudie

Rakitra tsingerinandro
64 no isan’ireo teraka volana janoary tonga nankalaza an’Andriamanitra.
Ny Ezra 8:22Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Ny tànan’Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy” ny Teny natolotra azy ireo.
Nisaorana ny Tompo noho ny tombonandro azon’ny mpanompony. Nentina amim-bavaka izy ireo mba ho tanteraka aminy ny Teny firarian-tsoa.  Nangatahina ny Tompo mba hitahy azy ireo isan’andro isan’andro.
Nandritra ny rakitra alitara nataon’izy ireo dia nohiraina ny FFPM 306 « Mamafaza voa ».

RAKITRA SY FANOMEZANA 
Nisy ireo mpanompon’Andriamanitra nisaotra ny Tompo noho ny fitahiana sy fahasoavana azony; tao ireo nisaotra noho ny fahazoan’ny zanany asa; nisy ihany koa nangataka vavaka ho an’ny ankohonany eto Madagasikara sy any ivelany.
Nandritra ny fanantazana ny rakitra dia nandray ny anjara hirany ny STK « Mahay ny zavatra rehetra. ». Nohiraina ny FF 7 « Tsy hainay ny hangina », ary farany dia nohiraina ihany koa ny hira « Misaotra Anao izahay »an’i Saholimalala.
Teo am-panolorana ny rakitra dia nohiraina ny FF 34:1 «Tompo malala ô»

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mialoha ny vakiteny dia nohiraina ny FFPM 244:1-2 « Ry Jeso! mba henoinao ».
Rakotonarivo Hery no nivavaka, nangataka ny mba hafahan’ny tsirairay mahatsapa ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra sy hiasan’ny Fanahy Masina any amin’ny mpihaino sy ny mpamaky ny Teny. Rakotonarivo Herinirina kosa no namaky nisesy ny Teny voalahatra araka ny Perikopa: Zakaria: 1:1-6; Marka: 1:21-28; Hebreo: 1:1-4.

TORITENY 
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny Teny. Mialoha ny toriteny dia nohiraina ny FF6:1-2 «Ny teninao Jehovah o».
Ny Marka 1:21-28 no nangalana ny hafatra. Manana fahefana ny Tenin’Andriamanitra.
Ny fampianaran’i Jesoa sy ny asa mahagaga nataony no endrika roa isehoan’ny Tenin’Andriamanitra.
Mampiaiky ny maro ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Tao amin’ny Synagogan’i Kapernaomy tao Galilia no nampianaran’i Jesoa voalohany ny Tenin’Andriamanitra. Kapernaomy no renivohitry ny asa mesianika sy fampianaran’i Jesoa. Nanana tombony manokana ity tanàna ity amin’izany asa sy fampianarana izany. Mifamatotra amin’ny anaran’ity tanàna ity ny asa nataon’i Jesoa tao. Ny dikan’ny hoe Kapernaomy dia hoe tanànan’i Naomy. Naomy izay olona iray ao amin’ny bokin’i Rota, vehivavy nomena fiononana, faherezana ary fitserana. Nahazo izany fahasoavana azon’i Naomy izany ihany koa ireto vahoaka tao Kapernaomy ireto.
Nampiaiky ny maro ary nampitolagaga azy ny fampianaran’i Jesoa. Niavaka satria tsy mitovy ny amin’ny an’ireo mpanora-dalana izay be litania sy miverimberina. Nisy fahefana tao anatin’ny fampianaran’i Jesoa. Naha valalanona ny olona ihany koa hoe i Jesoa olona tsotra zanaka mpandrafitra no lasa nahay namaky Teny sy tonga mpampianatra lehibe. Manana fahefana ny fampianaran’ny Tompo ka manindrona ny fo sy saina ary ny fanahin’izay mihaino..

