Vatsimpanahy
Perikopa : Eksodosy 33 : 7 – 11 ; Jaona 14 : 15-21 ; Apokalypsy 22 : 1-5
Teny maro ao amin’ny Soratra Masina no milaza fa tsy misy olona mahita an’Andriamanitra ka ho velona: Eks.33:20; Gen.32:31; Deo.5:21; Mpit.6:22; Isa.6:5; Apo.1:16. Ny fanatrehan’Andriamanitra dia miavaka. Tsy ny momba an’Andriamanitra tanteraka anefa no mety ho hita amin’izany fa ny endrik’Andriamanitra “imago Dei” na ny tarehin’Andriamanitra “effigies Dei” ihany. Izay antonona ny olona ihany no fomba isehoan’Andriamanitra amin’ny olom-boafidiny. Tsy ny olona rehetra rahateo koa no isehoany, fa izay efa voafidiny mialoha. Tsy mijanona amin’ny fomba sy fisehoana tokana ny Tompo fa araka izay sitrapony mifanaraka amin’ny iraka ampanaoviny ny olona irahiny. Eto amin’ny perikopa dia misy karazany roa isintonana lesona fa manatrika mpino ny Tompo.
– Ny ao amin’ny Fanekena Taloha;
– Ny ao amin’ny Fanekena Vaovao.
Ny fanatrehana sy fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny Fanekena Taloha
Ato amin’ny Baiboly manontolo dia maneho ny fanatrehana sy fisehoan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hitan’ny maso “théophanie” sy ny feo ren’ny sofina “theophonie”. Ny tantaran’i Mosesy no hita eto. Fanindroany izao no nanehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny fisehoany tamin’ity mpanompony ity.
a- Ny roimemy mirehitra afo, nefa tsy nety levona. Asehon’Andriamanitra amin’ny fomba mahagaga manintona, sy nahasarika an’i Mosesy izany(Eks.3:6s). Haniraka azy hanafaka ny Zanak’Israely ao Egypta ny Tompo no anton’ny fisehoany.
b- Ny andry rahona midina eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana
* Mihaona amin’ny Tompo tokoa ao amin’ny trano lay izay mitady ny Tompo, indrindra ny olom-boafidiny.
* Miresaka Aminy mifanatrika toy ny atao amin’ny sakaiza. Mba hampiaiky tanteraka ireto vahoaka mafy hatoka ireto no anton’ny fisehoana: mahita ny masony, mahare ny sofiny, ary mahalala ny sainy, fa tena irak’Andriamanitra i Mosesy.
* Fanamafisana ho azon’ny Zanak’Isarely antoka fa iny andry afo sy andry rahona hitany amin’ny alina sy atoandro iny, dia fanatrehan’Andriamanitra azy ireo. Izany dia fisehoan’ny fombana azy amin’izay alehany hiditra any amin’ilay tany nampanantenaina.
Ankehitriny:
* Ny trano lay dia ny trempolin’Andriamanitra.
* Ny mpanompon’Andriamanitra voatendriny no Mosesy.
* Ny tompon’andraikitra, mpiara-miasa
rehetra no Josoa miara-mitondra ny Zanak’Israely.
* Ny Fiangonana no Zanak’Israely.
Raiso amin’ny finoana ry havana, fa manatrika antsika mandrak’ankehitriny ny Tompo.
Ny fanatrehana sy fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny Fanekena Vaovao
Tsy misy mahita an’Andriamanitra ka ho velona. Koa izay zakan’ny olombelona ihany no anehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny fisehoany.
Hoy ny Soratra Masina manondro an’i Jesoa Kristy ho ny endrika sy ny tarehin’Andriamanitra: Kol.1:15: “Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra àry rehetra izao” (Heb.1:3). Ny anarana hoe Jesoa rahateo dia midika hoe “Jehovah no Mpamonjy” (Mat.1:25).
Jesoa Kristy dia sady Olona tokoa no Andriamanitra tokoa. Io no fomba tena zakan’ny olona amin’ny fanatrehana sy ny fisehoan’Andriamanitra amin’ny olony. Rehefa mandinika ny voalazan’i Jaona apostoly isika dia mahalala izany: “Ary tamin’ny voalohany … ny teny dia Andriamanitra…” (Jao.1:1-18).
a- Ilay Andriamanitra Zanaka – Teny tonga nofo ka nonina tamintsika. Ilay fahafenoan’ny endrika sy tarehin’Andriamanitra azo natrehina tety ambany masoandro. Ny filazan’i Jesoa ny fiombonany sy ny firaisany amin’ny Ray izay tsy mety takatry ny sain’ny mpianatra dia maneho ny maha Andriamanitra sy ny maha Olona Azy tokoa. Miaraka hatrany ireo eo amin’Andriamanitra Zanaka (Jao.14:7-11).
b- Manonona ny Fanahy Masina eto ny Tompo ho fiomanan’ny mpianatra handray izany. Andriamanitra dia Fanahy (Jao.4:24). Manomboka eto indray dia amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no anehoan’Andriamanitra ny fanatrehany sy ny fisehoany. Tsy ho kamboty ny mpianatra rehefa lasa ny Tompo, fa ny Fanahy Masina no hitoetra eo aminy sy ao aminy, tsy manam-petra. Tamin’ny rako-nofon’i Jesoa Kristy (Jesoa tonga nofo = Andriamanitra Zanaka) dia 33 taona ihany, fa izao kosa, dia mandrapiverin’ny Tompo amin-kery sy voninahitra. Ambaran’ny Tompo fa sady Mpananatra hafa io no Fanahin’ny fahamarinana. Tsy hanana sy tsy hahalala Azy izao tontolo izao, fa Izy no hampianatra sy hampahafantatra ary hitondra ny mpianatra amin’ny ataony rehetra.
d- Any amin’ny fiainana mandrakizay. Ao Jerosalema vaovao, ny fanatrehan’Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny fahazavany izay manjaka mandrakizay. Tsy misy intsony ny alina, fa ny seza fiandrianan’Andriamanira sy ny Zanak’ondry ho eo aminy, ary ny mpanompony dia hanompo Azy, ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny (Apo.22:1-5). Izany no antony ivavahantsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy fa eo anivon’izay mivory amin’ny Anarany Izy. Ny Fanahy Masina ao amin’ny mino sy eo amin’ny mpino no fanatrehan’Andriamanitra mivantana amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra.
Ny Fanahy Masina no fanatrehan’Andriamanitra ao amin’ny sakramenta: eo amin’ny fanatanterahana sy ny fandraisana Azy (Henoy tsara ny teny ambaran’ny mpitandrina eo amin’ny litorjian’ny fanasan’ny Tompo). Nohafaran’ny Tompo sy nobaikoiny hataon’ny Fiangonana izany mba hitoetra hatrany ny fitiavany antsika sy ny hitandremantsika ny didiny ary ny hifankatiavantsika mpianany. Fanehoany ny fombàny antsika ny asan’ny Fanahy Masina, Izay mandresy ny fanahy ratsy rehetra sy ny fahavalon’ny mpino eo amin’ny fanompoana ny Tompo ety ambonin’ny tany mandrapiveriny indray handray ny Azy.
Fehiny
Raha raisinao amin’ny finoana fa manatrika anao lalandava ny Tompo, dia ianao no ilay kristiana matanjaka sy mahery indrindra. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.
Raharijaona Solofonirina Mpitandrina