Alahady 19 Febroary 2023

ALAHADY 19 FEBROARY 2023 NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Alahady ivom-bokatry ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana (VMFP) – Alahady mamarana ny herinandron’ny fianakaviana eo amin’ny sahan’ny FJKM – Alahadin’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM

 Aza manana andriamani-kafa, fa izaho ihany. ” Eksodosy 20:3

Alahady ivom-bokatry ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana (VMFP) eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena. Alahadin’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM ihany koa, ary niarahana niombom-bavaka tamin’ny Fianakaviamben’ny Arsiva sy Tranombakoka Foibe, teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Alahady fahafito manaraka ny epifania ary mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe: “Ny Fahefan’ny Tenin’Andriamanitra”.

Rakotonarivo Olivia, Filoha Mpanampy, ao amin’ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana, no nitarika ny fotoana. Rakotonindrainy Jaona, Mpitandrina, Sekretera Jeneraly Foibe FJKM no nitondra ny hafatra. Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no narahina.

FANOMBOHANA NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Taorian’ny hira fanevan’ ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana, izay noredonin’ny mpikambana sy ny mpanabe ary ny beazina ao amin’ny Akany Fialofana Tangaina (AKAFITA), dia nanao ny fiarahabana apostolika ny mpitarika ary nanolotra ny teny Fiderana sy Fisaorana an’Andriamanitra entin’ny Fiangonana manandratra Ilay Tsitoha tamin’ny famakiana ny Apokalypsy 15 3b: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha. Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo o? Fa Ianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao. Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao. Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ny vavolombelona tany an-danitra” Amena!

Natao ny hira FFPM 16 :1, 3 “Avia, ry vazantany o! ” niarahan’ny Fiangonana niredona sy niray fo ho fiderana an’Andriamanitra.

VAVAKA FISAORANA SY FIDERANA

Ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny herinandron’ny fianakaviana sy ny alahady hitondrana amim-bavaka ny Arsiva sy ny Tranombakoka, ary ny ivom-bokatry ny VMFP, dia  toy izao ny vavaka nataon’ny Fiangonana hiderana an’Andriamanitra : “Andriamanitra Rainay ô, omenay voninahitra Ianao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao, Ilay nomenao hamonjy anay. Midera sy mankalaza Anao tokoa izahay, noho ny tombon’androm-pahasoavana izay omenao anay isan’andro isan’andro. Mankasitraka indrindra Tompo ô, fa noho ny fitiavanao sy ny famonjenao anay tsy tapaka, no Mbola tsy nahalany ritra anay, ka nahatraranay izao alahadin’ny Arsiva FJKM sy n y  ivom-bokatry ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana, eto anivon’ny Fiangonana Amparibe Famonjena izao, ary koa ny famaranana ny fankalazanay ny herinandron’ny fianakaviana eto amin’ny sahan’ny FJKM. Koa raiso Andriamanitra o, mba ho fanatitra sitrakao ny fijoroanay tsirairay avy sy ny fanatanterahanay izao fanompoam-pivavahana masina izao, mba ho tafakambana marina Aminao ny momba anay rehetra. Tariho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izahay, mba ho voninahitrao Irery ihany no hiseho amin’ity androany ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Zanakao no hanaovanay izany vavaka izany.  Amen. »

SITRAPON’ANDRIAMANITRA

Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay ety amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy, fa Izaho Jehovah Andriamanotrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky  ny ray amin’ny  zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy. Nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didikoEksodosy 20:3-5-6

 

Niarahan’ny Fiangonana niredona ny hira FFPM 207 :1, 2 “Mamy ny teninao”, mialoha  ny vavaka fifonana, manao hoe :”Ry Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy masina o,  midera Anao izahay noho ny hatsaranao sy ny voninahitrao ary ny herinao rehetra, izay tsy takatry ny sainay ny fahalebiazany. Misaotra Anao amin’ny fonay rehetra izahay satria novelomin’ny fahasoavanao tsy hay tononina. Tonga eto izahay noho ny fitaomanao anay tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, mba hanompo Anao. Mahatsiaro tsy tanteraka anefa izahay manoloana ny fahamarinanao sy ny fahamasinanao. Eny, tsy misy marina izahay na dia iray aza fa samy efa nanota taminao avokoa. Koa mifona Aminao izahay, mamindrà fo aminay, mamelà ny helokay. Diovy amin’ny ran’i Jesoa Kristy izahay mba ho afa-pahotana, ary sasao izahay mba ho afa-keloka. Ataovy vita fihavanana Aminao izahay ka hahatsiaro fa tena tafaray marina Aminao. Amin’ny anatan’I Jesoa no anaovanay izany vavaka fifonana izany. Amena”

Ary natao kosa ny hira FFPM 313: 1, 2 “Miantrà ny firenena”.

TENY FAMELAN-KELOKA

Dia hoy Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra, fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo”. Eksodosy 20:20.

Natao ny hira FFPM 351:1-2Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona”. Niarahana niredona ny fanekem-pinoana laharana fahatelo.

Nisy ny feon-javamameno mialoha ny fotoana ho an’ny Sekoly Alahady

FOTOANA HO AN’NY SEKOLY ALAHADY

Rakotomavo Tsiory no nanatanteraka ny fotoana.

Natao ny hira FFPM 452: 3 “Tompo ô! Ovay ny foko”, mialoha ny namakiana ny andin-tSoratra Masina Jaona 14 : 23 « Jesoa namely ka nanao taminy hoe: raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy » no nentina  nisintonana  ny hafatra ho an’ny ankizy sy ny tanora tamin’ny alalan’ny tantara  mahakasika an’i Fahendrena.

Fahendrena dia tovovavy, mpianatra nahavita fianarana eny amin’ny anjerimanontolo, ary handeha hianatra any Ampita. Mialoha ny diany dia nanontany azy ny reniny ny amin’ny entana hoentiny raha efa voapirina daholo, ary nosinganina tamin’izany ny Baiboly. Namaly ny reniny i Fahendrena: “Efa nataoko ao amin’ny entana hoentina an-tanana ny Baiboliko ry Neny”.

