ALAHADY 02 OKTOBRA 2022
« HAVAOZY NY FANOMPOAN’NY FIANGONANA »

ALAHADY FAHA XVI MANARAKA NY TRINITE
ALAHADY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

ALAHADIN’NY MPITANDRINA SY
FANOKAFANA NY JOBILY FISOTROAN-DRONONO

Hianareo no Voninahitray sy reharehanay ” 1 Tesaloniana 2 : 20

Fotoana  roa sosona ny fotoana androany : Alahadin’ny Mpitandrina sy fanokafana ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady.

Razafimaharo Maminirina, Biraom-piangonana, no nitarika ny fotoana ary ny  Mpitandrina Andriambahiny Maminiaina no nitondra ny hafatry ny Tompo. Alahady voalohany amin’ny volana oktobra, koa nisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Natao ihany koa ny fiarahabana ireo teraka volana septambra ka nankalaza an’Andriamanitra noho ny tsingerinandro nahaterahany.

Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.

FANOMBOHANA NY FOTOANA 

Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny Fiarahabana apostolika ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 33:1- 4 sy ny Salamo 118 : 24 : « Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina ; fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana…Ity no andro nataon’i Jehovah ; Hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika.»

Rehefa vita izany dia natao ny hira FFPM 173 : 1, 2, 3 « Hosana no asandratray »

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Nisaorana Andriamanitra noho ny fitaomany ny olony ka tonga soa aman-tsara eto an-tranon’Andriamanitra hanome voninahitra Azy sy hitondra amim-bavaka ny Raiamandreny Mpitandrina mivady sy ny ankohonany. Nisaorana Andriamanitra nanome ny Mpitandrina nandritra ny 15 taona, nisolo tena Azy, mba hitaiza sy hanolokolo. Nangatahina ny fanatrehan’ny Fanahy Masina mba hanome aina vaovao indray ho voninahitry ny Tompo.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

« Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady andefimandrinao, na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe : Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin’ny faran’ny tany rehetra, dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao …(Deoteronomia 13 : 9)  Koa ankehitriny matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana…( Josoa 24 : 14)  fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.» (Josoa 24:19).
Taorian’ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny hira 331 : 1 « Havaozy ny foko » (Fihirana Fifohazana).

VAVAKA FIFONANA
Noho ny tsy fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra dia nangatahina ny famindram-po avy Aminy. Nangatahina ny Tompo mba hanavao ny fanahin’ny mpianakavin’ny finoana ka hanompo Azy sy ho tia Azy mandritra ny androm-piainany.

Rehefa vita ny vavaka fifonana dia nohiraina ny FF 35 : 2 « Ry Tomponay ô avia » 

FAMELAN-KELOKA

Natolotra ny Teny famelan-keloka. « Tsy sitrako ny ahafatesan’ny ratsy fanahy fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy.»
Nohiraina ny FFPM 543 : 1, 3 « Mihoby ny fanahiko » ary ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA 
Andriamampianina Naivo, mpampianatra Kilasy faha 9 no tompon’anjara.

« Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery » (Isaia 40 : 31a) no andinin-tSoratra Masina nozaraina nakana ny hafatra.
Vorona matanjaka tokoa ny voromahery. Anisan’izany ny ankoay. Mihavao mandrakariva ny heriny, ny volony ihany koa dia havaoziny isan-taona. Ongotany izany ary mitsiry vaovao indray, ny vavany ihany koa dia rangitiny ary tena maranitra. Mahatratra 130 km isan’ora ny hafainganam-pandehany ary rehefa mihaza izy dia 120 km isan’ora ny fidinany misambotra ny rembiny. Mampiavaka ity vorona ity ny fitiavany misidina manohitra rivotra mahery. Ny voromahery no nangalana tahaka ny fiaramanidina. Anehoan’Adriamanitra ny heriny ny voromahery. Aoka isika tsy ho kivikivy fa hampitombo ny herintsika ao amin’Andriamanitra sy hihavao hatrany.
Rehefa vita izany hafatra fohy izany dia nohirain’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady ny hira FFPM 487: 1 « Fanavaozana izay mahagaga »
Ho setrin’izany hafatra izany dia nanao vavaka ny tompon’anjara ka nisaotra ny Tompo noho ny fampianarany hahatonga ny mpanompony tsy ho mora kivy sy hamoy fo fa hanovo hery hatrany ao amin’Andriamanitra.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA 

