Ity perikopa ity dia ao anatin’ny fizarana faharoa amin’ny boky. Manambara fampiononana ho an’ny Jiosy tany amin’ny fahababoana.
Miantefa manokana amin’i Kyrosy mpanjaka ny hafatr’Andriamanitra eto. Izy izay manosotra an’i Kyrosy.
Lohahevitra telo no hosintonina araka izany :
TOMPON’NY FIFIDIANANA SY NY FIANTSOANA NY TOMPO (and. 3,4)
“Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao” (and 3).
I Kyrosy dia mpanjaka persa, noho izany dia jentilisa nefa nosoran’Andriamanitra ho famonjena ireo Jiosy izay babo any Babylona.
Ny hosotra nataon’i Jehovah tamin’i Kyrosy dia ho fanafahana indray ny zanak’israely ka hampodiana azy ireo amin’ny tany Kanana.
Ny hevi-panahy ambaran’izany dia miantso ny olona rehetra ho amin’ny famonjena Andriamanitra mba ho fiasana eo am-pelatanany. Hain’Andriamanitra ny mampiasa ny olona rehetra mba hahatontosa ny fikasany.
Hambara ho mpanjaka voairak’Andriamanitra i Kyrosy ary nantsoina mihitsy hoe : “voahosotra”
Ny hoe : voahosotra dia ny mesia no fahafantarantsika izany.
Ny voahosotra koa anefa dia olona nofidian’Andriamanitra manokana hanatanteraka ny asany.
Araka izany ary dia miantso olona ho amin’ny fanompoana ny Tompo, tsy manavaka izy fa izay manaiky ny antsony dia hosorany ho amin’ny fanompoana ka hitondra fanafahana ho an’ireo mbola babon’i satana.
TOMPO TOKANA NY TOMPO (and. 5-6)
« Izao no Jehovah fa tsy misy hafa ».
Ny hoe : IZAHO eto dia Andriamanitra manambara ny tenany.
Tsy misy hafa ankoatra Azy. Amin’ny maha tompo tsy toa Azy dia manambara ny tenany amin’ny fahefana no antony nitenen’Andriamanitra izany.
Ny maha tokana an’Andriamanitra dia ny fanehoany fa eo an-tànany irery ihany ny fiainan’ny vahoakany ka marina sy mahitsy mandrakariva Izy, amin’ny fomba rehetra entiny mitondra sy mamonjy ny vahoakany.
Tokona hotsarovana anefa fa tsy ho an’ny Israely irery ihany no maha tokana an’Andriamanitra fa ho an’izao tontolo izao mihitsy, ka isan’izany i Madagasikara. Izy no nanao ny alina sy ny mazava ho an’ny rehetra ary tsy misy Andriamanitra tahaka Azy. Izy irery no tena Andriamanitra ary tsy voafetra izany fahefany izany. Izy no tompomarika amin’ny famonjena ny olony.
Raha izany no Andriamanitsika, inona no tokony hampanahy sy hahakivy antsika nefa efa eo Aminy ny fahefana rehetra sy ny hery rehetra. Ny angatahan’ny Tompo amintsika fotsiny dia ny fahatokiana Azy.
Aminao àry : Iza moa Jesoa ? Meteza hanaiky toa an’i Natanaela ka hiteny hoe : « Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no mpanjakan’ny Israely ».
TOMPON’NY FITAHIANA NY TOMPO (and. 7,8 sy and. 2,3)
“Handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy”.
Asehon’Andriamanitra eto fa Izy no hanafaka antsika amin’ny kitoantoana eo amin’ny fiainana. Andriamanitra no hanala ny sakana izay tsy vitan’ny olona atao. Ho lasa fitahiana kosa izany ho an’izay manaraka Azy sy miankina Aminy.
Omen’Andriamanitra taona vaovao isika amin’izao 2021 izao. Isaorantsika Azy izany. Mbola miafina amintsika anefa izay hitranga rehetra mandritra ity taona ity, fa anio kosa ny Tompo manome toky fa raha avelatsika handroso eo anoloantsika Izy, dia Izy no handamina sy handravona ny kitoantoana amin’ny lalantsika . Izy hanome ny rakitra sy harena ho antsika na ara-panahy na ara-piainana. Ny fanalahidin’izany dia ny fanaovana an’Andriamanitra ho eo aloha amin’ny zavatra rehetra.
Miorena tsara ao amin’ny Tompo!
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.