Hoy ny reniny: “misy hafatra atolotray ho anao, misy vatsy roa ho entinao rehefa handeha ianao”:

  • Vatsy voalohany: Fitiavana an’Andriamanitra : Andriamanitra efa tia anao Fahendrena an! Izy no tia anao taloha, fa ianao koa efa tiany raha mitia sy tia Azy
  • Vatsy faharoa: Fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra: manana fahefana izany Tenin’Andriamanitra izany, mampahomby ny fianarana izay ataonao, mampandresy anao amin’ny ady rehetra. Ary hampaharitra anao amin’ny fivavahana.

Misaotra indrindra Dada sy Neny, hoy Fahendrena, fa raisiko ny vatsy roa. Sady nanao fihetsika izy no namerina niteny ireo vatsy roa nomen’ireo ray aman-dreniny azy.

Isika ihany koa hamakivaky herinandro vaovao indray, horaisintsika koa ny vatsy roa izay noraisin’i Fahendrena teo.

Niarahan’ny Fiangonana namerina ny vatsy roa, ary narahina vavaka izay nation-dRakotomavo Tsiory. Nyandinin- tSoratra Masina ao amin’ny Romana 6 :23 « Fa fahatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika »  no nanombohana ny tatitr’asan’nyVMFP nataon-dRajaonah Rovatiana.

RAHARAHAM-PIANGONANA

Rakotomanana Andrimbazotiana, Sekreteram-piangonana no nanatanteraka izany.

Ny andian-tSoratra Masina ao amin’ny I Korintiana 12 :4 no nanombohany izany.

Toy izao no tsara hofantarina amin’ny asan’ny Fiangonana:

  • Alahady nitondrana amim-bavaka ny Arsiva sy ny Tranombakoka androany
  • Ivom-bokatry ny VMFP.
  • AFF: asa iombonan’ny Sivy trano – FJKM Ambalavao Isotry.
  • STK: fitondrana amim-bavaka – FJKM Ambohidratrimo.
  • Komity lehibe STK – FJKM Antanetibe.
  • Sabotsy 25 febroary 2023 :
    • AG I – Gazety TAFA sy ny Tranokala 
    • AG I – Sampana Taniketsa
  • Alahady 26 febroary 2023 : alahady natokana hitondrana amim-bavaka ho an’ireo vita  mariazy ny taona 2008 – 2023.

Nisy ny hafatra sy tatitra avy amin’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka, notanterahin- dRamatoa Mpitandrina, Ralison Fara Fanja,  Talen’ny Arsiva FJKM, taorian’ny famakiana ny andin-tSoratra Masina tao amin’ny I Korintiana 15 :58.

Nisy ihany koa ny fanentanana ny hisian’ny Arsiva isam-pitandremana.

 RAKITRA SY FANOMEZANA

Razafindrabe Bam, Mpanolotsaina Biraom-Piangonana, no namaky ny voady sy raki-pisaorana rehefa avy nanolotra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny ITantara 29 :14. 

Hira nangatahin’ny mpianakavin’ny finoana :

  • FF 39 : 1 « Faniriako »
  • FF 46 :1 « Mba tantanonao ry Raiko »

Ho fanolorana ny fanatitra sy fanavaozana ny fanoloran-tena., noredonin’ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny hira vavaka fanolorana ny rakitra hira “ Ry Tompon’ny harena o !”, ary feon-javamaneno taorian’izay.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mialoha ny vavaka sy ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, izay nandraisan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Arsiva FJKM anjara, dia nohiraina ny hira FF 6:1 « Ny teninao».

Ny perikopa voalahatra hovakiana androany:  Eksodosy 20: 18-26Jaona 12: 44-50 ; Asan’ny Apostoly19 : 11-20.

Andrianavalona Irène Christiane no namaky ny Teny ao amin’ny Testamenta Taloha; Rasoavelomanana Hantanirina no namaky ny Filazantsara. Avy ao amin’ny Arsiva sy Tranombakoka Foibe avokoa izy ireo.

Ny AKAFITA no nanao ny anjara hirany mialoha ny toriteny.

TORITENY

 Rakotonindrainy Jaona, Mpitandrina, Sekretera Jeneraly Foibe FJKM no nitondra ny hafatra. Ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Jaona 12 : 44-50 no nisintonana ny fampianarana ho an’ny mpianakavin’ ny finoana.

 Taorian’ny fitondrana amim-bavaka ny Arsiva sy ny Vondrona Manambatra ny Fanomezam-Pahasoavana ary ny fianakaviana nataon’ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona, dia nisy tantara mahakasika mpanompon’Andriamanitra izay nametraka ny entany tao anaty fiara taorian’ny fanompoam-pivavahana.Very tamin’izany ny Baiboly sy poketra. Taorian’ny vavaka nataon’io mpanompon’Andriamanitra io, dia indro nisy nampilaza azy fa nisy namerina tao anaty fiara ilay Baiboly, saingy ny poketra kosa dia tsy naverin’ireo mpangalatra. Araka izany dia misy ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina ao anatin’ny fiainana, hoy ny Mpitandrina.

Misy telo lehibe ny fahefan’Andriamanitra:

  • Manorina ny finoana an’i Jesoa
  • Manazava izao tontolo izao
  • Manome ny fiainana mandrakizay
  • Manorina ny finoana an’i Jesoa ny Tenin’Andriamanitra

(And. 44): Inona ny hevitry ny Finoana?

  • Jesoa: teny miantso mafy ny Tenin’Andriamanitra
  • Tenin’Andriamanitra:
    • manome valiteny eo amin’ny fiainantsika ary rehefa tsy voavaly dia reraka   Mety misy zavatra tsy voavalinao mihitsy.
    • Mihazona anao mandrakizay. Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.
    • Misy zavatra hafa hitarihan’Andriamanitra antsika.
  • Maniraka: Andriamanitra dia mandamina sy mandrindra ny fiainanao. Sokafan’Andriamanitra ny masom-panahy sy ny fiainanao. Fanahy Masina no mitarika eo amin’ny fiainana manontolo. Henoy ny feon’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao. Miomana mandrakariva fa ny lalan’Andriamanitra tsy fantatrao.

 Manazava izao tontolo izao ny Tenin’Andriamanitra

And.46:

Tenin’Andriamanitra:

  • Tsara indrindra, manome fifaliana ho anao, mampamirapiratra indrindra
  • Marina: manakana ny saina.
  • Manokatra varavarana ho anao ny Tenin’Andriamanitra: hahita ny famonjena, ny lanitra ary manidy ny varavaran’izao tontolo izao.
  • Manome ny fiainana mandrakizay ny Tenin’Andriamanitra

 Fehiny, fiainana sarobidy indrindra ary mandrakizay ny fiainana an’i Jesoa. Ny anjarantsika dia ny mino.

