Tao amin’ny vavaka nataony dia hoy ny Mpitandrina “Isaoranay Ianao satria tia anay, mialoha anay isan’andro amin’ny fitiavanao. Miantso anay ianao ho amin’ny fanafahana amin’ilay ratsy , manolotra anay ny fifaliana amin’ny fandresena. Feno finoana sy fanantenana amin’ny fahatokiana Anao, na dia mpanompo tsy mahasoa aza izahay, mahatsiaro ny fahafahana sarobidy efa natolotrao anay izahay.” Nivavaka izy ho an’ny mpitondra Fiangonana, ny mpitory ny Filazantsara fa ho avy amin’ny herinao Ianao hoy izy, ny kristiana eto amin’ity fitandremana, ny mpiara mivavaka, mba hanana faharetana amin’ izany fahafahana izany amin’ny fotoana rehtrea, ny amin’ ny asan’ny Fiangonana amin’io herinandro io, ny fitsangatsanganana. Nentiny am-bavaka ny manana fikasana hanao Sefala, ny hiomana ho mpitandrina, ny katekomena izay ho raisina sy izay zandriny handimby azy, ireo manana hataka manokana ka ka manantena valim-bavaka, ireo ray amandrenin‘ny Fiangonana , ny Filohan’ny Fjkm, Sekretera Jeneraly sy tompon’andraikitra rehetra, ho arovao amin’ny herinao tsitoha, ireo sahirana, marary mana manjo, voan’ny tsindry hazo lena. Sitrana izy, omeo fiononana. Nentina am-bakana ireo nanatanteraka voady, tsaroany koa ny nanao raki-pisaorana ary nitrotro am-bavaka ireo nanana fangatahana manokana. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany.
Ny Hasin’ny Famonjena no nanao ny anjara hirany avy eo “Hiara-mandeha Aminao hatrizao”.