1-NOFORON’ANDRIAMANITRA ANAO ASA TSARA ISIKA
Ny antom-pisiantsika dia ny mba hanatanterahantsika ny asa tsara.
Ny hilazana izany dia voalohany: Fiantrana ho an’ny rahalahy malahelo.
Ao anatin’ny taom-pahafahana dia famotsorana ny trosa no tanterahina.
Asa tsara, atao am-pitiavana izany mba hanafaka azy amin’ny fahasahiranany.
Rehefa tanteraka izany dia fitahiana ho an’ny Fiangonana mahatanteraka izany.
Namboarin’Andriamanitra ho amin’izany isika ka fitahiana no vokatr’izany.
Fa raha tsy tanterahina izany dia fiampangana antsika izany kanefa isika dia noforonin’Andriamanitra ahatanteraka asa tsara.
2 – NAMBOARINA MBA HANDEHA AMIN’IZANY ISIKA.
Ny nahatongavantsika ety ambany masoandro dia ny mba hahatonga ny fikasan’Andriamanitraa mba ho tanteraka.
a/ Hitsimbina ny namana
b/ Olona natao hanampy ny namany sy ny fianakaviana amin’ny fo tsotra tsy misy fireharehana fanentanana ho an’ny Fiangonana tokoa izany.
Amin’ity alahady ity dia manana ny mpanompon’Andriamanitra izay nahavita ny fianarany isika ary handeha hitory sy hanao ny asa tsara; koa ny fanohanana izany no takiana amin’ny Fiangonana.
Alahadin’ny Sampana SLK ity alahady ity. Manana ny teny faneva hoe aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo ry lehilahy mahery. Mila fanohanana sy fanampiana izany.Izao fotoana izao ihany koa no hilana ny fanampiana ny ankizy sahirana amin’ny fanatanterahany ny fianarany.
Rehefa miaina sy mivelona amin’ny sitrapon’Andrioamanitra amin’izay nanirahany antsika isika dia tafaorina amin’Andriamanitra isika.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
Nanana ny anjara hirany ny Hasin’ny Famonjena : “Misy asa tsara”.