Taorian’ny feonjava-maneno fohy, nanao ny anjara hirany ny Sampana Tanora Kristiana.

VAVAKA FANGATAHAM-PITAHIANA

Ny Mpitandrina Raharijaona Solofo no nitarika izany.

Nentina amim-bavaka ny sekoly fanabeazana, ny fijoroan’ny FJKM ; ny toerana sy ny tany tratry ny tondradrano sy ny horohoron-tany; ny fiatrehana ny herinandro vaovao, ny fiainan’ny olona sahirana, tsy salama, manan-manjo ; ireo manana hataka manokana ; ireo nanao raki-pisaorana sy voady masina noho ny fitantanan’Andriamanitra ny fiainany, ny asany, ny fiainan’ny zanany ; tao ireo nahazo valim-bavaka, manana adim-panahy sy ny sedrany ankehitriny ; ary ho an’ireo rehetra  manatrika ny fotoam-bavaka.

Nofaranana tamin’ny vavaka « Rainay izay any an-danitra » ny vavaka fangataham-pitahiana.

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny hira FF 1 :1-2 “ Mitsangana ianao ry mino ”. Notononina ny Tondrozotra 2023. Natolotry ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina ny Tsodrano ary noredonina ny hira jobily fisotron-dronono ny Mpitandrina « Ianareo no fifalianay sy voninahitray ». Nisy vavaka  mangina sy fanononana nyTrinité masina ary feon-javamaneno taorian’izay.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra Anthonio / Rabiazamaholy Hery Lanto / SMZM

Nikirakira fafana : Rabiazamaholy Mahery

Nikirakira fanamafisam-peo : Harentsoa Rova / Randriamahefa Tiana

Naka sary : Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

Alahady 12 Febroary 2023

ALAHADY 12 FEBORARY 2023
“NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA” ALAHADY FAHA VI MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADIN’NY BAIBOLY - BATISA FAOBE

 « Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany… Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. » 2 Timoty 3 : 14, 16

Niavaka ny fotoana fa natokan’ny Komitin’ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina (KFM) ho fanatontosana ny Batisa faobe. 27 no isan’ireo nisitraka izany sakramenta izany.

Ramatoa Raharijaona Bodo no nitarika. Raharijaona Solofonirina, Mpitandrina, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonana. Ny litorjia endriny fahatelo no narahina

FANOMBOHANA NY FOTOANA

Ho fiderana an’Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra Azy dia niarahana namaky teo am-pitsanganana ny Salamo 18 : 46 -50 hoe, amin’ny anaran’ny Tompo : « Velona Jehovah ; isaorana anie ny Vatolampiko, asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy. Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy. Mamonjy ahy amin’ny fahavaloko Izy ; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao, ary mamonjy ahy amin’ny olon-dozabe. Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny Anaranao. Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay. » Nohiraina ny FFPM 1 : 1, 2, 3 « Andriananahary masina indrindra ! ». Natao ny vavaka Fiderana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ny mpampianatra Sekoly Alahady ao amin’ny K5, Rajaofetra Bakoly, no nitarika ny fotoana.

Ny andinin-tSoratra Masina niompanan’ny hafatra dia :  » Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny mbola tsy tonga ny andro mahory «  ao amin’ny Mpitoriteny 12 : 1a.

Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika, hahaizantsika manararaotra ny hatanorana, hanaovana asa tsara.

Tia andrakandrana isika, tia zava-baovao sy tsy manana faharetana, nefa mila miaraka amin’ Andriamanitra.

Tsy tokony hangataka andro isika ary ny tanjatsika dia hatokana ho an’ny Tompo, satria Izy no nanome ny hatanorana. Ny tsara indrindra no tokony homentsika Azy.

Novakian’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady teo am-pitsanganana ny andinin-tSoratra Masina dia nanao vavaka.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nohiraina avy hatrany ny FFPM 212 : 1, 2 « Velona sy mahery ». Nivavaka ny Diakona Razafindrakoto Alain ary namaky ny 1 Mpanjaka 13 : 1-6. Ny Diakona Razafindrakoto Tatamo no namaky ny Lioka 8 : 22-25 sy 2Timoty 3 : 14-17. Noredonina ny FFPM 216 : 1,2 “ Ny Teninao, ry Tompo ô! ”. Toriteny no nanaraka izany.

 TORITENY

Alahadin’ny Baiboly anio. Ny 2 Timoty 3 : 14-17 no andinin-tSoratra Masina niompanan’ny toriteny.

I Timoty dia zanak’i Paoly ara-panahy. Fony mbola zaza izy dia efa nampianarina ny Soratra Masina sy vavaka. Nomena andraikitra izy satria ny Fiangonana tany Efesosy dia tanàna feno fanompoan-tsampy. Sarotra ny asa niandry azy, nefa vonona izy. Manoratra sy mampahery ary manoro lalana azy i Paoly. Manome toerana lehibe ny Tenin’Andriamanitra, izay niainany izy sy mizara ny vokatr’izany.

Ianarana tokoa ny Soratra Masina. Tonga avy amin’ny Soratra Masina ny finoana mitombo.

  • Ianarana sady ampianarina ny Soratra Masina

Arakaraka ny tsy fahaizana ny Soratra Masina no ahitana fa tsy ampy ny fahalalana, ka mbola tokony hianarana foana. Manamafy izany ny voasoratra ao amin’ny Ohabolana 19 : 2 hoe : « Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy ».

Zavatra telo no ambaran’i Paoly : mampahendry anao ho amin’ny famonjena ; mahasoa ho fampianarana ; mitaiza ho amin’ny fahamarinana.

Isika Kristiana FJKM dia mametraka eo amin’ny laharana voalohany ny Tenin’ Andriamanitra irery ihany, izay misy fahefana. Ao amin’ny Mpanjaka 13 : 1-6 dia miresaka fanjakana tao anaty fanompoan-tsampy tanteraka. Tsy nety niforitra intsony ny tanan’ny mpanjaka Jeroboama (maty tanana), satria nanondro ilay lehilahin’Andriamanitra. Nangataka fifonana izy ka niverina tahaka ny taloha izany.