Manavao izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra, izany fampianarana izany.
Farany dia mitarika ny olona hanara-dia an’Andriamanitra ny fampianaran’ny Tompo.
Ny Teny torian’ny mpanompon’Andriamanitra dia raiso ho toy ny Tenin’Andriamanitra satria hafatr’Andriamanitra no ampitainy amin’ny alalan’ny mpanompony, mba hahazoanao fihavaozana. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no miasa ny Fanahy Masina. Io Fanahy Masina io no manavao antsika. Manainga ny olona hiova any amin’ny tsaratsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. « Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao Izy ».
Mampandositra ny devoly ny Tenin’Andriamanitra. Gaga ny olona raha nanao fampianarana ny Tompo. Teo anatrehan’izany dia nampiseho ny tao anatiny ny devoly. Niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’i Jesoa ireo devoly nampahory ilay demoniaka, saingy noroahin’i Jesoa ihany. Niditra tany anaty kisoa ireo demony ireo ka nivarina tany an-dranomasina dia maty. Araka izany, efa maty ireo kisoa nidiran’ny fanahy maloto ireo, ka tsy marina ny filazana fa misy fanahy maloto ny kisoa, ary fady ny mihinana azy.
Ny devoly dia tsy mahazaka ny Tenin’Andriamanitra. Nisy fotoana ny Mpitandrina naniraka mpiandry hiasa amina zaza iray tsy salama. Marihina fa mpanao kung-fu, mpaniratsira an’Andriamanitra ny rain’ilay ankizy marary, ka nilaza tamin’ireto Mpiandry efa zokinjokiny ireto, fa ny Grand maître (ny Mpitandrina no tiany ambara) no tadiaviny ifanandrina aminy. Rehefa niverina ireto Mpiandry niaraka tamin’ny Mpitandrina dia nihoraka sy nanao « démonstration » ilay raim-pianakaviana, fa ifanandrina amin’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy ady ara-batana anefa no nitranga fa fifanandrinana ara-panahy. Natao ny asa, sitrana ilay ankizy narary ary niova tsy naniratsira fivavahana intsony ilay raim-pianakaviana. Matahotra ny Tenin’Andriamanitra ny devoly. Afaka amin’ny fatoran’ny devoly isika rehefa manana ny Tenin’Andriamanitra. Ny Efesiana: 6 no misy ny Tenin’Andriamanitra natokana hamely, hamono ary manala ny asan’ny satana. Amin’ny fotoana rehetra iainanao dia aza misaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.Ny tondrozotrantsika dia natao mba hanampy anao amin’ny fitadidiana ny Tenin’Andriamanitra, fara-faharatsiny dia iny tondrozotra tononintsika isan-kerinandro iny no tadidinao. Azo ampiasaina io tondrozotra io amin’ny fotoana rehetra entinao manohitra ilay ratsy. ”Raha mitoetra ao aminareo ny Teniko, dia Izaho hitoetra ao anatinareo”. Manafaka antsika ho mpandresy ny Tenin’Andriamanitra. Amen.

Taorian’ny toriteny dia nandray anjara hira ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.

VAVAKA FANGATAHANA 
Nentina amim-bavaka ny Fiangonana, ny Mpitondra Fiangonana, ny Mpitoriteny ; nentina amim-bavaka koa ireo manomana ny Herinandron’ny fianakaviana,  ny Mpitandrina miza-draharaha noho ny fiaraha-miasa ary mba hahita voka-tsoa amin’ny fizaran-draharaha.
Nentina amim-bavaka ny mpianakavin’ny finoana sy ny fianakaviany ary ireo zanaka am-pielezana, ny sahirana, ny marary sy ireo manan-manjo; nentina amim-bavaka ireo manana hataka manokana sy ireo nanatontosa ny raki-pisaorana sy voady masina. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

ASA VAVOLOMBELONA 
Hafatry ny Mpitandrina handeha hisotro ronono.
Ny 2Timoty 1 : 14a « Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.»  no hafatra natolotry ny Mpitandrina. Nanafatra ny Mpitandrina mba ho voatahiry ireo fampianarana rehetra nataony. Anisan’izany ny fampiofanana, ny dinidinika, ny toriteny sy ny sisa. Nangataka izy mba ho Kristiana tsara taiza hanam-pahendrena sy hanome voninahitra an’Andriamanitra ny mpianakavin’ny Tompo eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena, ka hitondra fifaliana, handray sy hanome ny tsara indrindra amin’ny rakitra soa ananany.

FAMARANANA NY FOTOANA 
Nohiraina ny FFPM 731:1 « Enga anie ka homba anao Jesoa », niarahana nanonona ny tondrozotra 2023 ary natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
Nohiraina ny Hira faneva « Ianareo no voninahitray ».
Vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina.

Niisa 832 ny mpianakavin’ny finoana nanatrika ny fanompoam-pivavahana androany.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Niara-nanatanteraka ny fotoana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy ny Mpitandrina miza-draharaha.

Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesoran’ny Mpitandrina ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nohiraina ny FFPM 470:1 «Ny foko, ry Mpamonjy ». Novakiana ny Soratra Masina, natao ny vavaka narahin’ny hira Antema 1: « Masina, masina, masina ». Rehefa izay, dia natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana ary nohiraina ny FFPM 445:1 « Jesoa mora fo indrindra ». Natao ny vavaka fangatahana ny Fanahy Masina ary nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo ireo Mpitandrina. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Natolotra ny Diakona tsirairay tompon’anjara ny mofo sy ny kapoaka. Nandritra izany no nanaovana misesy ny HF 39:1 « Tompo ô Izay mahita »; FFPM 261 « Ankehitrio no isehoanao ». Rehefa vita ny fizarana dia nitsangana ka niara-nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoaka ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Natao ny vavaka fisaorana ary nanangona ny kapoaka ny Diakona. Mandritra izany nohiraina ny Antema 16 « Isaoranay, isaoranay».
Ny hafatra fohy dia noraisin’ny Mpitandrina tao amin’ny II Timoty 2:9b: « ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra ». Rehefa izany dia natolony ny Tsodrano ary ny hira FFPM 632 : 1 « Ampianaro aho Tompo, mba hiambina » no hira farany. Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina.

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Raharinoa Fenitra (Mpiofana ho mpitendry orga) ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Razafimaharo Kanto
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves sy Rabiazamaholy Hery Lanto
Naka sary : Raharijaona Nirina
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely Tiana