« Amparibe Famonjena : Mifankatiava tsara, Hazony mafy ny finoana, Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo »

Rakotomanana Andry, Biraom-Piangonana, no nanao ny tatitra.Toy izao no tsara hofantarina ka hotanterahin’ny Fiangonana:
Avy any ivelany 
. FJKM Foibe

   – 03-06 oktobra : Antsoina ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo hanaraka ny fiofanana Misionera andiany fahatelo.

   – 08 oktobra : Fanompoam-pivavahana fanirahana ireo Misionera eny amin’ny Kianja maitso Antsahamanitra amin’ny 2ora sy sasany.

  – 8 oktobra : Fanompoam-pivavahana famoahana ireo nahavita fianarana SETELA andiany Iraka Fanasina, amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.

. Synodamparitany Antananarivo Andrefana

  – 08 sy 09 oktobra : Fivoriamben’ny synodamparitany Antananarivo Andrefana.

Mikatona avokoa  ny trano fiangonana ny alahady 9 oktobra eto amin’ny synodamparitany Antananarivo Andrefana. Eny Ivandry Amboniloha no hotontosaina ny fanompoam-pivavahana.

    -15 oktobra : Fihaonamben’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL) eto amin’ny synodamparitany Antananarivo Andrefana eny amin’ny Toby Getsemane Antambohomena.

Raharaha anatiny :
–  Asa vavolombelona roa hotanterahina anio dia ny fitondrana amim-bavaka ny Mpitandrina mianakavy sy ny fanokafana ny Jobily fisotroan-drononon’ny Mpitandrina mivady.
– 10-16 oktobra : Herinandrom-bokatry ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)

-17-23 oktobra: Herinandrombokatry ny Sampana Fifohazana (SAFIF)
-16 oktobra : Fivorian’ny Mpihevidraharaha. Haseho amin’io fotoana io ireo mpianatra Katekomena horaisina ho Mpiray latabatra amin’ny Tompo.

-16oktobra: Manomboka ny fianarana Sekoly Alahady
– Sabotsy 22 oktobra : Fiofanan’ny tomponandraikitra rehetra eto amin’ny Fiangonana

– Alahady 23 oktobra : Haseho amin’ny fotoanan’ny ankatoky ny Fandraisana ireo mpianatra Katekomena horaisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny 06 novambra.

Fiarahabana ireo nankalaza an’ Andriamanitra noho ny tsingerinandro nahaterahana volana septambra 
« Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. » Apokalypsy 2 : 19.

Izany no teny nentina niarahaba ireo mpianakavin’ny finoana nanatontosa ny rakitra teny amin’ny alitara. Ny FFPM 625 : 5 « Mpamonjy soa malala ô »  sy FFPM 20 « Tsaroanay tokoa izao » no nohiraina nandritra ny rakitra teny amin’ny alitara.
Tamin’izany dia nentina tamim-bavaka izy ireo ho fisaorana ny Tompo noho ny tombonandro azony sy nahafahany nankalaza izao fotoana miaraka amin’ny mpianakavin’ny Tompo izao. Nentina tamim-bavaka izy ireo mba hahazo hery, hitombo finoana, hahazo fahasalamana ary hanana fifaliana ao amin’ny Tompo.

RAKITRA SY FANOMEZANA 

Ny Biraom-Piangonana Andriamasinoro Tantely no namaky ireo raki-pisaorana sy voady nataon’ireo mpianakavin’ny finoana tamin’ity alahady ity. Ny FFPM 612 : 1 « Ry Ray Mpiaro lehibe », FFPM 547,1 « Ry Jesô Masoandronay o ! », ary FFPM 488, 3 « Na inona na inona hitranga Jeso » no hira nangatahin’izy ireo.