Ampiharin’Andriamanitra ny fahefany amin’ny alalan’ny Teniny. Tsy azo vazivaziana ny Tenin’ Andriamanitra, tsy azo ovaina fa raiso amin’ny fahamarinany. Tandremonao ny Tenin’ Andriamanitra izay nampianarina anao. Ianaro sy ampianaro izany satria mahasoa sy mitaiza anao.

 

  • Tonga avy amin’ny Soratra Masina ny finoana

Ao amin’ny Romana 10 :17 dia hoe : « Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny Tenin’i Kristy », raha fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina izany, ao amin’ny Hebreo.

Mahatonga faharesen-dahatra ny Soratra Masina. Rehefa miala amin’ny Tenin’ Andriamanitra dia mihodinkodina tsisy fahamarinana. Tsy maintsy hahitsy izany.

Mahatonga fahavononana manao asa tsara ny Soratra Masina.

Tsy tonga ho azy ny Tenin’ Andriamanitra. Ny fahefan’izany dia manova sy mitazona ny olona hahatonga azy hahalala ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ny fanontanian’i Jesoa tamin’ny mpianany dia hoe : efa mba ela ihany no nanehoana ny finoana, fa aiza ho aiza izany ?

Manova fiainan’olona ny Tenin’Andriamanitra.

Niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra i Jeroboama, izay minia maniratsira ny Teniny koa, fa raha mifona dia hitombo amin’ny fahasoavana sy fitahiana.

Raha ny rivotra àry manaiky ny Teny, mainka ve ny fahasahiranana mahazo anao ?

Raiso, iaino, ifikiro ny Tenin’ny Tompo. Manala olana izany sy hivoahana ho mpandresy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amen.

Feon-javamaneno taorian’izay.

VAVAKA FIFONANA

Ry Jesoa Kristy Tomponay ô ! Misaotra ny amin’ny Fitiavanao, misaotra ny amin’ny famindramponao, misaotra fa avy miala nenina aminay isan’andro isan’andro Ianao, ary mahenika anay ny Teninao, izay Tenim-pahasoavana, Teny feno Fitiavana, Teny miantso anay hiverina ao Aminao. Misaotra Tompo ô, fa nambaranao hoe : izahay rehetra izao, na iza na iza, tsy misy ankanavaka, dia mila mianatra ny Teninao ary mila mampianatra izany Teninao izany. Mifona izahay Tompo ô, ho an’ny ray aman-dreny, ho an’ny tanora, ho an’ny ankizy izay kamo, izay malaina, izay toa miala foana ny amin’ny fianarana izany Teninao izany. Mifona sy mibebaka eo anatrehanao. Mifona koa izahay, Tompo, satria nambaranao taminay hoe : « ny finoana dia avy amin’ny Teninao ». Androany izahay nihaino izany Teny sy hafatrao izany, ary raha ny izy, dia tokony hitombo finoana izahay. Mifona izahay Tompo ô, sy mibebaka eo anatrehanao fa indraindray izahay dia mafy fo manoloana ny Teninao. Mamelà ny helokay, mamindrà fo aminay, noho ny amin’i Jesoa Kristy Tomponay, Ilay voahombo teo amin’ny hazofijaliana, nanolotra ny ainy ho fanavotana anay, mba hanananay fiainana mandrakizay. Ka amin’ny finoana sy fahatokiana, Tompo ô, ny amin’ilay Teninao, ilay Teny feno Fitiavana no anatonanay Anao indray anio. Koa indreto izahay rehetra samy hangina eo anatrehanao, hanonona vavaka fifonana, satria izahay rehetra izao, manoloana ny sitraponao sy raha notarafin’ny Teninao, dia tsy mendrika, fa raiso, Tompo ô, izao vavaka fifonana tononinay tsirairay avy izao (vavaka mangina). Tompo tia anay ô, fahafatesana no tambin’ny fahotanay. Soa fa efa tonga Jesoa Tompo. Misaotra ny amin’ny Fitiavanao, misaotra noho ny amin’ny hazofijaliana nozakainao, mba hanananay rehetra fiainana. Fa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, Ilay tia anay, no anaovanay sy anononanay izany vavaka izany. Amen.

Nohiraina ny FFPM 403 “ Ry Jesoa Tompo tsara ô! ”. Natolotry ny mpitarika ny Teny famelan-keloka hoe : « Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany No haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany No fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy. » Salamo 103 : 11-13.

Nohiraina ny FFPM 517 : 3 “ Ny alina ho lasa . Ho fanambaran’ny Fiangonana ny finoany dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana nikeanina (laharana faharoa).

Feon-javamaneno.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA

“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.”

Ny Biraom-piangonana Rakotomanana Andrimbazotiana no namaky ny raharaha. Ny andinin-tSoratra Masina natolony dia ao amin’ny Matio 5 : 6, 8. Ireto asa manaraka ireto no tena nisongadina sy tokony hotadidiana, entina amim-bavaka sy tanterahin’ny Fiangonana :

  • Alahady 19 febroary 2023 amin’ny 8 ora maraina : fivoriana fiheveran-draharaha iantsoana ny solotenan’ny sampana sy sampanasa ary asa.
  • Alahady 19 febroary 2023, amin’ny 9 ora : alahadin’ny Arsivan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Eto Amparibe no nosafidiana hanaovana fotoam-bavaka iombonana. Noho izany dia fotoana halaina sary sy feo io fotoana io. Ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM no hitondra ny hafatr’ Andriamanitra amin’ny Fiangonana. Ivon’ny herinandron’ny Vondrona Manambatra Fanomezam-Pahasoavana (VMFP) koa io andro io, koa hifandrimbonana ny fandavorariana ny fotoana.

Ny Diakona Rabezandrina Solohery no nampahafantatra ny Fiangonana ny fandaharam-potoan’ny herinandron’ny VMFP hanomboka ny alatsinainy 13 febroary 2023. Herinandron’ny fianakaviana no iantsoana izany. Isan-kariva dia hisy famelabelaran-kevitra. Hisy fiara iombonana fa mba misoratra anarana mialoha any amin’ny tomponandraikitra.

