











Teny Fanolorana

« Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. » Heb 10 :24
« Famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay manao asa tsara. » Oha 14 :22
Feno haravoana sy hafaliana isika mihaona sy mitafa eto anatin’ny tranokalam-pifandraisan’ny F.J.K.M. Amparibe Famonjena. Ny tranokalam-piangonana toy izao dia entina hampitana zavatra maro momba ny Fiangonana sy ny kristiana miserasera ao anatiny.
Ny asan’ny Fiangonana dia misy dingana telo mifanao ambaratonga mba hahatanterahany ny baikon’ny Tompo hoe « … fahano àry ny ondrikeliko » (Jao.21:15). Ireto avy izany : fitoriana ny Filazantsara ho an’izay tsy mbola ao am-bala ; fitaizam-panahy rehefa tonga mikambana ho andiany iray amin’ireo efa ao am-bala ; ary fitaizam-pinoana mba ho kristiana sahy milaza hoe « … fantatro izay inoako » (2Tim.1:12d). Amin’io ambaratonga farany io dia tsy zaza amin’ny ara-panahy intsony, fa olona efa mahatratra ny ohatra ny finoana (Efe.4:13). Fomba mahomby entina mampita io baikon’i Jesoa io ny teknolojia toy izao, ka isaorana sy omem-boninahitra Andriamanitra. (…)
RAHARIJAONA Solofonirina, Mpitandrina
F.J.K.M. Amparibe Famonjena
S/P Antananarivo Andrafena (SPAA 10)
ALAHADY 14 NOVAMBRA 2021



Ny tatitry ny fanompoam-pivavahana
ALAHADY 14 NOVAMBRA 2021
“TAFATOETRA NY FON'IZAY MIANDRY NY TOMPO ”
Alahady faha XXIV manaraka ny Trinite
Fitondrana amim-bavaka ny fitantanana ny fananan’ny FJKM
Ivom-bokatry ny Asa Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranokala
“TAFATOETRA NY FON’IZAY MIANDRY NY TOMPO”
« Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy ” Lioka 6 : 47
Ny Filohan’ny Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranokala, Andrianilaina Gina, Loholona, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny voalohany no narahina.
PERIKOPA FJKM
Novambra 2021
Lohahevitra :
« TAFATOETRA NY FON'IZAY MIANDRY NY TOMPO »
14. Ala. XXIV man. Trinite - Fitantanana ny Fananana FJKM
- Isa. 30. 18 - 22
- Lio. 6. 43- 49
- Jak. 5. 7 – 11
21. Ala. XXV man. Trinite - SAMPATI
- Amo. 9. 11 - 15
- Jao. 11. 21- 27
- Kol. 1. 21 - 23
28. Advento I - KPMS
- Sal. 16. 7 - 11
- Lio. 1. 46- 55
- Rom. 8. 18 - 25
Vatsim-panahy
JOLAY 2020
Ambarao ny fahafahana ao amin'ny Tompo
Misy anarana maro ilazana ny Fanahy Masina ato amin’ny Soratra Masina: Iray amin’ireny ity antsoina hoe: Mpananatra ity. Ato amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona irery ihany no ahitana Azy, ary Jesoa mihitsy no manonona izany anarana izany.
Tenin'ny Filoha