Nisy ireo mpianakavy ao amin’ny Tompo nisaotra noho ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Nisy ireo nisaotra noho ny faharetan’ny tokantranony. Tao ireo nisaotra noho ny fahasitranana azo. Nisy kosa ireo mitady fahasitranana sy fahasalamana. Nisy ireo nidonam-pahoriana nangataka vavaka fampaherezana ; ny afa-panadinana. Tao ihany koa ireo mangata-bavaka hiatrika fanadinana. Nisy mpanompon’Andriamanitra nangataka vavaka hitantanana ny fiainany, ny fianarany sy ny asa fanompoany. Nisy ihany koa ny nangataka tsodrano fa ho any am-pitan-dranomasina.
Teo am-panolorana ny rakitra dia  nohiraina ny FFPM 179 : 4  «Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa». 

 

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Nohiraina ny FFPM 786: 1 « Ny Teninao Jehovah izay ianaranay ».
Ny Biraon’ny Komity Fisotroan-dronon’ny Mpitandrina (KFM) no nivavaka sy namaky Teny.

Ratovelomanana Samoela no nanatanteraka ny vavaka mialoha ny vakiteny
Nisaorana Andriamanitra noho ny fotoana nomeny hahafahana mamaky sy mihaino ny Teniny. Nangatahina ny Fanahy Masina hanokatra ny fo sy ny saina hahatakarana ny tian’Andriamanitra holazaina.
Razafimaharo Fanja no namaky ny perikopa voalahatra. Ny Testamenta Taloha : Isaia 29 : 13-24 sy ny Testamenta Vaovao : Marka 7 : 1-13 ; II Korintiana 5 : 11-21.

TORITENY 
Nohiraina ny FFPM 786 : 4 « Ny Teninao Jehovah izay ianaranay » mialoha ny hafatry ny Tompo.
« Hianareo no voninahitray sy reharehanay » I Tesaloniana 2,20. Izany no Tenin’Andriamanitra nangalana ny toriteny.

Teo am-panombohana dia nampahery ny Mpitandrina hoe : « Courage ! » ary nanentana ny mpianakavin’ny finoana hiteny izany sy hampahery ny olona teo akaikiny ihany koa.
Ny olon’Andriamanitra manam-pinoana dia olon’ny fiadanana, hoy izy, satria ny Tompo milaza hoe « Ny fiadanako no omeko anareo ». Io I Tesaloniana 2 : 20 io no boky nosoratan’i Paoly voalohany. Sahirana ny sain’i Paoly tamin’izany fa tsy hihaona amin’ireo Mpino intsony tamin’io fotoana. io.
Ireto no fototra ijoroan’ny Protestanta : Sola Scriptura,  izay midika fa ny Soratra Masina irery ihany no ifotorantsika sy ny Sola Fide izay midika fa ny Finoana irery ihany no ifotorantsika.
Ao amin’ny Baiboly no misy ny Tenin’Andriamanitra ary ny ambaran’io Soratra Masina io dia i Jesoa Kristy irery ihany. Jesoa Kristy dia nambara tamin’ny Tenin’Andriamanitra ary tonga nofo Izy ka raisintsika amin’ny  Fanasan’ny Tompo. Ny olona rehetra tonga eto an-tranon’Andriamanitra dia olona notaomin’ny Fanahy Masina. Tsy mitaona antsika ho any amin’ny trano fijerena sarimihetsika sy trano filanonana ny Tompo fa mitaona antsika ho ao an-tranony. Tsy olona no tadiavintsika ato an-tranon’Andriamanitra fa Andriamanitra. Tsy misy famonjena ivelan’ny Fiangonana.
Talohan’ny fanitsiam-pivavahana dia voalaza fa vidiam-bola ny famonjena ny fanahy. Diso izany  ary izany no nahatonga ny fanitsiam-pivavahana kristiana.  Ny Finoana omena antsika no mamonjy antsika. Ny Finoana dia arahina asa.  Epistis no dikan’ny finoana. Ny olona dia lasa lavitra raha misy finoana.

