Ratoa RAKOTOMANANA Andrimbazotiana no nanatanteraka izany.
– Hisy ny Fambolenkazo hotanterahina eo anivon’ny Foibe FJKM ny Sabotsy faha 21 desambra 2019 . Ny fihaingana dia amin’ny 6 ora maraina eo amin’ny Esplanade Analakely. Ny toerana dia eny Andanona.
– Ity herinandro mitsidika ity no herinandrom-bokatry ny Sampana Sekoly Alahady ka ny Alahady faha 8 desambra 2019 no ivony.
– Ny Alahady faha 15 Desambra no fanolorana ny valisoa ho an’ny nantanteraka ny fahalalana soratra masina sy ireo afaka fanadinana ara-panjakana sy teo amin’ny sehatry ny fiangonana
– Manomboka ny Alakamisy faha 19 desambra ny herinadr sambatra.
– Azontsika teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena ny amboaran’ny filohan’ny FJKM teo amin’ny taranja Volley-Ball ary ny laharana faharoa teo amin’ny taranja Basket-Ball
TENIN’NY MPITANDRINA
Rehefa avy niarahaba ny mpianakavin’ny finoana izy ary nisaotra an’Andriamanitra noho ity fotoana ahafahantsika manompo Azy ity dia nanao ireto fanentanana ireto:
– Nanentana ny mpianakavin’ny finoana, ny ankizy sy ny tanora, amin’ny fianarana ny fety Krismasy..
– Nanentana ihany koa ny amin’ny fanomboan’ny taom-pianarana vaovao eo amin’ny fianarana Katekomena izay hanomboka ny Alahady faha 8 desambra 2019 amin’ny 02:15ora