Andriamy Guy no tompon’andraikitra tamin’ny Dimy minitran’ny Sekoly Alahady. Talohan’ny tantara fohy dia nanao vavaka ny mpitarika mba hahazoan’ny mpihaino tsara ny hafatra.
Ny tantaran’i Daily no natolotra ho an’ny Sekoly Alahady. Daily dia mpanompon’Andriamanitra iray izay nahay niara-monina tamin’ny olona.
Rehefa tonga tamin’ny fotoana tokony hanambadiany izy dia naniry ny hanana tokantrano sambatra. Naharitra fotoana maro anefa ny naha mpitovo azy ary dia nataon’ny fiaraha-monina resaka izy sady naratsian’izy ireo no noendrikendrehany ho mpaka vadin’olona noho izy sariaka. Tsy nahakivy azy izany fa nankininy tamin’ny Tompo ny fiainany ary nahery nivavaka izy. Rehefa nandeha teny ny fotoana dia lehilahy efa somary bebe taona no naka vady azy. Vao mainka nataon’ny olona resaka Daily. Tsy vitan’izany fa tsy nety nahazo zanaka indray izy mivady. Ny tanàna nonenan’izy ireto dia somary alavitry ny renivohitra ka tsy nisy toeram-pitsaboana hany ka tsy maintsy mandeha alavitra ireo mpiteraka sy marary rehefa mila dokotera, ny lalana anefa sady ratsy no lavitra. Rehefa nitondra vohoka I Daily dia nosokafana teo an-tanàna ny toeram-pitsaboana ka tsy sahirana I Daily nanao ny fanaraha-maso ny fitondrany vohoka sy ny fiterahany. Nampalahelo anefa fa rehefa teraka ilay zazalahy dia nisy fahasembanana. Tsy nahakivy an’i Daily izany tranga izany satria izy dia mpanompo mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra. Tonga ary ny ady lehibe. Voatery nanao miaramila avokoa ny vatan-dehilahy rehetra. Ny vady aman-janak’I Daily irery no tsy nalefa tany an’ady satria efa nahazo taona ny vadiny, ny zanany kosa dia tsy mahafeno ny fepetra ahafahana mirotsaka miaramila. Ny vadin’i Daily sy ny zanany irery sisa no lehilahy teo an-tanàna. Ary ireo lasa dia tsy tafaverina intsony. Izany no lahatr’Andriamanitra.“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza.” Jeremia 29,11a
Taorian’izay dia nasaina nifampirary soa ny mpianakavin’ny Tompo tamin’ ny alalan’io teny iomanao hoe “Fa ny Tompo mahalala ny hevitra iheverany anao, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza”
Taorian’izay dia nanao ny anjara hirany ny taninketsa.