  • Alatsinainy 13 febroary 2023 amin’ny 6 ora hariva : Ny fiiziako araka an’ Andriamanitra, hiarahana amin’ny AFF sy ny VMFP.
  • Talata 14 febroary 2023 amin’ny 6 ora hariva : Fanambadiana mafy orina sy tokantrano milamina ary fiainam-pianakaviana mirindra eo ambany fahefan’ny Tenin’ Andriamanitra, hotarihin-dRakotolehibe Mamy sy Seheno.
  • Alarobia 15 febroary 2023 amin’ny 5 ora sy sasany hariva : Zanaka mahay manaja sy mankatò ny ray aman-dreny araka ny didin’ Andriamanitra, hotarihin’ Andriatahinarivony Hasinjo.
  • Alakamisy 16 febroary 2023 amin’ny 6 ora hariva : Tanora tsara omana ho amin’ny fiainan-tokantranony, hotarihin’ny Mpitandrina Rakotoarivony Hubert.
  • Zoma 17 febroary 2023 amin’ny 6 ora sy fahefany : fanompoam-pivavahana sy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Hitory ny Teny Rakotozafy Micaël, Mpitandrina (avy ao amin’ny Chapelle militaire protestante Ampahibe).
  • Sabotsy 18 febroary 2023 amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro : Mpivady mifankatia, manaiky ny fahefan’Andriamanitra hiarahana amin’ny AFF sy ny VMFP.
  • Alahady 19 febroary 2023 amin’ny 9 ora maraina : fanompoam-pivavahana ivon’ny herinandrom-bokatra, hivahiny ao ny Akany Fialofana Tangaina.

Rehefa izay dia nandray fitenenana ny Mpitandrina Raharijaona Solofo nisaotra, nirary soa sy nanentana ny Fiangonana.

RAKITRA SY FANOMEZANA

Ny Biraom-piangonana Razafindrabe John Bam no namaky ny voady. Ny andinin-tSoratra Masina nanombohany izany dia ao amin’ny Salamo 122 : 1.

Ireo nanao fanati-pisaorana dia : ray aman-dreny misaotra fa nandray ny sakramentan’ny Batisa ny zanany ; renim-pianakaviana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany ; ray aman-dreny mangata-bavaka fa hiatrika « entretien d’embauche » ny zanany ; renim-pianakaviana miandrandra fiadanampo sy finoana matanjaka.

Ny hira nangatahin’izy ireo hataon’ny Fiangonana aloha sy nandritra ny fanantazana ny rakitra dia ireto avy : FFPM 173 : 1 « Hosana ! » ; FFPM 482 : 1 « Jehovah ô ! Ianao nandinika ahy » ; FF 14 : 2 « Jesoa apetraka Aminao » ; HF 39 : « Tompo ô Izay mahita ».

Natolotra teo am-pitsanganana ny rakitra tamin’ny hira vavaka FFPM 276 : 3 “ Ry Jehovah Ray Mpahary “. Nanao ny anjara hirany ny Sampana Taninketsa « Notre Père Qui es aux cieux ». Notohizana tamin’ny asa vavolombelona ny fotoana.

ASA VAVOLOMBELONA

Ny Batisa faobe dia anisan’ny vinan’ny Komitin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina (KFM). Tontosa izany ny alahady 12 febroary 2023.

Nomen’ny Mpitandrina ny Teny fanorenana. Teny an-toerany ny olona nanolotena sy natolotra no nijoro nanonona ny Fanekena. Nizara telo ny fanatonana ny alitara. Notononina tsirairay ny anaran’ireo natao Batisa ka vita avokoa ny an’ny 27 mianaka. Rehefa izay, natsangana teny an-toerana izy ireo. Natao ny vavaka. Nisy hafatra avy amin’ny Soratra Masina sy fampaherezana ary Tsodrano. Nanao rakitra alitara ny nahazo fahasoavana sy ny fianakaviany ary izay Fiangonana tery am-panahy. Nandritra izany no nanaovana ny hira FFPM 779 « Jesoa Kristy Tomponay ! » ; FFPM 808 « Eo an-tratranao Jesosy » ; FFPM 813 « Tia zaza, tia zaza ».

Anaran’ireo 27 nandray ny sakramentan’ny Batisa:

  • Rakotoarisoa Nilaina Soafara
  • Ranaivoson Fanantenana Natolotra
  • Ranaivoson Fanantenana Miary
  • Rasoarimanana Fiderana Anicha
  • Mahafatoky Miangaly Fitia Carein
  • Rajaofetrison Andrianina Tiary Zo
  • Rajaofetrison Anjara Fy Tahina
  • Nomenjanahary Anjara Fahendrena Michaël
  • Nomenjanahary Fitiavana Sarobidy Michaëlla
  • Rajaonarivelo Iharimbinintsoa Isaia
  • Rabenasolo Hakime
  • Andrianarivony Dylan Paolo
  • Rakotondrainibe Ryu Djayan Mayron
  • Raheliarimanana Nambinintsoa Sonia
  • Rakotonomenjanahary Rotsiniaina
  • Ranaivoson Antso Anthonio
  • Rasaminarivo Anjarantsoa
  • Rasaminarivo Sandanilaina Fy Tia
  • Rasaminarivo Rotsiniaina Fehizoro
  • Rasaminarivo Mahasoaniaina
  • Randrianantenaina Fitahiantsoa Fiderana
  • Randrianantenaina Tahiantsoa Fandresena
  • Randriamialison Safidimanantsoa Tsiresy Jérémy
  • Farasoa Fifaliana
  • Ranivoharilala Antsa Fiderana
  • Andrianony Anjara Diamondra Diary
  • Andrianony Kiady Najoro Ihariantsoa

Vavaka fangataham-pitahiana no nanaraka izany, izay nofaranana tamin’ny « Rainay Izay any an-danitra ».

FAMARANANA NY FOTOANA

Nohiraina ny FFPM 753 : 1 “ Tiako ny hiaraka Aminao, Jesoa ”. Notononina ny tondrozotra 2023. Natolotra ny Tsodrano. Ny hira fanevan’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina no nantsaina.

Notononina ny Trinite Masina. Nirava  tamin’ny 11 ora sy 42 minitra ny Fiangonana.

Asa sy fampaherezana no nanaraka izany.

