Ary amin’izany dia ndeha hijery zanakevitra roa isika :
A- Ny mpanompon’Andriamanitra Malagasy Feno ny Fanahy Masina dia tsy misotro divay na toaka.
Anjely no niteny tamin’i Zakaria fa ny zaza izay haterany dia ho mpialoha lalana an’i Kristy ka tsy hisotro divay na toaka izy. Mila fenoina ny fanahy Masina isika. Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra. Kristy dia nanambara fa mahatsara anareo ny fialako mba ahatongavan’ny mpananatra aminareo dia ny Fanhy Masina
Ny Fanahy Masina no tombokasen’ny zanak’Andriamanitra. Izy no mampahatsiaro ny asa nataon’i Jesoa Kristy.Izy no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Ny mpanompon’Andriamanitra feno ny fanahy masina toa an’i Jaona eto dia tsy nahazo misotro divay na toaka. Ny toaka na ny divay mantsy dia heverina fa rehefa misotro azy ny olona dia mampiditra ny fanahy ratsy ao amin’ny olona izany.
Mazava ary fa tsy afaka miaraka ny toaka sy ny fanahy masina. Satria tsy afaka miara-mipetraka ao amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny fanahy ratsy sy ny fanahy Masina.
B- Ny mpanompon’Andriamanitra Malagasy , feno ny Fanahy Masina dia Asandratr’Andriamanitra :
“Ary ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy”.(and 15) : I jaona mpanao batisa dia nasandratrAndriamanitra ho mpaminany lehibe nefa olona tsotra ihany.. Nanaiky ny toromarika natao taminy i Jaona mpanao batisa ka nasandratra ho lehibe eo antrehan’ny Tompo. Heverina fa tsy i jaona mpanao batisa ihany fa izay rehetra manatenteraka ny sitrapon’Andriamanitra dia asandratr’Andriamanitra ho lehibe. Ny hoe lehibe eto dia izay hametrahan’Andriamanitra fitokisana ary izay mahatoky no manana anjara amin’ny fiainana mandrakizay.
Ny tanjon’ny Finoana Kristiana dia ny fanjakan’Andriamanitra koa izay rehetra manaka ny asan’Fanahy masina tsy ho ao anatinao dia hialao
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Nanatanteraka ny anjara hirany ny RFF, taorian’ny toriteny , tamin’ny alalan’ny hira hoe “Madagasikara o! Tahio”.