Araka ny « Sociologie religieuse » dia afaka refesina ny finoana. Voalohany, ny Mpino dia tonga ao an-tranon’Andriamanitra. Faharoa, mandray andraikitra ao izy ary farany dia mandray anjara amin’ny fanefana ny adidy ara-bola ny Mpino. Io farany io no manahirana ny sain’ny sasany. Voalaza nefa fa misy olona fatra-panome, kanefa mihamanana hatrany ; misy kosa fatra-pahihitra, kanefa mihamalahelo hatrany. Izay manome no mahazo. Aza mitaraina rehefa mandoa vola aty am-piangonana, fa mifalia. Ny asa izay ataonao dia asan’Andriamanitra. Ny rakitra hatao dia hatolotra an’Andriamanitra. Arakaraka ny hanomezantsika ny Tompo no handraisantsika avy Aminy. Mila matoky ny Tompo ianao vao marina aminao izany teny izany. Jesoa no vahaolana ho an’ny olona. Ankehitriny, ny lojikan’ny olona dia hoe « olana- vahaolana ». Ho antsika Kristiana dia Jesoa no vahaolana. Efa manana Azy isika hamaha ny olana rehetra izay ho avy. Jesoa no vahaolanao?
Ho fifaliana sy reharehan’Andriamanitra anie isika rehetra.

Taorian’ny feon-javamaneno fohy dia nanatanteraka ny anjara hirany ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena: «Tia antsika».

VAVAKA FANGATAHANA 

Ny Biraom-Piangonana Razafindrabe John Bam no nanatanteraka ny vavaka fangatahana amin’Andriamanitra.
Nambara tamin’ny Tompo ny fahavononana hiasa ho Azy sy ny fanavaozana ny fanompoana Azy ary ny handeha araka ny sitrany.  Nentina tamim-bavaka ny Mpitandrina sy ny ankohonany, ny mpianakavin’ny finoana ary ireo olona nanatanteraka ny voady masina sy raki-pisaorana.
Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

ASA VAVOLOMBELONA 
Fiarahabana ny Mpitandrina mivady 
« Mahaiza mankalaza tsara an’Andriamanitra hianareo » Salamo 47: 7. Izany no nentina niarahaba ny Mpitandrina mivady. Ranaivoson Jacky, Biraom-Piangonana, no nitondra ny Teny.

Taorian’izay dia ny Biraom-Piangonana Ralaindimby Haja no nitondra tamim-bavaka ny Mpitandrina sy ny ankohonany. Nisaotra an’Andriamanitra noho ny 14 taona nananana ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana. Nangatahina ny Fanahy Masina hitarika sy hitsinjo azy amin’ny asam-panompoana ataony. Nentina tamim-bavaka ihany koa ny zanaka aman-jafiny.