IREO TOMPON’ANJARA

Nitendry orga : Rajaofetra John sy Rajaofetra Anthonio (mpiofafana ho mpitendry orga)

Nikirakira ny fafana : Rajaofetra Arielle

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto

Naka sary : Andriamampianina Faneva

Nandray an-tsoratra : Ralaiarimanana Narindra

Alahady 05 Febroary 2023

ALAHADY 05 FEBROARY 2023
« NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA »
ALAHADY FAHADIMY MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADY FANDRAISANA

« Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » Marka 1 : 22

Alahady voalohany amin’ny volana febroary, ibanjinana lohahevitra vaovao, ho fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM, manao hoe: « NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA ». Ny Mpitandrina manao fizaran-draharaha, Jaomisy Hery Zo Eurudie, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina eto an-toerana Raharijaona Solofonirina no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana. Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Nisy ihany koa ny fiarahabana ireo teraka volana janoary.

FANOMBOHANA NY FOTOANA
Taorian’ny feon-javamaneno fidirana sy ny fiarahabana apostolika, dia novakian’ ny Fiangonana teo am-pitsanganana ny Salamo 138:1-5, ho fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Natao avy eo ny hira FFPM 8 « Dera, laza, hery, haja », ary nanao ny vavaka fisaorana sy fiderana ny mpitarika. Natolotra an’Andriamanitra ny dera, ny laza, ny hery ary ny haja noho ny namoronany antsika sy nanomezany aina antsika. Nisaorana ny Tompo noho ny fitiavany sy ny fitantanany ka nahafahana nahatratra ny volana febroary izay volana anehoan’Andriamanitra ny fahefany. Nangatahina ny Tompo mba handrotsaka ny Fanahy Masina hiasa amin’ny Fiangonana hafahana mandray ny Teniny izay mitondra fiainana.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA 

« Ary izao no ahafantarana fa mahalala Azy isika dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe : Fantatro Izy nefa tsy mitandrina ny didiny , dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavan’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika. Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. » I Jaona 2: 3-5; Jakoba 1: 21. Rehefa voambara ny sitrapon’Andriamanitra dia nohiraina ny FFPM 465,4 « Ry Jeso ô, ry Jeso ! ».

VAVAKA FIFONANA 
Noho ny fitiavany no nanoloran’Andriamanitra ny sitrapony mba hahaizantsika miaina izany fitiavany izany. Indrisy anefa fa tsy nahatanteraka izany isika fa niaina tanaty fahalotoana sy fifankahalana ary lolompo. Mibebaka sy mifona ary mangataka famelana avy Aminy, fa maniry ny hanana fahamasinana eo imason’ny Ray sy hanana fiainana miaraka Aminy. Noho izany dia nangatahina ny famindram-pony ary nangataka fanadiovana sy famelan-keloka.

Rehefa vita ny vavaka fifonana dia nohiraina ny FFPM 415, 1-3 « Mifona Aminao izahay ».

TENY FAMELAN-KELOKA 

Natolotra ny Teny famelan-keloka. « Efa madio rahateo hianareo noho ny Teniko, Izay nolazaiko taminareo. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao » Jaona 15:3; Jaona 3:17 Noredomina ny FFPM 543: 1 « Mihoby ny fanahiko » ary ho fanambarana sy fanehoana ny finoana dia niarahana nanonona ny Fanekem-pinoana apostolika laharana voalohany.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA 
Rakotonarivo Ravaka no tompon’anjara amin’ny fotoanan’ny ankizy sy ny tanora.
Nalaina tao amin’ny Lioka 6: 45a ny hafatra: « Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony.»
Fampitahana ny omby sy ny kisoa no nentina nampita ny hafatra.
Mandritra ny fahavelomany dia maro ny soa azo avy amin’ny omby, toy ny fanampiany amin’ny asa fitaterana entana, ny fandraisany anjara amin’ny asa fambolena; mbola manome zezika ihany koa izy hoentina mamokatra. Tsy dia mila fikarakarana firy izy, indrindra amin’ny sakafo.Ny kisoa kosa dia mioso-potaka, mila fahanana ary mimenomenona sy mitroatra manimba zavatra, rehefa tara ny sakafony. Isika ankizy sy tanora ihany koa ve manampy ny ray aman-dreny, manala fahasahiranana sa toy ny kisoa miteraka vesatra sy manahirana ao an-tokantrano? Manam-panahy isika ka manan-tsafidy ny ho tsara na ho ratsy fanahy.

Handeha hisotro ronono ny Mpitandrina, atolory azy ny tsara indrindra. Eny amin’ny sehatra rehetra misy anao, asehoy fa ilaina ianao ary afaka mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fonao.
Izany hafatra izany dia narahina vavaka mba ho tanteraka sy hanjaka any anatin’ny tsirairay mba hananan’ny ankizy sy tanora rakitra tsara.

RAHARAHAN’NY FIANGONANA 

“Amparibe Famonjena manao asa fanompoana tsara, mitombo finoana hatrany, miaina amin’ny fifankatiavana.”

Ny Biraom-Piangonana Rakotomanana Andry no namaky ny filazan-draharaha.

Namerina nampahatsiahy ny lohahevitra fitaizam-panahy manerana ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana febroary 2023 ity izy, ary ny Hebreo 4: 12 fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela …. ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” ny Soratra Masina noraisiny.

Izao manaraka izao ireo tsara ho fantatra:

Raharaha avy any ivelany 
-Ho fankalazana ny tsingerinandro voalohan’ny « English Worship Service » dia asaina ny rehetra hanotrona izany ao amin’ny Katedraly Analakely ny alahady 12 febroary amin’ny 2 ora tolakandro.
– Alahady 12 febroary ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, fitondrana amim-bavaka ny taom-piasana sy taom-pitaizana 2023
ho an’ny SAMPATI,

– Alahady 12 febroary amin’ny 2 ora sy sasany: Seho “Feon’orga” karakarain’ny Sampana Mpitendry Zava-maneno sy ny teknisiana ao amin’ny FJKM Andavamamba Kristy velona. Handray anjara amin’izany ny RFF.
– Fankalazana ny Alahadin’ny Baiboly ny 12 febroary: Fanasana avy amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, ao amin’ny FJKM Andrainarivo, amin’ny 2 ora sy sasany.
Raharaha anatiny 
– Sabotsy 11 febroary: Fiofanana sy fifampiarahabana Taom-baovaon’ny FDL, manomboka amin’ny valo ora maraina eny amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina (TPM) eny Ivato.
– Alahady 12 febroary: Ny Batisa faobe, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Jobilin’ny Mpitandrina. Antsoina ireo voakasik’izany, hanatrika ny dinika fiofanana miaraka amin’ny Mpitandrina, ny alarobia hariva amin’ny 4 ora.
-Efa mivoaka ny Gazety Taratry ny Famonjena volana febroary.

