Araka ny fandinihina nataon’olona dia misy fahotana fito mampiodina ny olona : mirenty sy mamiratra, hakamoana, hatendankanina, faniriandratsy, fieboheboana, fahihirana, fahatezerana sy faharomotana. Raha manana ny iray amin’ireo toetra ireo izany izany dia tsarovy fa mampiodina anao amin’Andriamanitra ireo ary misy devoly miaraka amin’ireo toetra ireto. (Henoy ny hafatra dia ho fantatrao izany). Rehefa ireo no manjaka dia tsy miditra ao anatinao mihitsy ny Filazantsara na dia hisy fitoriana mahery aza.
Tokony manao toy ireo apostoly isika. Paoly rehefa nandray an’i Kristy dia niova, nitory Azy foana na oviana na oviana ary na aiza na aiza. Ny asa nataon’i Paoly dia nitondra ambavaka ireo olona hitoriany ireo mba hitoetra ao amin’ny Tompo.
Isika rehetra ary hoy ny mpitandrina dia tokony hitodika ka hifanatrika amin’Andriamanitra hatrany hatrany.
Nanao ny anjara hirany ny Hasin’ny Famonjena « Meteza Ray ô » taorian’ny hafatra.