Ry Havana,
« Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. » Lioka 1 :28
Izany tenin’ny anjely tamin’i Maria, voafidy ho renin’i Jesoa izany, no tononina aminao koa ho fiarahabana sy fandraisana anao mitsidika ny TRANOKALA.
Nohasoavina isika tafahaona eto, satria ny Tompo no nampiray antsika. Ny fanantenana sy ny fitiavana avy amin’Ilay Zanak’Andriamanitra anie hampitombo hatrany ny finoana, izay efa nitoetra teto anivon’ny Fitandremana nandritra ny 160 taona.
Ny fitaovan-tserasera toy izao, dia ambohi-pihaonana, koa hiezaka hatrany izahay ny hanome ny tsara ho fantatra momba ny fiainam-piangonana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, mba hahafahan’ny tsirairay miara-miombon’aina sy mandroso hatrany amin’ny asa tsara.
Ny firariako ho anao : « Hambinina anie izay tia anao ; Fiadanana anie ho ao anatin’ny mandanao ; Fanambinana anie ho ao an-dapanao.» Salamo 122:7
ANDRIANILAINA Gina
Filohan'ny Gazety sy ny Tranokala
Mahatoky izao teny izao
«AMBARAO NY FAHAFAHANA ao amin'ny Tompo»
Tsianjery : “Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.” (Lioka 8: 39b)
Efa tanterak’i Kristy ny fanafahana antsika tamin’ny asam-pamonjena lehibe namoizany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Isika anefa ve tena te ho afaka amin’ny gadra rehetra mamatotra antsika?
Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo». (Jao 8:36)
Andriamanitra manafaka ny olony : Faharavoravoana mandrakizay no hanaraka izay nohafahan’i Jehovah. Eny hifaly tokoa amin’izany izy satria fantany ary ambarany mandrakariva ny nanavotana azy tamin’ny fomba mahagaga.(Isa 51:9-11). Ny fanafahan’Andriamanitra dia izay mampiala antsika tamin’ny fahaverezana fahiny ho amin’ny fiainam-baovao hanjakan’ny fitahiana mahatretrika. Mahatoky tokoa Izy ka manome fiadanana tsy manam-petra ho an’izay manaiky hangoniny ao am-balany. (Jer 31:10-14).

TAFIKA MASINA FAMPIORENANA :
Ambohitompoina
Folo taona lasa izay no nanaovana Tafika Masina tao Ambohitompoina sy ny manodidina, nefa toa tsapa fa mihemotra sy mangatsiaka ny mpianakavin'ny finoana, koa andraikity ny mpiantafika no mamerina ny olona indray ao amin'i Jesoa Kristy, mamerina ny olona ao am-piangonana,mampiorina ny finoana ao amin'i Jesoa Kristy...

JOBILY
MPITANDRINA
RAMINO PAUL :
Sakafom-pifaliana
jobily faha 50 taona niasan'ny Mpitandrina Ramino Paul mivady teo amin'ny sehatry ny Fiangonana. Alahady 05 Jona 2016 - Espace Mahatehotia Ambohimarina Iavoloha.

SETA RAJAOFETRA:
5 MARTSA 1954 - 22 JONA 2020
« Sambatra izay maty dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy. » APOK 14 : 13 Nindaosin’ny fahafatesana RAJAOFETRA Seta Marcel, Filoha amperinasan’ny Gazety TARATRY NY FAMONJENA SY NY TRANONKALA ny Alatsinainy 22 jona 2020 rehefa nampindramin’ Andriamanitra antsika nahalala azy sy nifanerasera taminy nandritra ny 66 taona.
Tantaram-piangonana
Raha jerena eo amin’ny takila voalohany amin’ny fihirana nivoaka tamin’ny taona 1894, hita fa efa fanontana “fanimpolony” izany, izany hoe raha natonta isan-taona ohatra, efa tany amin’ny taona 1884 tany ho any izany no nivoaka io fihirana io.
Mazava araka izany fa vokatry ny fisalovanan’ny Mpitandrina ANDRIAMBELO, no nipoiran’ny komity nandrindra ny Fihirana voalohany. Mampisaotra an’Andriamanitra izany satria, tena fandraisana andraikitra lehibe teo amin’ny fivoaran’ny “hiram-pivavahana” izany, ho voninahitr’Andriamanitra.

Mikasa hanjifa ny gazety taratry ny Famonjena ve ianao ?
Azonao raisina amin'ny endriny .pdf izany.
Ahoana hoy ianao ?
Tsidio ary ito rohy ito
Ahoana kosa ny fahitan'ny tanora ny tranonkala?