VINA 2023 AMPARIBE FAMONJENA, MAZOTO AMIN’NY ASA FANOMPOANA  TSARA, MITOMBO, FINOANA HATRANY, MIAINA NY FIFANKATIAVANA.

Fanentanan’ny Komitin’ny fisotroandrononon’ny Mpitandrina Raharijaona mivady:
-Araka ny Levitikosy 25 dia didin’Andriamanitra ny Jobily. Entanina ny rehetra handray anjara mavitrika amin’ireo hetsika sy fanohanana izany Jobily fisotroandrononon’ny Mpitandrina izany.

-Hotanterahina ny 12 febroary ny Batisa faobe.

-Ny hetsika miaraka amin’ireo mpivady namasinin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina dia hotanterahina ny 26 febroary. Aza hadinoina ny fanomezana ho fanohanana ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina. Aoka isika hifanentana sy hitondra amim-bavaka izany fankalazana izany. « Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy toy ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’olona» Kol.3:23.
Fanentanan’ny Mpitandrina

-Namafisina ny dinika hatao miaraka amin’ny ray aman-dreny na mpiantoka ireo hatao Batisa, izay hotanterahina ny alarobia 8 febroary amin’ny 4 ora hariva.
-Ny hetsika hiarahana amin’ireo mpivady namasinin’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina dia atao ny 26 febroary, ka ny 12 febroary no fara-fisoratana anarana.
-Naseho ny mpianakavin’ny Finoana ny Mpitandrina miza-draharaha
Jaomisy Hery Zo Eurudie

Rakitra tsingerinandro
64 no isan’ireo teraka volana janoary tonga nankalaza an’Andriamanitra.
Ny Ezra 8:22Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Ny tànan’Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy” ny Teny natolotra azy ireo.
Nisaorana ny Tompo noho ny tombonandro azon’ny mpanompony. Nentina amim-bavaka izy ireo mba ho tanteraka aminy ny Teny firarian-tsoa.  Nangatahina ny Tompo mba hitahy azy ireo isan’andro isan’andro.
Nandritra ny rakitra alitara nataon’izy ireo dia nohiraina ny FFPM 306 « Mamafaza voa ».

RAKITRA SY FANOMEZANA 
Nisy ireo mpanompon’Andriamanitra nisaotra ny Tompo noho ny fitahiana sy fahasoavana azony; tao ireo nisaotra noho ny fahazoan’ny zanany asa; nisy ihany koa nangataka vavaka ho an’ny ankohonany eto Madagasikara sy any ivelany.
Nandritra ny fanantazana ny rakitra dia nandray ny anjara hirany ny STK « Mahay ny zavatra rehetra. ». Nohiraina ny FF 7 « Tsy hainay ny hangina », ary farany dia nohiraina ihany koa ny hira « Misaotra Anao izahay »an’i Saholimalala.
Teo am-panolorana ny rakitra dia nohiraina ny FF 34:1 «Tompo malala ô»

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mialoha ny vakiteny dia nohiraina ny FFPM 244:1-2 « Ry Jeso! mba henoinao ».
Rakotonarivo Hery no nivavaka, nangataka ny mba hafahan’ny tsirairay mahatsapa ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra sy hiasan’ny Fanahy Masina any amin’ny mpihaino sy ny mpamaky ny Teny. Rakotonarivo Herinirina kosa no namaky nisesy ny Teny voalahatra araka ny Perikopa: Zakaria: 1:1-6; Marka: 1:21-28; Hebreo: 1:1-4.

TORITENY 
Ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina no nitory ny Teny. Mialoha ny toriteny dia nohiraina ny FF6:1-2 «Ny teninao Jehovah o».
Ny Marka 1:21-28 no nangalana ny hafatra. Manana fahefana ny Tenin’Andriamanitra.
Ny fampianaran’i Jesoa sy ny asa mahagaga nataony no endrika roa isehoan’ny Tenin’Andriamanitra.
Mampiaiky ny maro ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Tao amin’ny Synagogan’i Kapernaomy tao Galilia no nampianaran’i Jesoa voalohany ny Tenin’Andriamanitra. Kapernaomy no renivohitry ny asa mesianika sy fampianaran’i Jesoa. Nanana tombony manokana ity tanàna ity amin’izany asa sy fampianarana izany. Mifamatotra amin’ny anaran’ity tanàna ity ny asa nataon’i Jesoa tao. Ny dikan’ny hoe Kapernaomy dia hoe tanànan’i Naomy. Naomy izay olona iray ao amin’ny bokin’i Rota, vehivavy nomena fiononana, faherezana ary fitserana. Nahazo izany fahasoavana azon’i Naomy izany ihany koa ireto vahoaka tao Kapernaomy ireto.
Nampiaiky ny maro ary nampitolagaga azy ny fampianaran’i Jesoa. Niavaka satria tsy mitovy ny amin’ny an’ireo mpanora-dalana izay be litania sy miverimberina. Nisy fahefana tao anatin’ny fampianaran’i Jesoa. Naha valalanona ny olona ihany koa hoe i Jesoa olona tsotra zanaka mpandrafitra no lasa nahay namaky Teny sy tonga mpampianatra lehibe. Manana fahefana ny fampianaran’ny Tompo ka manindrona ny fo sy saina ary ny fanahin’izay mihaino..