Fanokafana ny Jobily fisotroan-dronono 
« Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo ; hevero ny hiafaran’ny fiainany,ka araho ny finoany » Hebreo 13 : 7 Izany kosa no Teny-hafatra nataon’ny Filohan’ny KFM, Randrianonimandimby Oliva, natolotra ny mpianakavin’ny finoana handrisihana azy ireo haneho fifankatiavana amin’ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina.
Nanao lahateny fohy ny Filohan’ny KFM nanambara ny fotoana nitandreman’ny Mpitandrina teto Amparibe Famonjena izay nanomboka ny jolay 2008.  Nomeny ny fintin’ny tetiandron’ny taon-jobily izay hanomboka amin’ny Mariazy Miara-mizotra ny janoary 2023 ary hifarana ny 31 desambra 2023 amin’ny sakafo Agape. Nambarany fa tao anatin’ny 110 taona dia Mpitandrina efatra nisesy izay no nisotro ronono teto amin’ny Fitandremana, namela hira fahatsiarovana : ny Mpitandrina Andriamasinoro : « Mialoka Aminao » ; ny Révérend Rakotoarivony Paul « Sambasamba Zanahary » ; ny Mpitandrina Ramino Paul « Tompo ô manatreha ».
Nampahafantatra izy fa tsy misy ny Hira faneva amin’izao taon-jobily izao fa misy tononkira atolotry ny Mpitandrina mivady hirain’ireo Sampana mpihira eto amin’ny Fitandremana ary iarahana misalahy amin’ny Fiangonana ny famoahana izany hira izany.
Teo anatrehan’izany dia nanao teny fisaorana ny Mpitandrina. Nisaotra an’Andriamanitra izy, nisaotra ny Birao, ny mpihevidraharaha, ny Mpandray sy ny KFM ary ny mpianakavin’ny finoana rehetra.
Taorian’izany dia nosokafana ny « Banderole »  mirakitra ny Jobily izay napetraka ao amin’ny rindrina ivelan’ny trano fiangonana.
Avy eo dia nanatanteraka ny hira mitondra ny lohateny « Fa hianareo no voninahitray » ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena, hira noforonon-dRabako Ralambonirina Jean Jacques, noho izao Jobily izao. Rehefa izay, dia nandray fitenenana ny solotenan’ny synodamparitany, Andry Nirina Velosoa, izay Tonian’ny Departemantan’ny mpiasa sy ny vola. Tamin’izany dia nanolotra tononkalo ho an’ny Mpitandrina izy.

FAMARANANA NY FOTOANA 
Nohiraina ny hira: HF 31 : 1, 3 « Ny lalanao Jesoa » ary niarahana nanonona ny Tondrozotra 2022, ary natolotry ny Mpitandrina Andriambahiny Maminiaina  ny Tsodrano.
Ny hira « Mialoka Aminao » no namaranana ny fotoana
Nipetraka ny Fiangonana nivavaka mangina. Nofaranana tamin’ny fanononana ny Trinite masina ny fotoam-pivavahana :« Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina »
sy feon-javamaneno.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nanatanteraka ny fotoana.

Mialoha izany dia nanao hira manokana ny Mpitandrina, « Tarigetra » no lohateny.
Ary teo am-piomanana dia nohirain’ny Mpandray ny FFPM 748 : 1, 3 « Havaozy Tompo ô izao rehetra izao ». Nivavaka ary narahina ny hira Antema 1 « Masina, Masina, Masina » izany.

Natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana izao Fanasan’ny Tompo izao. Nohiraina ny  FFPM 599 : 1 « O ry Jesosy mifaly ny foko » dia nivavaka nangataka ny Fanahy Masina ny Mpitandrina,  nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetren-tena.

Tao anatin’ny fizarana ny mofo sy ny kapoaka no nanaovana misesy ny hira FFPM 752 « O ry Jesosy ny Anaranao » ; ny FFPM 392 « O mba raiso izao, misy lovanao ao » ; ny FFPM 487 « Fanavaozana izay mahagaga ».

Tao anatin’ny fanangona ny kapoaka sy fanantazana ny rakitra no nanatanterahina ny hira FFPM 241 « Ry Jesô ô midina ».

FAMARANANA 
Nanome ny hafatra fohy ny Mpitandrina « Hianareo no voninahitray sy reharehanay ry Amparibe Famonjena » ary natolony ny Tsodrano. Natao ny hira FFPM 579 : 5 « Aza mba mandalo ahy » teo am-pamaranana.
Nirava tao anaty feon-javamaneno ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John, Rajaofetra Antonio (Mpiofana ho mpitendry orga) ary ny Sampana Mpiangaly Zava-maneno (SMZM)

Nikirakira ny fafana : Razafimaharo Kanto

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto, Razafimahefa Tina

Naka sary : Andriamampianina Faneva Harijesy

Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely.