FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy ny Mpitandrina miza-draharaha Andrianaivomanana Willy Johnson no niara-nanatanteraka ny fotoana.
Nohiraina ny FFPM 262 : 1, 2 « Indreto izahay » teo am-piomanana.
Novakiana ny Soratra Masina, natao ny vavaka fanandratana ary ny hira fihobiana Antema 1 « Masina, Masina, Masina ».
Ireto manaraka ireto ny hira natao nandritra ny fotoana: FFPM 115 : 1, FFPM 90, FFPM 107.
Natao ny vavaka ary nohiraina mandritra ny fanantazana ny raki-pisaorana sy ny fanangonana ny kapoaka ny ANTEMA 16 « Isaoranay, isaoranay ».
Nanome hafatra ny Mpitandrina:
Lioka 10 : 19 « Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. »
Natolotra ny Tsodrano.
Ny hira « Mialoka Aminao » no natao teo am- pamaranana ny fotoana.
Nipetraka ny Mpandray ary nivavaka mangina.
“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”
Amena.