Manavao izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra, izany fampianarana izany.
Farany dia mitarika ny olona hanara-dia an’Andriamanitra ny fampianaran’ny Tompo.
Ny Teny torian’ny mpanompon’Andriamanitra dia raiso ho toy ny Tenin’Andriamanitra satria hafatr’Andriamanitra no ampitainy amin’ny alalan’ny mpanompony, mba hahazoanao fihavaozana. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no miasa ny Fanahy Masina. Io Fanahy Masina io no manavao antsika. Manainga ny olona hiova any amin’ny tsaratsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. « Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao Izy ».
Mampandositra ny devoly ny Tenin’Andriamanitra. Gaga ny olona raha nanao fampianarana ny Tompo. Teo anatrehan’izany dia nampiseho ny tao anatiny ny devoly. Niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’i Jesoa ireo devoly nampahory ilay demoniaka, saingy noroahin’i Jesoa ihany. Niditra tany anaty kisoa ireo demony ireo ka nivarina tany an-dranomasina dia maty. Araka izany, efa maty ireo kisoa nidiran’ny fanahy maloto ireo, ka tsy marina ny filazana fa misy fanahy maloto ny kisoa, ary fady ny mihinana azy.
Ny devoly dia tsy mahazaka ny Tenin’Andriamanitra. Nisy fotoana ny Mpitandrina naniraka mpiandry hiasa amina zaza iray tsy salama. Marihina fa mpanao kung-fu, mpaniratsira an’Andriamanitra ny rain’ilay ankizy marary, ka nilaza tamin’ireto Mpiandry efa zokinjokiny ireto, fa ny Grand maître (ny Mpitandrina no tiany ambara) no tadiaviny ifanandrina aminy. Rehefa niverina ireto Mpiandry niaraka tamin’ny Mpitandrina dia nihoraka sy nanao « démonstration » ilay raim-pianakaviana, fa ifanandrina amin’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy ady ara-batana anefa no nitranga fa fifanandrinana ara-panahy. Natao ny asa, sitrana ilay ankizy narary ary niova tsy naniratsira fivavahana intsony ilay raim-pianakaviana. Matahotra ny Tenin’Andriamanitra ny devoly. Afaka amin’ny fatoran’ny devoly isika rehefa manana ny Tenin’Andriamanitra. Ny Efesiana: 6 no misy ny Tenin’Andriamanitra natokana hamely, hamono ary manala ny asan’ny satana. Amin’ny fotoana rehetra iainanao dia aza misaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.Ny tondrozotrantsika dia natao mba hanampy anao amin’ny fitadidiana ny Tenin’Andriamanitra, fara-faharatsiny dia iny tondrozotra tononintsika isan-kerinandro iny no tadidinao. Azo ampiasaina io tondrozotra io amin’ny fotoana rehetra entinao manohitra ilay ratsy. ”Raha mitoetra ao aminareo ny Teniko, dia Izaho hitoetra ao anatinareo”. Manafaka antsika ho mpandresy ny Tenin’Andriamanitra. Amen.

Taorian’ny toriteny dia nandray anjara hira ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena.

VAVAKA FANGATAHANA 
Nentina amim-bavaka ny Fiangonana, ny Mpitondra Fiangonana, ny Mpitoriteny ; nentina amim-bavaka koa ireo manomana ny Herinandron’ny fianakaviana,  ny Mpitandrina miza-draharaha noho ny fiaraha-miasa ary mba hahita voka-tsoa amin’ny fizaran-draharaha.
Nentina amim-bavaka ny mpianakavin’ny finoana sy ny fianakaviany ary ireo zanaka am-pielezana, ny sahirana, ny marary sy ireo manan-manjo; nentina amim-bavaka ireo manana hataka manokana sy ireo nanatontosa ny raki-pisaorana sy voady masina. Nofaranana tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany vavaka izany.

ASA VAVOLOMBELONA 
Hafatry ny Mpitandrina handeha hisotro ronono.
Ny 2Timoty 1 : 14a « Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.»  no hafatra natolotry ny Mpitandrina. Nanafatra ny Mpitandrina mba ho voatahiry ireo fampianarana rehetra nataony. Anisan’izany ny fampiofanana, ny dinidinika, ny toriteny sy ny sisa. Nangataka izy mba ho Kristiana tsara taiza hanam-pahendrena sy hanome voninahitra an’Andriamanitra ny mpianakavin’ny Tompo eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena, ka hitondra fifaliana, handray sy hanome ny tsara indrindra amin’ny rakitra soa ananany.

FAMARANANA NY FOTOANA 
Nohiraina ny FFPM 731:1 « Enga anie ka homba anao Jesoa », niarahana nanonona ny tondrozotra 2023 ary natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
Nohiraina ny Hira faneva « Ianareo no voninahitray ».
Vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina.

Niisa 832 ny mpianakavin’ny finoana nanatrika ny fanompoam-pivavahana androany.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
Niara-nanatanteraka ny fotoana ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina sy ny Mpitandrina miza-draharaha.

Ho fanomanam-panahy nandritra ny fanesoran’ny Mpitandrina ny lamba nanarona ny mofo sy kapoaka dia nohiraina ny FFPM 470:1 «Ny foko, ry Mpamonjy ». Novakiana ny Soratra Masina, natao ny vavaka narahin’ny hira Antema 1: « Masina, masina, masina ». Rehefa izay, dia natao ny Teny fanorenana sy vavaka fahatsiarovana ary nohiraina ny FFPM 445:1 « Jesoa mora fo indrindra ». Natao ny vavaka fangatahana ny Fanahy Masina ary nanandratra ny kapoaka sy namaky ny mofo ireo Mpitandrina. Niarahan’ny Mpandray nanonona ny vavaka fanetrentena. Natolotra ny Diakona tsirairay tompon’anjara ny mofo sy ny kapoaka. Nandritra izany no nanaovana misesy ny HF 39:1 « Tompo ô Izay mahita »; FFPM 261 « Ankehitrio no isehoanao ». Rehefa vita ny fizarana dia nitsangana ka niara-nihinana ny mofo sy nisotro ny kapoaka ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Natao ny vavaka fisaorana ary nanangona ny kapoaka ny Diakona. Mandritra izany nohiraina ny Antema 16 « Isaoranay, isaoranay».
Ny hafatra fohy dia noraisin’ny Mpitandrina tao amin’ny II Timoty 2:9b: « ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra ». Rehefa izany dia natolony ny Tsodrano ary ny hira FFPM 632 : 1 « Ampianaro aho Tompo, mba hiambina » no hira farany. Natao ny vavaka mangina ary notononina ny Trinite Masina.

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy Raharinoa Fenitra (Mpiofana ho mpitendry orga) ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Razafimaharo Kanto
Nikirakira fanamafisam-peo : Ramahery Yves sy Rabiazamaholy Hery Lanto
Naka sary : Raharijaona Nirina
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky Noely Tiana